- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho Fitadiavan-dRariny, Mandrakitra Ny Famonoana Noho Ny Zava-mahadomelina ao Filipina Ity Mpiasam-Piangonana Katolika Ity

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Zon'olombelona
[1]

Mponina mahantra ao an-tanandehibe ny ankamaroan'ireo niharam-boina tamin'ny tokhang (hetsika miady amin'ny zava mahadomelina). Sary avy amin'i Ciriaco Santiago, nahazoana alalana.

Mety mitovy amin'ny misionera mahazatra ao amin'ny Fiangonana Baclaran ao Manila i Ciriaco Santiago saingy mpaka sary amin'ny alina ihany koa izy izay nanatevin-daharana ireo mpanao gazety amin'ny fakam-baovao amin'ny hetsika ady amin'ny zava mahadomelina mahafaty ataon'ny polisy Filipiana.

Araka ny fandraketan'ny polisy, maherin'ny 2 000 ireo namoy ny ainy tamin'ny hetsika ady amin'ny rongony nanomboka tamin'ny volana Jiona ka hatramin'ny Desambra 2016. Saingy matahotra ireo vondrona sasany fa mety hiakatra izany tarehimarika izany raha tafiditra ny famonoana ho faty tsy nandalo fitsarana.

Raha mitatitra ny voka-dratsy farany tamin'ny “ady amin'ny rongony” ataon'ny fanjakana ny asan'ny fampahalalam-baovao, ny andraikitr'i Santiago kosa dia ny mampahafantatra ny momba ireo niharam-boina sy mitatitra ny hetsika ady amin'ny rongony na ny tokhang famonoana ivelan'ny fitsarana ampiasaina amin'ny famotorona manaraka momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona .

Tamin'ny resadresaka tamin'i Vatican Insider, nanazava [2] ny antony maha-zava-dehibe ny fampahafantarana ny fanitsakitsahana atao amin'ny ady amin'ny rongony i Santiago:

Letting the world know about this legalized barbarism is a humanitarian work, before it being news. Raise public awareness about the flagrant violations of law and legality and to stop the killing. Journalism can really serve the public interest and work for the common good.

Mamela izao tontolo izao hahafantatra fa asan’ olombelona ity habibiana lasa ara-dalàna ity; mialoha ny hahalasa azy ho vaovao. Manaitra ny fahatsiarovan-tenan'ny tsirairay manoloana ny fanitsakitsahana mibaribary ny lalàna sy ny ara-dalàna ary mampitsahatra ny famonoana. Afaka miasa hanasoa ny vahoaka tokoa ny asa fanaovan-gazety.

Nasongadina tamin'ny fampirantiana maromaro tany am-piangonana sy ny tany an-tsekoly ny asan'i Santiago. Nandefa ity sary ity ho porofon'ny fitsabahan'ny polisy tamin'ny famonoana tsy ara-dalàna izay nikendry indrindra ireo mahantra andrenivohitra ao metro Manila ny tambajotran'ny zon'olombelona Rise-Up.

Nanjary olam-pirenena ny ady amin'ny zava-mahadomelina tamin'ny taona 2016 raha  nampanantena [3] hampitsahatra ny fandrahonana manoloana ny famonoana ireo lehiben'ny zava-mahadomelina sy ny mpiaro azy ireo ny filoha vaovao voafidy ao amin'ny firenena.

Tamin'ny tranga maro, namoy ny ainy tamin'ny hetsika tokhang ny olon-tsotra tsy manan-tsiny. Voampanga [4] ho namono ireo olona ahiahiana tsy mitondra fitaovam-piadiana sy olo-malaza hafa amin'ny zava-mahadomelina ny polisy saingy ireo fikambanan'ny zava-mahadomelina izay voalaza fa namono ireo andian-jiolahy mpifanandrina amin'izy ireo kosa no tsinian'ny manampahefana.

[5]

Frera Ciriaco Santiago ao amin'ny Fiangonana Katolika Redemptoris. Sary: Facebook

Nanomboka ny fandraketana i Santiago, mpandrindra ny fitantanana ny krizy ao amin'ny fiangonany tamin'ny Desambra 2016 noho ny fitomboan'isan'ny tranga sy ny fitarainana mahakasika ireo mpiangona mahantra ao andrenivohitra.

