Nanapa-kevitra Ny Tsy Hiafina Intsony Ny Tovovavy Afrikana Tatsimo Iray Mitondra Ny Tsimok'Aretina VIH

Saidy Brown, vehivavy Afrikana Tatsimo 22 taona nanambara fa voan'ny SIDA izy tao amin'ny Twitter. Sary: Twitter

Nidera an'i Saidy Brown, vehivavy Afrikana Tatsimo 22 taona, ireo mpisera aterineto manerana izao tontolo izao , izay nampiasa ny Twitter tamin'ny volana lasa mba amoahany fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy.

Niaina ny tsimok'aretina nandritra ny fiainany iray manontolo i Brown, araka ny filazan'ireo ray aman-dreniny, kanefa efa ho zatovo izy vao nahafantatra fa teraka niaraka tamin'ilay aretina.

Tamin'ny volana lasa, nanapa-kevitra ny hamoaka ny tantaram-pahavelomany ampahibemaso izy raha nandefa sioka hoe:

Rehefa nahafantatra aho teo amin'ny faha 14 taonako fa mitondra ny tsimok'aretina VIH, dia tsy nihevitra ny ahatratra ny faha 18 taona, handray  22 taona aho izao amin'ity taona ity. ❤❤

Ao Afrika Atsimo no foiben'ny tsimok'aretina VIH eto amin'izao tontolo izao araka ny Avert, izay fikambanana mpanao asa soa miasa amin'ny fisorohana ny fihanaky ny VIH. Roa taona lasa izay, nisy tranga fifindran'ny aretina VIH vaovao miisa 380.000 tao amin'ny firenena, izay efa ahitana mponina voan'ny SIDA miisa 7 tapitrisa. Olona hatramin'ny 180.000 ao Afrika Atsimo no matin'ny aretina SIDA tamin'ny taona 2015 .

Nilaza  ny Orina Mpanasoa mikarakara ny SIDA ao Afrika Atsimo fa mihanaka ny VIH ao an-toerana noho ny fahantrana, ny tsy fitoviana,  ny korontana ara-tsosialy, ny firaisana ara-nofo tsy voaaro miely patrana, ny satan'ny vehivavy ambany , ny herisetra ara-nofo, ny asa mifindrafindra monina, ny fitsaboana voafetra sy tsy mitovy, ary ny  fitantanana ratsy manoloana ny valan'aretina.

Nahita ny fanadihadiana antsoina hoe “Ny Tondro Fanilikilihan'Ireo Olona Miaina miaraka amin'ny VIH Ao Afrika Atsimo,” izay novitain'ny Vaomieran'ny Fikarohana ny Siansan'Olombelona fa miaina fanilikilihana avy amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ny olona iray amin'ny telo miaina miaraka amin'ny VIH ary voahilikilika kokoa mihoatra ny lehilahy ny vehivavy .

Tsy mahagaga àry raha nahazo dera avy amin'ny mpisera Twitter maro ny herimpon'i Brown nanokatra ny mikasika azy tao amin'ny media sosialy. Nanoro hevitra mihitsy aza ny mpisera Twitter iray, “Wako Joel,”  fa tokony atao ambasadaoron'i Afrika amin'ny resaka VIH / SIDA izy:

HEVITRO: Mihevitra aho fa  tokony hatao ambasadaoron'ny  # Afrika amin'ny resaka #VIH_SIDA ilay #AfrikanaTatsimo @saidy_brown mba hanao kabary amin'ny sehatra iraisampirenena.

Nilaza ilay mpanakanto Ogandey , Gitts Beats, fa tokony ho ohatra ho an'ny hafa ny herimpon'i Brown:

Tokony ho miavaka isika indraindray amin'ny zava-drehetra ary tsy misalasala ny milaza izay ao an-tsaintsika, raha nilaza izany i @saidy_brown omaly dia afaka milaza izany ianao anio

Nanoratra i Sibusiso Msesiwe hoe:

@saidy_brown avy namaky ny lahatsoratrao aho. Nitomany aho satria vao avy nandevina ny fianakaviako noho ny SIDA.
Midera anao aho .
Mitrakà hatrany.
Tiako loatra ianao!

Nisaotra an'i Brown noho ny herimpony i Della Rovere:

@saidy_brown ianao akia no sampiko !!! Mahatalanjona sy mahery ianao !!! Misaotra anao noho ity anatra momba ny fiainana ity

Tompon-daka amin'ireo olona miaina miaraka amin'ny VIH i Brown hoy i Mark Gamanya  tamin'ny alalan'ny fanampiana ny hanova ny fomba fijerin'ny vahoaka momba ny aretina:

@saidy_brown, tsy misy afa-bela amin'ny VIH/SIDA, ianao no tompon-daka amin ‘ireo izay miaina fanilikilihana, ataovy hatrany ny fanabeazana ho an’ ireo izay tsy mahafantatra.

Tsapa manerana izao tontolo izao ny fiantraikan'ny aingam-panahy avy amin'ny lahatsoratr'i Brown :

@saidy_brown namaky ny tantaranao tao amin'ny tranonkala BBC aho .
Mety ho tena olombelona mahagaga ianao!
Mirary fiadanana, fahasalamana sy fahombiazana ho anao aho. ?????

Raha manana olana ianao amin'ny faminavinana ny fanilikilihana atrehin'ireo mararin'ny VIH any Afrika Atsimo, dia saino izao fanontaniana manaraka izao izay napetraky ny mpisera Twitter iray  tsy fantatra anarana tamin'i Brown :

@saidy_brown raha lasa mitondra ny tsimok'aretina VIH ianao noho ny firaisana ara-nofo, moa ve ianao maherifo tahaka izao ihany?

Ary avy eo, mba jereo kely ny valin-teniny:

Eny. Ka mampaninona moa izay fomba nahavoa ilay olona? Rehefa VIH dia VIH.

Eny tokoa, mpisera Twitter iray monja no niadihevitra tamin'ny fanontaniana lôjikan'i MMaenza1 :

Miala tsiny aho ry @MMaenza1 fa ahoana moa no fomba hanampian'ny fanontanianao ny olan'ny #VIH manerantany ? Miombon-kevitra amin'i @saidy_brown aho moa maninona izay fomba nahazoana azy?

Nanao izao fanamarihana manaraka izao i Michael Très avy any Etazonia:

@Nala_RSA @saidy_brown Andriamanitra anie hitahy anao! Mihevitra aho fa miezaka isika ny hampahafantatra an'izao tontolo izao fa MBOLA misy ny fahavelomana na dia ao anatin'ny toe-javatra maizina indrindra aza!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.