- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mikasa Hiaro Ireo Maherifo Komonista Amin'ny Alalan'ny Lalàna Vaovao Ny Mpanao Lalàna Shinoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tantara

Lei Feng naseho ho mahery fo nanomboka ny taona 1963.

Nandany lalàna ho an'ny fehezan-dalàna sivily voalohany nohitarina [1] ny antenimieram-pirenena ao Shina vao haingana, lalàna hanampy ny mpitsara mba hanapa-kevitra amin'ireo fifandirana momba ny fananana, fifanekena, fandovana sy ny fanambadiana.

Miorina amin'ireo lalàna vitsy efa misy ao amin'ny firenena komonista ny fehezan-dalàna vaovao, izay tokony hihatra amin'ny taona 2020 [2]. Amin'ireo fanampiny miisa 126 nampahafantarin'ny mpanao lalàna, ny tena mampiadihevitra dia ny fanasokajiana ny fanalam-baraka ireo “mahery fo sy maritiora” komonistam-pirenena ho fandikan-dalàna sivily.

Miahiahy ireo mpitsikera fa mety hampisy fiantraikany ratsy eo amin'ny famotorana akademika sy ara-tantara ao Shina ny lalànan'ny mahery fo vaovao. Maro ireo akademisiana mihevitra fa ny tantara momba ny mahery fon'ny firenena dia navily lalana na namboamboarina mba hanolorana fifehezana ara-poto-kevitra ataon'ny antoko Komonista mitondra eo amin'ny fahefana. Hoy ny voalazan'ny lalàna vaovao:

侵害英雄、烈士的姓名、肖像、名譽、榮譽,損害社會公共利益的,應當承擔民事責任。

Ny fisolokiana anarana, sarin'olona, ny laza sy ny voninahitry ny mahery fo sy ny martiora dia manimba ny tombontsoam-bahoaka, ary tokony hizaka ny heloka sivily.

Mpampianatra lalàna Fang Liufang [3] nametraka andianà fanontaniana momba ny lalànan'ny mahery fo [4]:

什么是“英烈”?“英烈”如何证明?哪个政府能颁发有效证明?古代有没有?如果古代也有,“英烈”的名誉保护追溯到哪个年代,春秋战国还是唐、宋、元、明、清、民国?如果古代没有“英烈”,那又为什么?更重要的是,谁能代表“英烈”向法院起诉?

Inona no atao hoe maherifo? Ahoana no hanaporofonao fa maherifo ny olona iray? Fanjakana iza no afaka manome fanamarinana amin'izany? Nanana izany ve isika tamin'ny vanim-potoana fahiny? Raha eny, tokony hamantatra indray sy hiaro ireo maherifo tamin'ny fotoana mana-tantara manokana ve isika? Nanomboka tamin'ny Vanim-potoana Chunqui [5]na Tang, Song, Yuan, Ming, Qing, Repoblikan'i Shina? Raha tsia, inona no antony? Ny tena zava-dehibe kokoa, iza no afaka misolotena ireo “maherifo” eny amin'ny fitsarana?

Niezaka hatrany hanoratra fehezan-dalàna sivily i Shina nanomboka tamin'ny taona 1954. Nahitàna fivoarana kely izany teo ambanin'ny fitondrana Komonista hatramin'ny taona 1985, raha lany ny lalàna momba ny fandovana. Tamin'ny taona 1999, nolaniana ny lalànan'ny fifanekena ary lany tamin'ny taona 2007 ny lalànan'ny fananana. Saingy nisy hatrany ny tsy fahampiana goavana. Manana rafi-dalàna sivily i Shina, izay midika fa andinin-tsoratra manan-danja ho an'ny mpitsara ny lalàna. Mifanohitra amin’ ireo firenena manana lalàna iombonana, tahaka an'i Britaina sy i Amerika, tsy manana modely (tranga taloha) na didim-pitsarana taloha ny mpitsara Shinoa mba hojerena rehefa hanapa-kevitra amin'ny didim-pitsarana.

