- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho Anareo Mpakafy Trano Simenitra, Toy Izao Ny Fampialofana Ara-tsosialy Ao Japana Izany

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
団地

“Trano faha  4, 2-3-2 Honmachi” (ao Tsuruga, Perfektioran'ny Fukui). Sary: Nevin Thompson.

Ao Japana, misy bilaogy natokana hanadihadiana ny ao anatin'ny fiaran-dalamby [1], ny saron'ny fantsona [2] ary eny fa na dia ho an'ny mofomamy [3] aza. Tsy mahagaga noho izany raha misy ny Tumblr [4] sy ny bilaogy natokana ho an'ny danchi (団地) [5] , izay vondrona tetikasa fampialofana tena ilaina ho an'ny vahoaka, trano vita amin'ny varafasy ary niainan'ny Japoney maro nanomboka tamin'ny fiafaran'ny Ady Lehibe faharoa.

Manome topimaso tsy fahita firy momba ny habetsahan'ny olona monina ao Japana, na dia amin'izao fotoana izao aza ity bilaogy danchi ity.

Mety manana fifandraisany ratsy amin'ny teny Japoney ny teny hoe danchi,  mitovy amin'ny teny hoe “tetikasa”, na “fampialofana ara-tsosialy” amin'ny teny Anglisy. Fantatra amin'ny hoe koei jutaku (公営住宅) izy rehetra ireo tany aloha, na fampialofam-bahoaka amin'ny teny Japoney.

Ho anareo mpankafy trano vita amin'ny simenitra,  mandalina ny fampialofana ao Japana ity bilaogy ity. Fantatra ihany koa amin'ny teny hoe ‘danchi’

Araka ny noresahina tao amin'ny tao amin'ny habaka fifanakalozan-kevitra Amerikana MetaFilter [9] , dia bilaogy amin'ny teny Japoney natokana hizarana ny sarin'ny fampialofana manodidina an'i Japana ny Manavatsava an'i Danchi !! [4]. Havaozina matetika ilay bilaogy, ary manasongadina ireo sarin'ny trano fonenana manerana an'i Japana, anisan'izany i Kyoto [10], ny afovoan'i Tokyo [11], i Osaka [12] sy ny faritra maro hafa manerana an'i Japana. Ahitana fampahalalana momba ny adiresin'ny tranobe manokana ny lahatsoratra, sy ny vanim-potoana nanorenana azy ireo:

[13]

Pikantsary avy amin'ny Manavatsava ny Danchi !! bilaogy Tumblr.

Tamachi Ekimae Apartments (1966)
Shiba, Minato Ward, Tokyo
Photo taken in 2016

Trano Fonenana Tamachi Ekimae (1966)
Shiba, Minato Ward, Tokyo
Sary nalaina tamin'ny taona 2016

[14]

Pikantsary avy amin'ny Manavatsava ny Danchi !! bilaogy Tumblr.

Osaka Kadoma Public Housing (1967)
Kadoma, Osaka Prefecture
Photo taken in 2017

Fampialofana ho an'ny vahoaka Kadoma ao Osaka (1967)
Kadoma, Perfektioran'ny Osaka
Sary nalaina tamin'ny taona 2017

Mampiseho ny  antsipiriany mahazatra ny olona izay efa niaina tao amin'ny trano fonenana ao Japana, toy ny trano simenitra sy ny trano misy varavaram-by hita eny rehetra eny izay mitovitovy amin'ny hita matetika any amin'ny sambo mpisitrika ny sasany amin'ireo sary :

[15]

Pikantsary avy amin'ny Manavatsava ny Danchi !! bilaogy Tumblr.

Naha Municipal Tsubogawa-East Apartments (Built 1985-1992)
Tsubogawa, Naha (Okinawa Prefecture)
Photo taken in 2016

Trano fonenana kaominina Naha Tsubogawa-Atsinanana (Naorina tamin'ny taona 1985-1992)
Tsubogawa, Naha (Perfektioran'ny Okinawa )
Sary nalaina tamin'ny taona 2016

Mampiseho ny ezaka vao haingana kokoa tamin'ny fanatsarana ny endrin-tanàna miavaka sy tena ilaina  ihany koa ny sary izay entina maneho ny endrika miavaky ny fampialofam-bahoaka ao Japana.

[16]

Pikantsarin'ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra ao Danchi !! Tumblr blog.

Osaka Kadoma Public Housing (1967)
Kadoma, Osaka Prefecture
Photo taken in 2017

Fampialofam-bahoaka ao Osaka Kadoma (1967)
Kadoma, Perfektioran'ny Osaka
Sary nalaina tamin'ny taona 2017

[17]

Pikantsary avy amin'ny Manavatsava ny Danchi !! bilaogy Tumblr.

Osaka Kadoma Public Housing (1967)
Kadoma, Osaka Prefecture
Photo taken in 2017

Fampialofam-bahoaka ao Osaka Kadoma (1967)
Kadoma, Perfektioran'ny Osaka
Sary nalaina tamin'ny taona 2017

Manome topimaso ilaina momba ny fampialofam-bahoaka ao Japana i Philip Brasor [18] raha nanoratra tao amin'ny Japan Times, anisan'izany ny politikan'ny fampialofan'ny governemanta nanomboka tamin'ny Ady Lehibe Faharoa, izay mendrika ho fampialofam-bahoaka ao Japana, sy ny fihenan'ny fampiasam-bolan'ny governemanta momba izany tao anatin'ny taona vitsivitsy ihany koa, miaraka amin'ny firongatry ny asa tsy azo hianteherana sy ny fitotongan'ny karama [19] ka nahatonga ny  tsy fitovian'ny fidiram-bola tao Japana [20] .