- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Tranainy no Vaovao, Mihaino Ve Ianareo? Raki-Peo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Karaiba, Etiopia, Indonezia, Jamaika, Makedonia, Syria, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tantara, Zon'olombelona, Global Voices Podcast

Anaovan'ny Global Voices podcast Mihaino Ve Ianareo? topimaso ireo tantara vitsivitsy nivoaka vao haingana tato amin'ny famoaham-baovaonay. Ato amin'ity fizaran-tantara ity isika hanavatsava ny resaka kolontsaina kafe hafahafa ao Jamaika [1]; ny fitsidihana iray manan-tantara tany amin'ny firenena betsaka Miozolomana indrindra [2] [mg] eto amin'izao tontolo izao; ary ny hoe tahaka ny ahoana izany gadrain'ny ISIS ka velona hilaza ny tantara [3]. Hampahafantatra anao ilay mpihira nentin-drazana Makedoniana malaza iray izay saiky very any amin'ny tsy fantatry ny olona [4] [mg] ihany koa izahay ary farany, dia hitondra anao any amin'ny taonjato lasa mihoatra tamin'ny adin'ny Etiopia [5] nanosika ny mpanjanaka fotsy hoditra. Amin'ity fizaran-tantara ity, ny tranainy no vaovao.

Misaotra indrindra an'i Kat Batuigas noho ny fanampiany tamin'ny famokarana ity fizaran-tantara ity sy misaotra ihany koa an'ireo mpandray anjaran'ny Global Voices, Emma Lewis sy Endalk tamin'ny fanampiany tamin'ny fitantarana sy ny fanaovana tatitra ny tantara izay asongadinay ato anatin'ity podcast ity, iarahana amin'i Filip Stojanovski, Juke Carolina, Joey Ayoub ary Elia Abou Jaoude .

Amin'ity fizaran-tantara ity, asongadinay ireo hira manana lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaimpoana [malalaka], ka anisan'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i Jahzaar [6]; Good Riddance avy amin'i Ars Sonor [7]; Flute Fleet avy amin'i Podington Bear [8]; Vintage Frames avy amin'i Kai Engel [9]; Backward avy amin'i David Szesztay [10]; ary Modulation of the Spirit avy amin'i Little Glass Men [11].

Ny “Church Steps [12]” izay nalaina teo anoloan'ny Fiangonana Ziona St. Mary ao  Axum, Ethiopia. avy amin'ny mpisera Flickr A.Davey [13] (CC BY 2.0). no sary nampiasaina tamin'ity tantara ity