
Ny Sekretera-panjakana Kerry Mihaino ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Tiorka Cavusoglu Miresaka Amin'ny Mpanao Gazety ao Washington. Sary avy amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana nozaraina tao amin'ny kaonty ofisialy Flickr. Sehatra ho an'ny daholobe.
Nandrava ny fifandraisan'i Torkia sy Holandy mpiara-dia aminy ao amin'ny Otan ny fifanandrinana hafahafa ara-diplomatika izay nihamafy noho ny fandrahonana fanomezan-tsazy sy fepetra hafa ary nanome vahana ireo firesaka nasionalista tao amin'ny firenena roa tonta.
Nahatonga ny disadisa ny fanakanana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Torkia Mevlut Cavusoglu tsy hipetraka tao Holandy tamin'ny 11 Martsa ary nentin'ny manampahefana holandey tany amin'ny sisintanin'i Alemaina ny ampitson'iny i Fatma Betul Sayan Kaya, minisitra Tiorka misahana ny fianakaviana raha nikasa hanatrika ny famoriam-bahoaka teo ivelan'ny masoivohon'ny Torkia ao amin'ny tanàndehibe Holandey ao Rotterdam ny roa tonta.
Samy efa nanam-pikasana ny hiresaka amin'ny olom-pirenena Tiorka teo ivelan'ny masoivoho ao an-tanàndehibe izay manana mponina dimy hetsy mahery, momba ny foto-kevitry ny fitsapakevibahoaka hizotra atsy ho atsy ao amin'ny firenena i Cavusoglu sy i Kaya. Manana ben'ny tanàna Miozolomana i Rotterdam izay malaza ho tanànan'ny mpifindra monina ary manana fiaviana Tiorka ny valo isan-jaton'ny mponina ao .
Tsy nampoizina, nanakana ny minisitra roa tonta ny manampahefana holandey tamin'ny fitsidihany tsy nahazoana alàlana ary avy eo nanaparitaka ny vahoaka maro tamin'ny alàlan'ny tifi-drano sy ny alikan'ny polisy. Notorahan'ny andian'olona vera sy vato ireo polisy araka ny nanatri-maso.
Nibahana tamin'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny Twitter ny maha mety na tsia ny fikasan'ny governemanta Tiorka hanao famoriam-bahoaka izay mifandray amin'ny politikany manokana any amin'ny firenen-kafa sy ny valiny mavesatra avy amin'ny governemanta holandey mikasika ny toe-draharah . Toy izany koa, izay efa nampoizina, ny toetry ny Filoha Torkia Recep Tayiip Erdogan izay nahatonga adihevitra tamin'ny filazany ny governemanta Holandey ho “sisa tavela amin'ny Nazi” sy ny fandrahonany hanome sazy.
Nanambatambatra amin'ny antsipiriany ireo sangy ratsy tsy nahomby mifanesy mahaliana amin'ny teny anglisy ilay mpandalina Tiorka Aaron Stein tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny “governemanta X” rehefa miresaka Holandy ary “governemanta Y” eo amin'ny toeran'i Tiorkia.
Misy fiantraikany ny asa atao rehetra
Erdogan, izay azo iadian-kevitra fa mpanao politika Tiorka matanjaka indrindra tao amin'ny firenena hatramin'ny nahafatesan'i Kemal Attaturk mpanorina an'i Tiorkia Moderina teo am-perinasa tamin'ny taona 1938, no tena mahazo tombontsoa betsaka amin'ny fanitsiana ny lalàmpanorenana izay atao amin'ny fitsapakevibahoaka amin'ny volana ambony.
Raha toa ka hahomby ny fanovana izay mety hanamafy ny toerany dia manan-danja avokoa ny isam-bato rehetra, anisan'izany ny an'ireo Tiorka monina sy miasa any Eoropa, izay manazava ny antony manosika ny mpikambana ao amin'ny governemanta miezaka saingy tsy mahomby amin'ny fitsidihana ireo tanàndehibe manana mponina Tiorka maro eo amin'ny kaontinanta sy maniaka fanohanana. Ankoatra an'i Holandy, nanafoana ny famoriam-bahoaka izay manohana ny fifidianana Eny ihany koa i Aotrisy sy Soisa, ary nilaza fa tsy ankasitrahan'izy ireo ny famelana ny fireneny ho lasa fitaovana fanomanana fampielezan-kevitra ara-politika ho an'ny governemanta vahiny.
Vao maika nanome vahana ny hery nasionalista an'i Erdogan ny fihetsiky ny Holandey nanoloana ny ezaka famoriam-bahoaka farany, araka ny hita amin'ny sioka nataon'ny mpanohana azy sy ny topimaso tao amin'ny pejy voalohan'ny gazety mpomba ny governemanta.
These are cowards, fascist, and nazi remnants. #WeallERDOGANagainstNAZIS pic.twitter.com/qLfnAohWrS
— Evet Emir (@emirbereket) March 12, 2017
Ireo no sisa amin'ny kanosa, fasista, ary Nazi.
This is what's called “ramming home the message”. #Turkish press following editorial orders as crisis with #Netherlands and others deepens pic.twitter.com/vNlxXx0yp8
— Mark Lowen (@marklowen) March 12, 2017
Izao no antsoina hoe “manakorontana ny hafatra”. Manaraka ny baikon'ny famoahan-dahatsoratra ny gazety #Tiorka kanefa vao mainka miha-lalina ny krizy manoloana an'i #Holandy sy ny hafa
I would like to offer the Dutch government my heartfelt thanks for doing so much for the “Yes” referendum campaign. #TulipCrisis
— Has Avrat (@hasavrat) March 11, 2017
Te hanolotra ny governemanta Holandey fisaorana eram-po aho noho ny ezaka be dia be ho an'ny fanentanana ny “Eny” amin'ny fitsapakevibahoaka .
Toa fanomezana tsara ho an'i Geert Wilders mpanao politika holandey mpanohitra avy amin'ny elatra havana ihany koa izany amin'izao alohan'ny fifidianana izay ho fantatra amin'ny 16 Martsa izao ny valiny. Naminavina ny sasany fa nihetsika manoloana ny famoriam-bahoaka ny governemanta mba hanatanterahana ny fanirian'ny nasionalista izay manosika an'i Wilders ho any akaikin'ny fandresena.
Go away and never come back @drbetulsayan and take all your Turkish fans from The Netherlands with you please. #byebye https://t.co/FLKFNX2XGm
— Geert Wilders (@geertwilderspvv) March 11, 2017
Mandehana ary aza miverina intsony @drbetulsayan ary ento miaraka aminareo any avokoa ireo mpankafy anareo Tiorka eto Holandy azafady.
Ary ambonin'izany, na izany aza, fotoana mampahatahotra izao ho an'ny Miozolomana vitsy an'isa any Eoropa satria efa lasa anton'ady amin'ny fifanolanana misy eo amin'i Ankara sy ny Tandrefana ireo vahoaka mpifindra monina.
#tulipcrisis is a never ending series of ?'s but with real human consequences in a fragile time for minorities in EU…
— saghira (@taalluq) March 11, 2017
Tantaran'i ? tsy misy fiafaràny ny #tulipcrisis kanefa misy fiantraikany azo tsapai-tànana amin'ny maha-olombelona amin'ny fotoana marefo ho an'ireo vitsy an'isa ao amin'ny Vondrona Eoropeana …