Nandritra ny iray tamin'ireo fitsidihany tao amin'ny vondrom-piarahamonina mahantra ao andrenivohitra, nahafantatra ny tranga nahazo ireo tanora novonoin'ny andian–dehilahy misaron-tava i Santiago. Nanamafy ireo mpitarika ny fiarahamonina fa tsy tafiditra tamin'ny varotra rongony tsy ara-dalàna ireo tanora ireo. Maro ihany koa no mihevitra fa mety ho hetsika tokhang  ny famonoana.

Nanoratra momba ny tantaran'ireo tanora i Santiago ary nandrakitra ny diaben'ny fandevenana:

They had dreams. All of them wanted to finish their studies, hoping that they would get better jobs once equipped with formal trainings.

Because of poverty, they had to work and save for it. They were firm with the resolve to study, no matter how long it takes.

But that dream vanished that fateful night, as well as the village’s peaceful environment.

The wake was short. The victims’ families and relatives cannot afford a decent burial for their dead. Their option was to bury them all together – alongside with each other.

Nanana nofy izy ireo. Te hamita ny fianarany izy rehetra ireo, manantena fa hahazo asa tsara raha vao mahazo fiofanana ara-dalàna.

Noho ny fahantrana, tsy maintsy niasa sy nanao tahiry tamin'izany izy ireo. Hentitra izy ireo tamin'ny fahavononana hianatra, tsy olana izay mety ho halavan'ny fotoam-pianarana

Saingy noho izany alina mainty izany, nanjavona ny nofy, ary koa ny tontolo milamina ao an-tanàna .

Fohy ny fifohazana. Tsy afaka nanatontosa fandevenana mendrika ho an'ireo maty ny fianakavian'ireo niharam-boina. Ny safidin'izy ireo dia ny nandevina azy rehetra miaraka – mifanakaiky.

[6]

Ireo tanora maty novonoina tamin'ny hetsika toy ny tokhang nalevina miaraka noho ny tsy fananam-bola. Manamafy ireo mpitarika ny fiarahamonina fa tsy manan-tsiny ireo tanora ireo. Sary avy amin'i Ciriaco Santiago, nahazoana alalana.

Fanampin'ny tatitr'ireo mpanao gazety amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny asan'i Santiago amin'ny fampahafantarana ireo niharam-boina tamin'ny tokhang  sy ny voka-dratsin'ny ady amin'ny zava-mahadomelina ao amin'ny fiarahamonina mahatra ao an-drenivohitra

Mandrisika ireo tanora mpaka sary i Santiago mba hampiseho ny toe-javatra iainan'ny mahantra, indrindra ireo izay niharan'ny ady amin'ny rongony ataon'ny governemanta.

As a photojournalist, always be with the poor, understand their social reality. There is always a clash of competing class interests, with that be on the side of the struggling and poor people.

Amin'ny maha mpanao gazety mpaka sary, miaraka hatrany amin'ny mahantra, mahafantatra ny zava-misy iainan'izy ireo ara-tsosialy. Misy hatrany ny fifandonana amin'ny fifaninanan'ny tombontsoan-tsaranga, eo amin'ny olona mahantra sy mitolona mafy.

Ireto ambany ireto sary sasany nalain'i Santiago, izay mampiseho ny dikan'ny tokhang ho an’ ireo Filipiana olon-tsotra ao an-tanàna mahantra andrenvihotra :

[7]

Polisy manamboninahitra mijery ny fatin'ny olona iray ahiahiana amin'ny rongony. Eo akaiky eo misy kamiao misy marika mitondra ny teny filamatra sy ny anaran'ny filoham-pirenena. Sary avy amin'i Ciriaco Santiago, nahazoana alalana.

[8]

Vatana mangatsiaka lasibatry ny tokhang nentina teo anoloan'ny fianakaviana mana manjo. Sary: Ciriaco Santiago, nahazoana alalana.

[9]

Ny sehatra ara-pivavahana tonga tao amin'ireo niharam-boina tamin'ny tokhang mba hanadihady sy hampitsahatra ny famonoana mifandraika amin'ny zava-mahadomelina ao amin'ny firenena. Sary: Ciriaco Santiago, nahazoana alalana.