Nidera an'i Saidy Brown, vehivavy Afrikana Tatsimo 22 taona, ireo mpisera aterineto manerana izao tontolo izao , izay nampiasa ny Twitter tamin'ny volana lasa mba amoahany [1] fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy.
Niaina ny tsimok'aretina nandritra ny fiainany iray manontolo i Brown, araka ny filazan'ireo ray aman-dreniny, kanefa efa ho zatovo izy vao nahafantatra fa teraka niaraka tamin'ilay aretina.
Tamin'ny volana lasa, nanapa-kevitra ny hamoaka ny tantaram-pahavelomany ampahibemaso izy raha nandefa sioka hoe:
When I found out at 14 that I was HIV positive, I didn't think I would live to see 18,I am turning 22 this year. ❤❤ pic.twitter.com/drZDVCorPK [2]
— Saidy Brown (@saidy_brown) February 24, 2017 [3]
Rehefa nahafantatra aho teo amin'ny faha 14 taonako fa mitondra ny tsimok'aretina VIH, dia tsy nihevitra ny ahatratra ny faha 18 taona, handray 22 taona aho izao amin'ity taona ity. ❤❤
Ao Afrika Atsimo no foiben'ny tsimok'aretina VIH eto amin'izao tontolo izao araka ny Avert, [4] izay fikambanana mpanao asa soa miasa amin'ny fisorohana ny fihanaky ny VIH. Roa taona lasa izay, nisy tranga fifindran'ny aretina VIH vaovao miisa 380.000 tao amin'ny firenena, izay efa ahitana mponina voan'ny SIDA miisa 7 tapitrisa. Olona hatramin'ny 180.000 ao Afrika Atsimo no matin'ny aretina SIDA tamin'ny taona 2015 .
Nilaza ny Orina Mpanasoa mikarakara ny SIDA ao Afrika Atsimo fa mihanaka ny VIH ao an-toerana noho ny [5] fahantrana, ny tsy fitoviana, ny korontana ara-tsosialy, ny firaisana ara-nofo tsy voaaro miely patrana, ny satan'ny vehivavy ambany , ny herisetra ara-nofo, ny asa mifindrafindra monina, ny fitsaboana voafetra sy tsy mitovy, ary ny fitantanana ratsy manoloana ny valan'aretina.
Nahita [6] ny fanadihadiana [7] antsoina hoe “Ny Tondro Fanilikilihan'Ireo Olona Miaina miaraka amin'ny VIH Ao Afrika Atsimo,” izay novitain'ny Vaomieran'ny Fikarohana ny Siansan'Olombelona fa miaina fanilikilihana avy amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ny olona iray amin'ny telo miaina miaraka amin'ny VIH ary voahilikilika kokoa [8] mihoatra [8] ny lehilahy ny vehivavy .
Tsy mahagaga àry raha nahazo dera avy amin'ny mpisera Twitter maro ny herimpon'i Brown nanokatra ny mikasika azy tao amin'ny media sosialy. Nanoro hevitra mihitsy aza ny mpisera Twitter iray, “Wako Joel,” fa tokony atao ambasadaoron'i Afrika amin'ny resaka VIH / SIDA izy:
OPINION: I think @saidy_brown [9] a #SouthAfrican [10] should be made #Africa [11]‘s ambassador for #HIV_AIDS [12] to deliver speeches at international level.
— Wako Joel (@wakojoel) March 3, 2017 [13]
HEVITRO: Mihevitra aho fa tokony hatao ambasadaoron'ny # Afrika amin'ny resaka #VIH_SIDA [12] ilay #AfrikanaTatsimo [10] @saidy_brown [9] mba hanao kabary amin'ny sehatra iraisampirenena.
Nilaza ilay mpanakanto Ogandey , Gitts Beats, fa tokony ho ohatra ho an'ny hafa ny herimpon'i Brown:
Sometimes We need to be original in everythin nd feel free 2 speak out our minds, If @saidy_brown [9] said it yesterday then u can say it today pic.twitter.com/p3JPzH0Z3u [14]
— GittsBeats (@gitts_beats) February 27, 2017 [15]
Tokony ho miavaka isika indraindray amin'ny zava-drehetra ary tsy misalasala ny milaza izay ao an-tsaintsika, raha nilaza izany i @saidy_brown omaly dia afaka milaza izany ianao anio
Nanoratra i Sibusiso Msesiwe hoe:
@saidy_brown [9] Just read your article.In tears as I'm burying my 2nd cousin due to the virus.
