
Mpaka sary ao Tehran Fatemeh Behboudi nahazo sary ny fankalazana ny Chaharshanbeh Suri teo an-dalamben'ny Tehran tamin'ny 16 Martsa 2016. Jereo ny sary maro hafa ao amin'ny pejiny Instagram .
Manaporofo ny fetiben'ny afo Iraniana fahiny izay fantatra amin'ny anarana hoe Chaharshanbe Suri, fa tena marina tokoa ny voalazan’ i Donald Trump, na dia tsy nahy aza no niampangany an'Iran ho “milalao afo” tamin'ny volana lasa.
Tany am-piandohan'ny volana Febroary, nandefa sioka feno fandrangitana vitsivitsy momba an'Iran ny Filoha Amerikana Trump, taorian'ny namoahany didim-panjakana mandrara ny olom-pirenena Iraniana (ankoatra ireo hafa) amin'ny fandehanana any Etazonia.
Iran is playing with fire – they don't appreciate how “kind” President Obama was to them. Not me!
— Donald J. Trump (@realDonaldTrump) February 3, 2017
Milalao afo i Iran – tsy nahay nankasitraka ny “hatsaram-panahin'” ny Filoha Obama izy ireo. Fa tsy izaho!
Nitsikera ny politikan'ny fifanatonana tamin'i Iran nataon'ny Filoha teo aloha Barack Obama i Trump, izay nahatonga ny fifanarahana momba ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny fanafoanana ny sazin'Iran maromaro.
Tamin'ny faran'ny volana Janoary, nanomboka ny andrana fitifirana balafomanga i Iran izay tonga hatrany amin'ny 900 kilaometatra, toa hitsapana ny tenin'ny Filoha Trump tamin'ny fampanantenana ny fifanarahana nokleary amin'ny Iraniana izany, izay manome fahafahana ho an'Iran hanao andrana fitifirana balafomanga .
Iran has been formally PUT ON NOTICE for firing a ballistic missile.Should have been thankful for the terrible deal the U.S. made with them!
— Donald J. Trump (@realDonaldTrump) February 2, 2017
NAHAZO FAMPITANDREMANA tamin'ny fitifirana balafomanga mahery vaika i Iran. Tokony nankasitraka noho ny fifanarahana mampatahotra nataon'ny Etazonia niaraka taminy!
An-tserasera, nahafaly ireo maro mahafantatra tsara ny Chaharshanbe Suri, ilay “Fetiben'ny Afo Persianina,” ny fampiasan'i Trump ny teny hoe “milalao afo”, izay fomba nentim-paharazana Iraniana hankalazaina ny alin'ny Alarobia alohan'ny taombaovao Iraniana .
Trump is wrong about Iran playing with fire, Chaharshanbe Suri isn't until March. ? ??
— Alkaline Trejo (@alkalinetrejo) February 3, 2017
Tsy marina ny filazan'iTrump momba an'i Iran milalao afo, tsy alohan'ny volana Martsa. ? ?? ny Chaharshanbe Suri.
@realDonaldTrump hey mothafucker do you know chaharshanbe suri?
We don't play , we jump it.— × گنگستر بنگ گستر × (@EmiroSharif) February 3, 2017
@realDonaldTrump ilay tsivanona ity, fantatrao ve ny chaharshanbe Suri?
Tsy milalao izahay fa mitsambikina azy.
For once in your life you tweeted the truth! We DO play with fire! It's called Chaharshanbe Suri & it's a beautiful ancient tradition. ? ?? https://t.co/Np6WmClBG4
— تینا (@tinahassannia) February 4, 2017
Mba indray mandeha teo amin'ny fiainanao ianao no nisioka marina! MILALAO afo tokoa izahay ! izany no atao hoe Chaharshanbe Suri ary fomban-drazana mahafinaritra fahiny. ? ??
Manomboka amin'ny fiandohan'ny lohataona ny fanisanandro Iraniana any amin'ny Ilabolantany Avaratra, tamin'ny 21 Martsa. Manomboka ny harivan'ny Alarobia farany amin'ny taona kosa ny fankalazana ny Taombaovao, izay ahitana ny olona mandrehitra afo sy mitsambikina eo ambonin'ny afo, ary mandefa afomanga.
Rehefa mitsambikina eo ambonin'ny afo ireo olona mifety dia hoy izy ireo hoe:
زردی من از تو ک سرخي تو از من
Alaivo ny mavomavoko, omeo ahy ny menanao.