Iray Amin'Ireo Sary Mahafinaritra Anehoan'ny Mpaka Sary Ny Hatsaran-tarehin'ny Fetibe Nentim-paharazan'i Trinidad Sy Tobago

Ny zava-mahagagan'ny Fetiben'i Trinidad sy Tobago: Ilay mpanamboatra fanovàna endrika nentim-paharazana, Tracey Sankar-Charleau sy ny zanany lahy Jude, vonona ho amin'ny fampisehoan'izy ireo ao amin'ny tokotaniben'i Adam Smith tamin'ny 23 Febroary 2017. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy

Zoma mahafinaritra ao Trinidad sy Tobago — ilay andro be voninahitra manamarika ny fanombohan'ny Fetiben'ny faran'ny herinandro — ary azo tsapain-tànana ny fientanampo. Mazava ho azy, tao anatin'ny endriky ny fetibe tsy nisy fiatoana ireo mpankafy ny fetibe,  nanomboka tamin'ny fiandohan'ny herinandro, rehefa injay i Machel Monday — angamba ny lehibe indrindra amin'ny fampisehoana amin'ny tetiandron'ilay Fetibe isan-taona — nandrotsirotsy ny kianjabem-pirenena izay hipoka olona tamin'ny toeram-pandihizana matanjaka nanangona mpanakanto mpiangaly soca. (Nampidoladola mpisera tety anaty aterineto maro izay toa tsy nandà fampitàna mivantana koa ilay hetsika)

Betsaka ary nisafidianana izay tsara isan-karazany ny mozika tao amin'ny Fetibe 2017 — ary nahasarika ny sain'ireo mpanatrika tia mandihy, hihodinkodina sy “hitsambikimbikina” amin'ny gadony manintona. Nefa raha ny soca no fitempon'ny fon'ny Fetiben'i Trinidad sy Tobago, ny “mas” (karazana fanovàna endrika) mihitsy no fony – sady madio no masiaka, ary feno hery.

Efa nandritra ny taona maro izao i Maria Nunes mpaka sarin'ny Fetibe no naka ny sarin'ilay hetsika. Manana fitiavana manokana ireo mpisehatry ny fanovàna endrika nentim-paharazana sy ny ezaka natao mba hitahirizana io endriky ny tantaran'ny fetiben-danonana io izy, hitahiry izany ao anaty fakàntsary amim-pomba feno fanajana sy fitiavana fatratra. Nohazavainy tao amin'ny pejy Facebook-ny:

Hahatsapa fahabangana lehibe aho raha tsy misy ny Fetibe. Ao amin'ny Fetibe no anovozako ny angovoko, ny hafanam-poko, ny aingam-panahiko mba hitetezako ireo andro manaraka sisa ao anatin'ny taona. Mampihira sy mampandihy ny fanahiko ireo andro vitsivitsy ireo. Ankasitrahako feno tanteraka [ireo] olona  […] izay manonofy famoronana mahafinaritra ary mamelona izany ho tonga tsara tarehy. Hazavana kely monja no ilaina mba handroahana ny haizina.

Manolotra fijery akaiky kokoa ireo sary tamin'ity taona ity ny fijery mahiratr'i Nunes. Tahaka ny hoe…. tena efa eo!

Haiady amin'ny alalan'ny hazo

Mpandray anjara iray amin'ny sava ranonandon'ny haiady amin'ny hazo, Moruga, Trinidad Atsimo. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Fomba amam-panao tranainy nandritra ny taonjato maro ny haiady amin'ny alalan'ny hazo (hatramin'ny andron'ny fanandevozana) izay ahitana lehilahy maromaro ao anaty “gayelles” (ringa) mifanandrina amin'ny alalan'ny hazo, arahin'ny antsa na hira (matetika amin'ny teny Patois) arahin'ny gadon'ny amponga Afrikana.

Ny sava ranonandon'ny haiady amin'ny hazo 2017 tao Moruga: Zangi avy amin'ny Bois Academy (ankavia) mifanandrina amin'i Chuffy avy amin'ny Rio Claro. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Ireo mpively amponga Molombo tamin'ny sava ranonandon'ny haiady amin'ny hazo 2017, Fihaonan-dàlan'i St Mary, Moruga. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Vahoaka maro no nitangorona hanatrika ady mangotraka, izay matetika, hiafara amin'ny fahatapahan'ny rantsam-batana — na mety fahafatesana mihintsy aza — ho an'ny iray amin'ireo mpifanandrina. Hankafy ny sata nentin'ny fandreseny ho azy izay mpandresy, izay hitondra vola be avy amin'ny fiarahamonina.

Mpijery iray tratra voasingotra tanatin'ny hetsika tamin'ny sava ranonandon'ny haiady amin'ny hazo tao Moruga, Trinidad. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Natsahatry ny manampahefana mpanjanaka ilay fomba amam-panao tamin'ny 1880 ho setrin'ny rotaka tany Canboulay,  fa naverina indray (narahin'ny fitsipika henjana) tamin'ny 1937. Isan-taona, ny rotaka tany Canboulay dia averina velomina sy tsaroana ho toy ny mariky ny fanoherana, hankalazàna ny hahatsiarovana ny sainà mpanohitra izay mamorona ny fototr'ilay fetibe.

