Simban'ny Sambo Britanika Mpitatitra Mpizahatany Ireo Vatohara Any Papoazia Andrefana

Ampahany amin'ny Telozoron'ny Vatohara i Raja Ampat. Loharano: Flickr / Lakshmi Sawitri (CC BY 2.0)

Lavo tany amin'ny rano marivon'i Papoazia Andrefana ny sambo iray mpitatitra mpizahatany, ka nanimba vatohara mirefy 13.500 metatra toradroa any Raja Ampat, toerana manan-kasina an-dranomasina ao amin'ny Telozoron'ny Vatohara izay heverina ho toy ny iray amin'ireo toeram-ponenana manan-karena voajanahary indrindra eran-tany. Faritany iray ao Indonezia i Papoazia Andrefana.

Araka ireo tatitra voalohany azo dia nandona fefy vatohara mirefy 1.600 metatra toradroa tany Raja Ampat ny “Caledonian Sky”, sambo iray milanja 4.200 taonina mpitatitra mpizahatany an'ny Noble Caledonia. Kanefa ny fikarohana manaraka nataon'ny Conservation International Indonesia (CI) sy ny fanjakana any amin'ny distrikan'i Raja Ampat ary ny Anjerimanontolom-panjakan'i Papoazia dia nanambara fa mety ho 8.5 avo heny noho izay noheverina tany am-boalohany ilay fahasimbana.

Ny ankamaroan'ireo vatohara simba dia tao amin'ny Faritra Voaaron'ny Andilan-dranomasin'i Dampier, faritra fonenan'ireo vatohara mafy. Raja Ampat, izay midika hoe ”mpanjakalahy efatra” amin'ny teny fampiasa any an-toerana, dia inoana fa manana isa lehibe anà vatohara mafy noho ireo hita eraky ny Karaiba manontolo.

Mamono Vatohara Ny Fitavozavozan'ny Mpitondra Sambo Fizahan-tany – manimba vatohara mirefy 1.600 metatra toradroa any Raja Ampat, Indonezia, ny sambo Britanika mpitatitra mpizahatany

Eh ! Ry #noblecaledonia ah ! Inona no mba ataonao amin'izao sambonao lehibe nidona tamin'ny harambato voatahiry tsy misy pentina an'i Raja Ampat izao? pic.twitter.com/VdEi5VC4LA

Nilaza ny tatitra iray navoaka tao amin'ny birdsheadseascape.com fa ny fivelaran'ny andilan-dranomasin'i Dampier no mampananosarotra ny fanaraha-maso araka ny tokony ho izy ny faritra manoloana ireo hetsika manimba tahaka ny fanaovana jono tsy maharitra.

Nametraka kaomity iraisana ahitàna ministera isan-karazany ny fanjakana tao an-toerana mba hametrahana ny tompon'ilay sambo mpitatitra mpizahatany ho tomponandraikitra tamin'ny fahasimbana naterany tao anatin'ny ranomasin'i Raja Ampat.

Naneho ny hatezerany mikasika ny fahasimban'ilay vatohara madio mangaraharaha ihany koa ireo mpiaro ny tontolo iainana, sy ireo mpahay siansa an-dranomasina, ary ny mponina tao an-toerana.

Nanoratra i Kate Patricia tao amin'ny Facebook fa mety haharitra ampolo taonany maro ny fanarenana ireo harambato potika:

Efa nitsidika ary nitsoraka lalina tany izahay roa taona lasa izay ary mbola io toerana io no toerana mahafinaritra indrindra nalehako hatrizay. Fantatra ho isan'ireo tena tsara sy madio mangaraharaha indrindra eran-tany ireo harambato ao Raja Ampat ireo ary ampahany amin'ilay telozoron'ny vatohara izay tompon'andraikitra amin'ny famerenana mameno ny vatoharana eran-tany. Mety haharitra an-jato taonany ny fanirian'ity faritra potika ity. Mila mandray andraikitra noho izany ary manampy amin'ny fanarenana ity harambato ity ny Noble Caledonia.

Nisy fananongantsonia natao tanaty aterineto entina hamporisihana ilay mpandraharaha fizahan-tany hanao mihoatra noho ny fanefàna ara-bola ho an'ny vondrompiarahamonina ao an-toerana:

Ny angatahanay amin'ny Noble Caledonia dia ny hanomezany fanohanana ara-batana sy ara-bola entina hanamboarana ny harambato, toa izay hanatanteraka fifampiraharahana ara-bola. Noble Caledonia — tompondakan'ny tontolo iainana hatry ny ela — dia angatahana mba hanome fanohanana feno ho anà manampahaizana iraisam-pirenena iray mikasika ny harambato sy ny ekipany ho fanatontosana tetikasa famerenana amin'ny laoniny ireo harambato, iaraha-miasa amin'ireo vondrompiarahamonina ao an-toerana sy ny mpitantana ny Valan-javaboary An-dranomasina, anisan'izany ny fanaraha-maso ny fitomboana rehefa mandeha ny fotoana.

Raja Ampat any Papoazia Andrefana. Loharano: Flickr / Max Mossler / (CC BY 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.