- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fiainana ao amin'ny Tobin'ny Boka Ao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tsidika
[1]

St. Joseph Cotto Legnos Mpampialoka Boka any  atsimon'ny fanjakana Shan. Sary: Pyay Kyaw/The Irrawaddy

Tao amin'ny The Irrawaddy, vohikalam-baovao tsy miankina iray ao Myanmar,  ity lahatsoratra [1] avy amin'i Pyay Kyaw ity ary navoakan'ny Global Voices indray izay tafiditra ao anatin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Naorin'ny pretra Italiana 70 taona lasa izay, any amin'ny kilaometatra maro miala amin'ny tanàndehiben'ny Loilen any amin'ny faritra atsimon'ny Fanjakana Shan ny St. Joseph Cotto Legnos Toby mpampialoka Boka izay fantatra ao an-toerana ho Toeram-pialofan'ny Boka Hohkai ary lasa fialofan'ny olona boka miisa 90 manerana an'i Myanmar ankehitriny .

Manomboka amin'ny 13 taona ka hatramin'ny 80 taona mahery ireo marary ary matetika mijaly noho ny kileman'ny rantsambatana vokatry ny aretina ary karakarain'ireo pretra.

Mirona any amin'ny fambolena sy ny fiompiana ireo ao amin'ny toeram-pialofana, kanefa  lavin'ny tsena ao an-toerana ny vokatr'izy ireo noho ny fanilikilihana vokatry ny aretina.

Tsy mikasa ny hiverina any amin'ny fianakaviany intsony ny ankamaroan'ireo marary, fa manankina ny manjo azy amin'Andriamanitra sisa.

Nilaza toy izany ny marary iray antsoina hoe Maya, fa hijanona ao amin'ny toeram-pialofana izy mandra-pahafatiny. Tsaroany ny nanerena azy hipetraka ao amin'ny toeram-pandevenana ao an-tanàndehibe noho ny aretina ary mody an-tsokosoko indray rehefa tonga ny alina mba hahita ny fianakaviany .

Tsy mandray fanohanana ara-bola avy amin'ny governemanta ny toeram-pialofana fa miantehitra amin'ny fanomezana avy amin'ny firenena hafa na dia eo aza ny fanampiana izay nomeny ireo olona tratran'ny aretina .

Efa nanangana toerana ao amin'ny tanànakely dimy ho an'ireo mararin'ny habokana izay tsy maniry ny hipetraka ao amin'ny toeram-pialofana  ireo pretra ary mampialoka olona hatramin'ny 300 izany.

Tamin'ny taona 2003, nanambara ny governemanta fa efa nahatratra ny tanjona voalohany famongorana ny habokana tamin'ny alàlan'ny fampihenana ny trangan'ny aretina latsaka isaky ny olona miisa 10.000 izy ireo.

Na dia nihena aza ny isan'ny tranga vaovao ao Myanmar nandritra ny 10 taona farany, dia mbola misy trangan'aretina miisa  2.877 tamin'ny taona 2014, ary miisa 2.571 tamin'ny taona 2015, araka ny nolazain'ny Hopitaliben'i Rangoon .

Ireto ambany ireto ny sary sasany izay mampiseho ny fiainan'ireo mipetraka isan'andro ao amin'ny toeram-pampialofan'ny boka ;

[1]

Isaky ny amin'ny 6 maraina, mivavaka ao amin'ny fiangonana  ireo marary—maro amin'izy ireo no marefo. Sary sy fanazavana: Pyay Kyaw / The Irrawaddy

[1]

Mahandro sakafo ho an'ireo marary namany marefo ireo marary matanjaka kokoa. Sary sy fanazavana: Pyay Kyaw / The Irrawaddy

[1]

Mirona amin'ny fambolena sy fiompiana ireo ao amin'ny toeram-pialofana, kanefa lavin'ny tsena ao an-toerana ny vokatr'izy ireo noho ny fanilikilihana noho ny aretina. Sary sy fanazavana: Pyay Kyaw / The Irrawaddy

[1]

Ny fambolena sy fiompiana ao amin'ny toeram-pialofana . Sary: Pyay Kyaw / The Irrawaddy

[1]

Ireo izay afaka miasa any amin'ny toeram-piompiana na any anaty ala dia mody any amin'ny foibe amin'ny hariva maka aina . Sary sy fanazavana: Pyay Kyaw / The Irrawaddy

[1]

Ny fandroana ao amin'ny toeram-pialofana . Sary Pyay Kyaw / The Irrawaddy

[1]

Ny fanao mahazatra isaky ny hariva ao amin'ny toeram-pialofana . Sary: Pyay Kyaw / The Irrawaddy