Manantena i Shina fa hanome rafi-dalàna mafy orina ho an'ny fiarahamoniny miisa 1,3 miliara mivoatra haingana  sy ny fifandirana miha-sarotra hatrany ny fehezan-dalàna sivily vaovao. Saingy ho an'ny sasany, sokajiana ho fitaovana hafa hifehezan'ny governemanta ny fehezan-dalàna vaovao:

这法 那法改来改去,一切都是为了制民!为了自身权力的稳固而己……只要对权力有利的,任何法都可以改,因为我们百姓没有选举权!

Ireo fanovana rehetra amin'ny lalàna dia natao hifehezana ny olom-pirenena! Mba ho mafy orina ny fahefana eo amin'ny fitondrana….azo ovaina ny lalàna rehetra rehefa hita fa tsara ho an'ny fitondrana satria tsy manan-jo hifidy [lalàna] isika!

谁有制定英雄的专利?又是政府?

Iza no manan-jo hamaritra ny atao hoe maherifo? Ny governemanta indray?

什么人才算是真正的英雄?什么样的行为属于抹黑?这些问题不解决这类法律条文注定会成为某些人大兴“文字狱”的借口和工具。

Iza no azo antsoina hoe maherifo? Inona no fihetsika azo faritana ho manala-baraka? Raha tsy voavaly ireo fanontaniana ireo, mety ho lasa fialan-tsiny sy fitaovana ho an'ny ambaratongam-pitsarana mpanadihady an-tsoratra ireo karazana fehezan-dalàna ireo.

Zava-dehibe ho an'ny maha ara-dalàna ny antoko ny fitantarana manome voninahitra ireo maherifo revolisionera.

Lei Feng [6] no ohatra malaza indrindra. Mbola miangana am-polo taonany maro taorian'ny fiovana ara-politika tao Shina ny endriny, amin'ny maha miaramila maodely azy. Nampiroboroboan'ny antoko i Lei sy ny «fanahiny tsy tia tena» sy ny «fahatokisany hiringiriny» an'i Mao lehiben'ny antoko.

Maro ireo manontany hoe nahoana i Lei izay saiky tsy mahay mamaky teny sy manoratra no afaka nanoratra diary marobe izay nankinina taminy. Ny hafa kosa nanontany ny fahamarinan'ny pikan-tsary nalain’ ireo mpaka sary matihanina, sary izay misy ain'i Lei manao asa soa, na dia miaramila tahaka ny hafa rehetra aza izy.

Ivelan'i Shina, manam-pahaizana marobe no nanatsoaka hevitra fa azo antoka fa namboamboarina ny tantaran'i Lei Feng.

Manoloana ny zava-misy, nokianin’ ilay [7] mpampianatra lalàna eny amin'ny oniversiten'i Beijing, He Weifang fa “tsy azo ekena” ny lalàna vaovao nandritra ny resadresaka tamin'ny gazety Wall Street tamin'ny herinandro lasa, ny antony hoy izy dia satria tsy ahitana fenitra ara-dalàna amin'ny famaritana izay atao hoe maherifo izany. Maro amin'ireo eo amin'ny sehatry ny lalàna no mitovy hevitra aminy.

Eny fa na dia talohan'ny fanaovana fanitsiana aza, dia efa maro reo raharaham-pitsarana nahitana “fanalam-baraka maherifo”.

Tamin'ny herintaona, nodidian'ny  [8]fitsarana Beijing mba hiala tsiny ampahibemaso ny tonian-dahatsoratry ny boky tantara, Hong Zhenkuai noho ny fanalam-baraka ireo maherifo anti-Japoney taorian'ny famoahany lahatsoratra roa mba hanontany ny tantaran'ny antoko momba ny “Maherifo Dimin'ny Tendrombohitra Langya».

