Tantara tamin'ny 27 Marsa 2017
Nosamborin'ny Manampahefana Emira Arabo Mitambatra Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'Olombelona Iray Ary Nohalavaina Ny Fihazonana Ny Hafa

Tamin'ny 20 Martsa, nisambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona Ahmed Mansoor tao an-tranony ny polisy.Nandà ny hamoaka an'i Osama al-Najjar ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra mandritra izany , na dia efa nahavita ny saziny tany am-ponja aza izy.
Ny Mpamono Olona Be Indrindra ao Zeorzia? Ny Arabeny
Ny 22 Martsa, tao Tbilisi, renim-pianakaviana iray niaraka tamin'ny zanany vavy nijoro teny amoron-dàlana no nofaohan'ny fiara iray. Maty teo noho eo ilay zazavavy 11 taona.
Tsy Tian'ny Afrikana Tatsimo ny Hikitihan'ny Fanjakana ny Media Sosialy
Nilaza ny Minisi-panjakana misahana ny Fiarovana ao Afrika Atsimo, David Mahlobo, fa mihevitra ny handrindra ny media sosialy ny fanjakàna mba hanoherana ireo fitantaràna diso sy fiparitahan'ny faikam-baovao ny governemantany.
Ny Tranainy no Vaovao, Mihaino Ve Ianareo? Raki-Peo
Ho entinay any Jamaika, Indonezia,Syria,Makedonia ary Ethiopia amin'ny fampahatsiahivana, famelomana indray sy ny fipoiran' ireo tantara ianao ato amin'ity podcast ity.