I'm so proud of you.
Keep rising.
Love you tons!— Sibusiso Msesiwe (@SMsesiwe) March 2, 2017 [16]
@saidy_brown avy namaky ny lahatsoratrao aho. Nitomany aho satria vao avy nandevina ny fianakaviako noho ny SIDA.
Midera anao aho .
Mitrakà hatrany.
Tiako loatra ianao!
Nisaotra an'i Brown noho ny herimpony i Della Rovere:
@saidy_brown [9] you're my idol, girl!!! You're so amazing and powerful!!! Thank you for this lesson about life
— Della Rovere (@davies_kraft) March 3, 2017 [17]
@saidy_brown [9] ianao akia no sampiko !!! Mahatalanjona sy mahery ianao !!! Misaotra anao noho ity anatra momba ny fiainana ity
Tompon-daka amin'ireo olona miaina miaraka amin'ny VIH i Brown hoy i Mark Gamanya tamin'ny alalan'ny fanampiana ny hanova ny fomba fijerin'ny vahoaka momba ny aretina:
@saidy_brown [9] no one is immune to HIV/AIDS you're a champion to those who live with the stigma, keep on educating to those who are clueless
— Mark Gamanya (@markgamanya) March 3, 2017 [18]
@saidy_brown, tsy misy afa-bela amin'ny VIH/SIDA, ianao no tompon-daka amin ‘ireo izay miaina fanilikilihana, ataovy hatrany ny fanabeazana ho an’ ireo izay tsy mahafantatra.
Tsapa manerana izao tontolo izao ny fiantraikan'ny aingam-panahy avy amin'ny lahatsoratr'i Brown :
@saidy_brown [9] I read your story on the BBC website.
You must be an amazing human being!
I wish you much peace, health and success. ?????— Tiago Freitas (@_tifreitas) March 2, 2017 [19]
@saidy_brown [9] namaky ny tantaranao tao amin'ny tranonkala BBC aho .
Mety ho tena olombelona mahagaga ianao!
Mirary fiadanana, fahasalamana sy fahombiazana ho anao aho. ?????
Raha manana olana ianao amin'ny faminavinana ny fanilikilihana atrehin'ireo mararin'ny VIH any Afrika Atsimo, dia saino izao fanontaniana manaraka izao izay napetraky ny mpisera Twitter iray tsy fantatra anarana tamin'i Brown :
@saidy_brown [9] if you became HIV positive in a carnal way, were you going to be as brave as you are?
— Scotch (@MMaenza1) March 3, 2017 [20]
@saidy_brown [9] raha lasa mitondra ny tsimok'aretina VIH ianao noho ny firaisana ara-nofo, moa ve ianao maherifo tahaka izao ihany?
Ary avy eo, mba jereo kely ny valin-teniny:
Yes. Does how a person got infected matter? I mean HIV is HIV. https://t.co/DSthQSYPja [21]
— Saidy Brown (@saidy_brown) March 3, 2017 [22]
Eny. Ka mampaninona moa izay fomba nahavoa ilay olona? Rehefa VIH dia VIH.
Eny tokoa, mpisera Twitter iray monja no niadihevitra tamin'ny fanontaniana lôjikan'i MMaenza1 :
I am sorry @MMaenza1 [23] but how is your question going to help the global #HIV [24] problem? I agree with @saidy_brown [9] does how you got it matter?
— Hondred Percent (@hondredpercent) March 3, 2017 [25]
Miala tsiny aho ry @MMaenza1 [23] fa ahoana moa no fomba hanampian'ny fanontanianao ny olan'ny #VIH [24] manerantany ? Miombon-kevitra amin'i @saidy_brown [9] aho moa maninona izay fomba nahazoana azy?
Nanao izao fanamarihana manaraka izao i Michael Très avy any Etazonia:
@Nala_RSA [26] @saidy_brown [9] God bless you ! I think we are trying to let the world know that there is STILL life even in the darkest situations!
— Michael Très (@mtrestates) March 2, 2017 [27]
@Nala_RSA [26] @saidy_brown [9] Andriamanitra anie hitahy anao! Mihevitra aho fa miezaka isika ny hampahafantatra an'izao tontolo izao fa MBOLA misy ny fahavelomana na dia ao anatin'ny toe-javatra maizina indrindra aza!