- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Mpamono Olona Be Indrindra ao Zeorzia? Ny Arabeny

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Zeorzia, Fahasalamàna, Fanoherana, Mediam-bahoaka

Sary: Sulkhan Bordzikashvili ho an'ny OC Media.

Ity manaraka ity dia dika avy amin'ny lahatsoratra mpiaramiasa [1] nosoratan'i nivoaka voalohany tao amin'ny tranonkala OC Media [3]. [4]

Ny 22 Martsa, tao Tbilisi, renim-pianakaviana iray niaraka tamin'ny zanany vavy nijoro teny amoron-dàlana no nofaohan'ny fiara iray. Maty teo noho eo ilay zazavavy 11 taona, raha ny reniny kosa naratra mafy nentina namonjy hopitaly.

Nosokafan'ny polisy ny fanadihadiana mahakasika ‘fanitsakitsahana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana niteraka famoizana aina’, izay ahazoana sazy fampidirana am-ponja efatra ka hatramin'ny fito taona.

Araka ny voalazan'ireo [5] nahita maso, nijoro teo amin'ny toerana iray fiandrasana fiara mpitatitra izy mianaka raha iny ilay fiara fa niala ny arabe, nandona takelaka iray aloha, ary avy eo nandona azy ireo.

Tamin'ny 2015, namoaka tatitra [6] iray ny Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamàna nilazàny fa isantaona dia olona 1,25 tapitrsa no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Araka ny lazain'ny [7] Fikambanana ho Fiarahana Miasa Ara-Toekarena sy ho Fampandrosoana (OECD), i Zeorzia no manana ny taha ambony indrindra amin'ny fahafatesana ateraky ny lozam-pifamoivoizana ao Eoropa (163.6 isaky ny olona 1 tapitrisa). Mpandeha an-tongotra ny efatra amby roapolo isanjaton'ireo maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana ao Zeorzia.

Araka ny antontanisa avy amin'ny Ministeran'ny Atitany ao Zeorzia (jereo etsy ambany), nanomboka nidina ny isan'ny loza tamin'ny 2008, na dia niakatra indray aza nanomboka tamin'ny 2011. Notaterin'ny ministera fa ny ankamaroan'ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana dia ny hafainganam-pandeha sy ny hamamoana eo am-pamiliana fiara.

Tamin'ny 2011, 4.500 ny lozam-pifamoivoizana naharaisana tatitra tao Zeorzia, 6.600 tamin'ireo no tsy namoizana aina, 500 namoizana ana. Tamin'ny 2016, eo amin'ny 7.000 teo ny lozam-pifamoivoizana naharaisana tatitra ka 10.000 tsy namoizana aina, ary 600 nahafatesana olona.

Tsy mihenjana loatra amin'ny fanitsakitsahana lalànan'ny fifamoivoizana

Na nitombo aza ny isan'ny maty, tamin'ny 2014, nanomana andianà fanavaozana [8] ny Fepetram-Pitantanana ny Ministeran'ny Atitany, nanalefahana ireo sazy azo amin'ny fanitsakitsahana ny lalànan'ny fifamoivoizana. Araka ilay tolodalàna, ny sazy ho an'ny fanitsahana tsipika mitohy tsy mitapaka, izay amin'izao fotoana izao dia ahazoana sazy ara-bola 100 lari (41 dolara), dia ho antsasany sisa. Ny sazy noho ny famerenan-keloka dia hahena ho 100 lari (41 dolara) fa tsy ho 200 lari (82 dolara) intsony. Tsy handoa 150 lari (61 dolara) intsony ireo tsy nahaloa ara-potoana ny saziny fa ho 40 lari (16 dolara).

Tamin'ny 2016, neken'ny [9] governemanta Zeorziana ny Tetikadim-Pirenena Ho Fisorohana ny Loza an-Dalambe. Marihan'ireo mpanoratra fa nilaina ny fandaniana ilay tetikady noho ny taha avoben'ireo fahafatesana ateraky ny lozam-pifamoivoizana. Samy nankatoa ilay tetikady ho ampiharina mandritry ny dimy taona daholo, na ny ministeran'ny Toekarena, Fampandrosoana isam-paritra, ny Asa sy ny Raharaha Sosialy, ny Fanabeazana sy ny Siansa, ary ny Fiadidiana ny Tanànan'i Tbilisi.

Hita ao anatin'ilay tetikady, ankoatra ny zavatra hafa, ny fiantohana ny fitaterana mpianatra, ny fanomezana fitsaboana ara-potoana raha misy hamehana, ary ny fanofànana any an-tsekoly momba ny fiarovana eny an'arabe.

Ho fampiharana ilay tetikasa, dia nisy kaomity iraisana sy vondrona atrikasa napetraky ny ministeran'ny toekarena mba handrindra ny asan'ireo andrim-panjakana isankarazany.

Sary: Sulkhan Bordzikashvili ho an'ny OC Media.

Tao anaty fanambaràna [10] iray, nolazain'ny Praiminisitra Giorgi Kvirikashvili fa vokatry ny sosokevitra nataon'ireo fikambanana iraisampirenena sy manampahaizana maro ilay fandraisana andraikitra.

‘Antontan-kevitra tena manana ny lanjany ity ho an'ny fitantanana ny fiarovana an'arabe mahomby sy lovain-jafy eto Zeorzia’, hoy ny filoha.

Raha niresaka tamin'ny RFE/RL, Gela Kvashilava, mpanorina ny  Road Safety Foundation, vondrona iray mpisolovava ao an-toerana, niteny [11] hoe ny olana fototra ho an'i Zeorzia raha resaka fiarovana an'arabe dia ireo arabe namboarina hifanaraka amin'ny fiara fa tsy ny olona.

Ilay tetikady [12] dimy taona dia heverina hikirakira ireo olan'ny fiarovana an'arabe, ny fifamoivoizana an-tanandehibe, ary ny tsy fahampian'ny toerana fiantsonana.

Sary: Sulkhan Bordzikashvili ho an'ny OC Media.