Mamporisika Ny Fitsitsiana Herinaratra Koa Ireo Jiro Marevaka Napetraka Tao Marina Bay Any Singapaoro

 

Fampisehoana hazavana tao amin'ny Marina Bay Sands. Mitoetra manodidina ilay tranobe koa ny fetiben'ny hazavana. Loharano: Flickr / aotaro (CC BY 2.0)

Niverina nisokatra tamin'ny 3 Martsa ny Fetiben'ny Hazavana fanao isan-taona niaraka tamin'ny fametrahana jiro marevaka 20 nataon'ny mpanakanto avy amin'ny firenena sivy. Fanindiminy izao no nikarakaran'i Singapaoro ny fetiben'ny Hazavana ao Marina Bay, toeram-pivahinianana malaza izay manolotra anao ny endrika kanton'ilay tanàna-fanjakàna.

Ilay fetibe izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe “i Hazavana Marina Bay”, dia mifantoka amin'ny lohahevitra “Hazavana sy Natiora” mba handrisika ireo mponina ao Singapaoro hanana fahazarana maharitra eo amin'ny fiainan'izy ireo andavanandro. Ho fanohanana izany tanjona izany, namboarina tamin'ny jiro mitsitsy herinaratra na akora mitsinjo ny tontolo iainana ny fametrahana ireo jiro marevaka manamorona ny ranomasina tao Marina Bay.

Nahazo ny fanohanan'ny farafahakeliny, tompon'ny trano mijoalajoala 79 manodidina ny Marina Bay ihany koa ilay fetibe mba hanatevin-daharana ny fanentanana “Vonoy, Areheto”, izay mamporisika ny mponina sy ireo tompon'ny trano mba hanapika ireo jiro tsy miasa ary hampitombo ny hafanan'ny famerana ny maripana mandritra ny ora fiasana.

Nandritra ny Fetiben'ny Hazavana tamin'ny 2014, nanambara ireo mpikarakara fa afaka nanangona angovo 269 000 kwh na entona karbonika 140 taonina tao anatin'ny telo herinandro noho ilay fanentanana “Vonoy, Areheto”. Mitovy amin'ny fanomezana herinaratra ho an'ny tokatrano mihoatra ny arivo amin'ny fotoana iray izany.

Hiara-dàlana amin'ny fankalazana ny Oran'ny Tany amin'ny 25 Martsa koa ny Fetiben'ny Hazavana amin'ity taona ity amin'ny alalan'ny famonoana mandritra ny ora iray ireo jiro ao anatin'ny jiro marevaka.

Amporisihana koa ireo mpitsidika ny Fetiben'ny Hazavana mba hanakalo ireo takamoa mandoro entona amin'ny takamoa LED mitsitsy angovo kokoa.

Hatramin'ny fanombohan'ny fetibe, nandefa ny sarin'ireo jiro marevaka ao amin'ny morondrano malazan'i Marina Bay ireo mpampiasa Instagram. Topazo maso ny fiovan'ireo tranobe miavaka any Singapaoro ho lasa vao mainka mahavariana nandritra ilay hetsika:

A post shared by Stanley Chee (@stanley_chee) on

A post shared by Qing Jing (@qing.jing) on

Oeeeeeee… tsy mila mivahiny any ampitan-dranomasina vao mahita izao karazana jiro marevaka izao! Miseho ato amin'ny #iLightMarinaBay daholo izany rehetra izany! Tongava aty ary mitsangatsangàna!

A post shared by Christina Tan (@sassychris1) on

Not your average skyscraper. #ilightmarinabayA post shared by waiswords (@waiswords) on

Tsy ny trano mijoalajoala salantsalany. #ilightmarinabay

A post shared by Christina Tan (@sassychris1) on

Fametrahana #jiromarevaka mahafinaritra nataon'ny orinasa Frantsay TILT tao #ilightmarinabay

A post shared by Stanley Chee (@stanley_chee) on

A post shared by HYBYCOZO (@hybycozo) on

A post shared by DoN Lau (@donlau85) on

 

A post shared by Stanley Chee (@stanley_chee) on

A post shared by HYBYCOZO (@hybycozo) on

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.