Chuffy avy amin'ny ringan'i Rio Claro tamin'ny sava ranonandon'ny haidady amin'ny hazo tao Moruga. Chuffy no Mpanjakan'ny Ady tamin'ny 2015. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Fanovàna endrika nentim-paharazana

Mpandray anjara iray avy amin'ny fampisehoana nentin-drazana Moko Jumbie “Tadio ery An-tendron'ny Antsy” notontosain'ny tarika “Touch D Sky”, noforonin'i alan Vaughan. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Malalaka ary samy hafa ny fisafidianana ireo mpandray anjara izay mandrafitra ny fanovàna endrika nentin-drazana amin'ny ilay Fetibe ao Trinidad sy Tobago — burrokeets (akanjo izay maneho ireo mpitaingina ampondra), tantsambo sy Indiana mihaingo tsara, demony tsara tarehy (sy mampitahotra), ary mitohy ny lisitra. Naka sary ny sasany amin'ireo fotoana tsara indrindra tamin'ity taona ity, izay ahitana ny fampisehoan'ny reny iray sy ny zanany lahy ny sasany amin'ireo mpandray anjara mampitahotra: lagahoo (zava-boahary amin'ny angano mitovy amin'ny amboadia, nefa manana fahefana hiovaova endrika) ary douen iray (eninoana ho ny fanahy very an'ireo zaza tsy vita batisa izay mitodika any afara ny tongony).

Tracey Sankar-Charleau sy ny zanany lahy Jude mandritra ny fampisehoan'izy ireo an'i “Lagahoo” sy “Douen”. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Tracey Sankar-Charleau maneho an'i “Lagahoo”; sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana any fampiasana azy.

Mahazatra ihany koa ny akanjo ramanavy — matetika ahitana akanjo ho an'ny vatana, ary voaravaka sarondoha sy elatra mampitolagaga.  Matetika vita amin'ny taratasy novolavolaina ny sarondoha ary ny elatra namboarina tamin'ny alalan'ny fampiasana ny zavakanton'ny tariby naforiporitra ho an'ilay Fetibe, fa ny tena tsara amin'ny akanjon'ny ramanavy amin'ny ankapobeny dia ilay dihy mifanaraka aminy: ilay olona misalotra azy mihodinkodina, mandroso tampoka ary mampikopaka ilay elatra aminà andianà hetsika milamindamina mampitonàka izay manao toy ny ranamanavy manidina.

Rosemarie Paul manao sarinà ramanavy, “Inona no ataon'izy ireo amin'ny Fetibe-ko?” Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Manampy manao izay haha-zava-mahagaga kokoa ilay Fetiben'i Trinidad sy Tobago ireo Moko jumbies, ireo goavam-be, mpandihy amin'ny tongotra hazo avy amin'ny tontolo hafa izay maka ny fomba amam-panao Afrikana Tandrefana. Araka ny lovan-tsofina, ny haavon'ny tongotra hazo dia manome fahafahana ireo jumbies hanavaka ny ratsy haingana kokoa noho ny olombelona tsotra (na fara faharatsiny ireo fohy kokoa), noho izany endrika fiarovana no andraisana ilay anjara toerana lalaovina (personnage). Ireo mpandeha ambony tongotra hazo dia manao ny dihiny eo ambony tongotra hazo izay mahatratra 3 hatramin'ny 5 metatra, izay saronany amin'ny zipo lava na pataloha mibontsina, mba hanome endrika olona goavambe — fampisehoana mahafinaritra jerena izany.

Ireo Moko Jumbies “Touch D Sky” ao anatin'ny fampisehoan'izy ireo “Tadio ery an-tendron'ny antsy”. Notontosain'i Alan Vaughan; filohan'ny tarika, Adrian Young; Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Vehivavy mpandihy eny ambony tongotra hazo ao anatin'ny fitafiany Moko Jumbie; sary avy amin'i Maroa Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Fampisehoan'ny Moko Jumbie “Touch D Sky” taona 2017, “Tadio ery an-tendron'ny Antsy”; sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Tsy misy fanovàna endrika nentim-paharazana feno raha tsy misy endrika demony. Ny fitafin'ny “demony tsara tarehy” dia notsoahina avy amin'ny fitafian'ny irakiraky ny mpanjaka tany amin'ny Fahagola, fa nivoatra tamin'ny fomba samy hafa izany.  Na izany aza,  matetika famantarana misy ny lamba miloko marevaka, lakolosy, kiririoka — ary mazava ho azy, tandroka izay mety amboarina avy aminà tariby ary saronana lamba. Mitondra rambo tariby sy tandroka ary fikororohana ny Jab Molassie safiotra misy ny fitambaran'ny fanovana endrika ara-panatanjahantenan'ny demony; miravaka rojo, fanalahidy ary akanjo tsy misy dikany hafa koa ilay mpanova endrika, ary mandrakotra ny tenany manontolo amin'ny loko, menaka na fotaka. Matetika ny Jab “manao fety” (mihodinkodika amim-pomba mahalasa fisainana) amin'ny gadona mihetsiketsika lalaovin'ireo olona fonentana (lutins)  amin'ny kipantsona, ny sasany amin'ireo olona fonentana koa mitazona ny rojon'ilay demony, miezaka mitazona azy, raha iny izy mandihy toy ny adala ao anatin'ilay anjara toerana lalaoviny iny.

Ricardo Felicien tao amin'ny fampisehoana “Jab Molassie” 2017; sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Eny, nivoha tamin'io Zoma Mahafinaritra io ny varavaran'ny Fetibe 2017 tany Trinidad sy Tobago — na araka izay ametrahan'i Maria Nunes azy, “Eto anivontsika ny Fetibe. Misaora ireo mampamiratra ny fahazavany ao anatin'ny haizina.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.