Notsarovana tao anaty boky fianarana, tranombakoka, sary hosodoko sy tantara an-tsehatra ny tantara momba ny fandroahana nataon'ireo lehilahy dimy tamin’ ny tafika Japoney teny amin'ny fara-tampon'ny tendrombohitra ao amin'ny Farintany Hebei, nisafidy hamotika ny fitaovam-piadian'izy ireo sy hitsambikina toy izay hilavo lefona. Saingy milaza ny lahatsoratry ny tonian-dahatsoratra fa raha ny marina dia tsy maherifo araka ny naely izy ireo.

Raha novaina fa “fitsipihana ny zava-misy marina (nihilisma) ara-tantara” ny fanontaniana

Nopetahana anarana hoe “fampianarana hitsipaka ny zava-misy marina ara-tantara” ny fisisihan'i Hong hamantatra ny zava-misy ara-tantara ary nosokajian'ny antokon'ny fitondrana Fiarahamonin'i Shina (China Community Party) fa sehatr’ ady lehibe ara-potokevitra izany. Namoaka fanadihadiana momba ny “nihilisma ara-tantara” tao amin'ny oniversite am-polony tamin'ny Janoary 2017 [9] ny lahatsoratra navoakan'ny CCP, Red Flag-Saina Mena, ary namaritra ny fiantraikany ara-politika eo amin'ny lalan'ny sosialisma ao Shina:

一些针对革命领袖、民族英雄、爱国志士的恶搞“段子”、恶搞视频,就是历史虚无主义错误言论和历史观、价值观利用各种论坛、博客、微博、微信以及新型视频网站散播的。

Nihilisma ara-tantara ny tantara, ny lahatsary mamazivazy ireo mpitarika revolisiona, ny maherifon'ny firenena sy ny olo-malaza tia tanindrazana. Mampiely vaovao diso sy fomba fijery tsy marina ara-tantara amin'ny alalan'ny sehatra fifanakalozan-kevitra, bilaogy, Weibo, Wecaht sy seha-dahatsary izy ireo

历史虚无主义思潮在互联网上的传播和蔓延,致使一部分学生接受它的观点,甚至对正确历史观和正确价值观产生了怀疑;高校学术研究中普遍存在重学术轻是非的研究导向,导致师生缺乏辨别、判断历史虚无主义观点的标尺,更缺乏判断理论是非的引导。

Namitaka ny mpianatra amin'ny famantarana ny fahamarinan'ny lanja sy fomba fijery ara-tantara  ny fanapariahana ny nihilisma ara-tantara. Tamin'ny fikarohan'ireo akademisiana eny amin'ny oniversite, ny fanontanin'ireo akademisiana dia sady «marina no diso». Very hevitra ny mpampianatra sy ny mpianatra amin'ny nihilisma ara-tantara, ary tsy nahavita nampiavaka izay teoria marina;

Namintina ny lahatsoratra fa ireo izay mitsipaka ny fitantaran'ny Antoko Komonista dia “fitaovan'ny tandrefana ho fanohanana ny fanjakazakany manerantany”.

对历史虚无主义认同的人,同样比较认同新自由主义。研究苏联解体的历史不难发现,新自由主义与历史虚无主义往往同时在经济、政治、意识形态等多个领域相互影响,相互作用。从根本上看,这两种思潮具有相同的价值取向和政治立场,都是西方国家推行全球霸权战略的工具,它们分别从历史维度和现实维度否定中国共产党的领导,否定社会主义道路…

Ireo izay mikasa hiaraka amin'ny nihilisma ara-tantara, dia mikasa hiaraka amin'ny neoliberalisma. Araka ny hita tamin'ny fanadihadiana momba ny faharavan'ny URSS, manana fifandraisana akaiky amin'ny sehatra ara-toekarena, ara-politika sy ara-poto-kevitra ireo karazana firehan-kevitra roa ireo. Raha jerena ifotony, mitovy soatoavina sy fomba fijery ara-politika ireo sekoly roa momba ny eritreritra ary fitaovan'ny tandrefana ho fanohanana ny fiandrianany manerantany izy ireo. Mitsipaka ny fitarihan'ny PCC sy ny lalan'ny sosialisma izy ireo amin'ny fanovana ny tantara sy ny zava-misy marina …