Zavakanto Anaty Fitateram-Bahoaka: Fantaro Ireo Mpanao Kisarisary Anaty Fitateram-Bahoaka ao Singapaoro

Sketch nataon'i Alvin Mark Tan, nahazoana alalana

Mandray fiara, fiaran-dalamby ary voromby, tsy hoe handeha fotsiny izy ireo fa manao kisarisary ihany koa.

Herintaona mahery izao ny vondrona Facebook Commute Sketchers no nijoro handranty ny asan'ireo artista mampiasa ny fotoanany eny am-pitaingenana fitaovam-pitaterana manararaotra manao kisarisary izay hitany ao anaty fitateram-bahoaka. Tsy ny sary voasoritsoritry ny Singapaoreana ihany no zarain'io vondrona io fa misy ihany koa ireo sary avy any amin'ny firenen-kafa.

Manazava ny antony mahatonga ny fitateram-bahoaka ho sehatra tsara indrindra ho an'ny artista hanehoany ny sanganasany i Erwin Lian, artista Singapaoreana sady mpampianatra, iray amin'ny mpanorina ny Commute Sketchers :

I think the public transport system is a very unique and peaceful place. You have this moving box (public transport) with wheels or wings that can contain the greatest diversity, because it is literally taking everyone to a common destination. I find that interesting; the notion of going somewhere together. Also, the fact that there are so many different faces to draw within a small room excites me. I was traditionally trained in fine arts and with dwindling interests in traditional art, the public commute presents a unique, safe and condensed setting to practice what I love.

Mihevitra aho fa toerana milamina sy tsy manam-paharoa ny fitateram-bahoaka. Hitanao io boaty mifindra (fitateram-bahoaka) amin'ny alalan'ny kodiarana na elatra mahazaka karazan'olona maro dia maro indrindra io, satria entiny amin'ny fitodiana iraisana avokoa ny rehetra. Hitako hoe mahaliana izany, ilay tsirinkevitra miara-mandeha any ho any. Ary mampientanentana ahy ihany koa ny mahita tava maro azo atao soritsoritra ao anatin'ny efitra kely iray. Nianatra zavakanto nentim-paharazana aho ary mora ironako kokoa ny zavakanto nentin-drazana, toerana tsy manampaharoa, azo antoka ary ahitan-javatra maro ahafahako mampihatra ny zavatra tiako.

Nampiany fa ny hevitra nivoahan'ny Commute Sketchers dia aingam-panahy avy amin'ny fandaharana mitovitovy aminy avy ao Canada:

I was very inspired by the Canadian subway and they have this ‘Sketching-the-line’ program where they invite commute sketchers to submit their work and feature them all over the transit. I thought that was such an organic move and very gracious of them to grant advertising space to commute artists.

Nanome aingam-panahy ahy tokoa ny métro kanadiana. Ao amin-dry zareo ny programa ‘Manoritsoritra ny zotra’ izay anasany ireo mpanao kisaritsarim-pitaovam-pitaterana handefa ny asany ka hanasongadina izany eny amin'ny zotra. Hitako hoe mandeha ho azy izany zavatra nataony izany ary manoka-baravarana amin'ny artistam-pitateram-bahoaka amin'ny fanomezana sehatra dokambarotra ho azy ireo.

Sketch (Soritra) nataon'i Erwin Lian, nahazoana alalana

Sketch (Soritra) nataon'i Erwin Lian, nahazoana alalana

Gaga i Alvin Mark Tan, mpikambana mavitrika hafa ao amin'ny Commute Sketchers, mahita hoe toa tsy mahita izay mitranga manodidina azy akory ny olona rehefa ao anaty bus na fiaran-dalamby ry zareo :

That people in general can be so hooked on to their mobile devices, they have no clue that I’m sketching them, or even what is happening around them.

Variana loatra amin'ny fitaovana findainy ny olona amin'ny ankapobeny ka tena tsy fantany mihitsy hoe manoritsoritra ny sarin-dry zareo anie aho ary tena tsy fantany mihitsy izay mitranga manodidina azy ireo.

Sketch nataon'i Alvin Mark Tan, nahazoana alalana

Namoakatra lahatsary fampianarana fohy manome ny antsipirian'ny soritsoritra fitaovam-pitaterana ihany koa izy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.