- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Endrika 12 Ny Vehivavy Ogandey

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Vehivavy Ogandey te ho tsara tarehy sy hilamina miaraka amin'ny zavaboary. Sary avy amin'i Spencer Montero, nahazoana alalana.

Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, 8 Martsa 2017, nitantana fanentanana mampiseho ny endrika isan-karazan'ny vehivavy Ongadey ny This is Uganda (Ongada ity) [2]. Mampiasa ny tenirohy #SheRunsUg [3], nampiseho sary miisa 87 ahitana topi-maso ny fomba fiainan'ny vehivavy Ongandey andavanandro.

Ny This is Uganda [4]dia sehatra ho an’ ireo mpanoratra manalentana avy ao Oganda izay vonona hilaza tantara momba an'i Oganda sy ny Ogandey, natao hanaisotra ny fitsarana an-tendrony manerantany izay manamaloka ny tantaran'ny firenena.

Araka ny fanisam-bahoaka taona 2014 [5] avy amin'ny Biraon'ny Antontanisa Oganda, ny vehivavy no mandrafitra ny 51% n'ny mponina ao amin'ny firenena manontolo raha latsaky ny atsasaky ny fitambaran'ny mponina mpiasa kosa ny lehilahy.

Ireto sasany amin'ireo sary naseho tao amin'ny Twitter ho fankalazana ny vehivavy ao Oganda:

Ny manahirana andavanandro:

Ity ny vehivavy Ogandey. 22

Ireo izay mihantsy ny fitsarana an-tendrony:

Ity ny vehivavy Ogandey. 23

Ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fahasalamana:

Ity ny vehivavy Ogandey. 18  (Sary avy amin'i @phionap [11])

Rebecca Kadaga no Mpitondrateny ao amin'ny Antenimiera amin'izao fotoana izao. Nandrava ny sakana izy rehefa lasa vehivavy voalohany Filohan'ny Parlemanta izy tamin'ny Mey 2011.

Ity ny vehivavy Ogandey. 4

Phionah Mutesi [16], izay teraka tao amin'ny faribohitry ny mahantra lehibe indrindra ao Oganda no lasa tompon-dakan'ny lalao “echec” voalohany tao Oganda. Lohahevitry ny sarimihetsika Hollywood,  “The Queen of Katwe” [17] ny tantarany,

Ity ny vehivavy Ogandey. 7

Mpampianatra.

Ity ny vehivavy Ogandey. 29

Renim-pianakaviana:

Ity vehivavy Ogndey. 39 (Sary avy amin'i Seyhan Arik)

Ity vehivavy Ogandey. 44 (Sary avy amin'ny y p.a.c.e onlus)

Polisy manamboninahitra:

Ity vehivavy Ogandey. 50 (Sary avy amin'i Kibuubi Media)

Tovovavy:

Ity vehivavy Ogandey. 42 (Sary avy amin'i Prossy Babirye)

Te ho tsara tarehy fotsiny izy:

Ity vehivavy Ogandey. 37 (Sary avy amin'i Spencer Montero)

Ary farany, vehivavy manandratra ambony ny sainam-pirenena Ogandey

Ity vehivavy Ogandey. 1