- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana Filankevi-Pitantanana GV 2017 : Kevin Rennie

Sokajy: Fifidianana, Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV
Avec des amis lors du Global Voices Summit 2015 - Cebu, Philippines

Niaraka tamin'ny namana nandritra ny Vovonana Global Voices 2015 – Cebu, Filipina

(Naoty : Miresaka ireo mpirotsaka an-tsitrapo ato amin'ny habaka isan-karazany ato amin'ny Global Voices, antsoina hanondro ireo solontenan-dry zareo ao anatin'ny roa taona eo anivon'ny filankevi-pitantanan'ny fikambanana ireo andian-dahatsoratra hitanao ireo)

Fifidianana izay hisolotena ny mpirotsaka an-tsitrapo

Iza aho

Mpampianatra ambaratonga faharoa nandritra ny 33 taona teto Aostralia aho, ary nifarana tamin'ny efa-taona tao amin'ny sekoly vazimba (aborigène) iray tao amin'ny Tanin'i Arnhem izany. Sendikalista mavitrika aho nandritra izany fotoana izany. Ny tontolo iainana, ny zon'ny tsirairay ary ny resaka mifandraika amin'ny mpialokaloka no anisan'ny tena mahaliana ahy manokana.

Mpikambana mavitrika tato amin'ny GV aho ary manana lahatsoratra mihoatra ny 200 hatramin'ny nanatevenako laharana ny Voices Without Votes [1] tato amin'ny GV nandritra ny fifidianan'i Etazonia tamin'ny taona 2008.

Ny “web hub”-ko manokana dia ny Red Bluff Media [2], izay mampiseho amin'ny antsipirihany ny horirantavako, sy ireo rohy mankany amin'ny bilaogy sy lahatsariko.

Ireo efa nirotsahako an-tsehatra taloha sy ankehitriny :

Ny fanamby

Maro ny olona tsy mahalala ny servisy lehibe atolotry ny Global Voices. Ny fahasamihafana sy ny fiaraha-miasan'ny ekipa no tena itoeran'ny herin'ny GV. Mila mamakivaky sy manoritsoritra lalam-baovao ny fikambanantsika mba hahatratra ny daholobe izay mendrika hahita ny asantsika sy hahatamana ireo mpitsidika maro.

Iray amin'ny tokony ho anjara andraikitry ny solontenan'ny mpirotsaka an-tsitrapo eo anivon'ny filankevi-pitantanana ny fandrisihana ny mpanoratra sy ny mpandika lahatsoratra amin'io raharaha io. Tiako ny hanatsarana ny fidirana sy ny fampiasana ireo votoaty. Iza no mamaky ny hafatra avy amintsika ? Firy isaky ny lahatsoratra no namaky azy ? Avy aiza ? Resaka inona? Impiry miverina ?

Ny anjara asako ho solontena

Ny vaindohan-draharahako raha lany aho dia ahitana izao manaraka izao : Manely ny feo amin'ity fikambanana maro fiteny tsy manampaharoa antsika ity ; manohana ny mpikambana, vaovao sy tranainy, amin'ny ezaka manokana sy ezaka iraisana ataony ; ary manampy amin'ny famolavolana ny lalan-koavintsika.

Olon'ny ekipa afa-mihaino ny manahirana ny mpirotsaka an-tsitrapo sy manome vahana ny resaka lalina kokoa tahaka izay efa nataontsika amin'ny lalankodiavintsika aho.

Eritreritra : (“Ny dia natao fa tsy ny tanjona itodiana”)

Mizara ny traikefako sasantsasany aho eto :

Ny bilaogy Bloggers Stir the Globe [3] (manaitra ny gilaoby ny bilaogera) no manoritra ny lala-nodiaviko tamin'ny bilaogy ankapobeny sy ny Global Voices manokana.

Fandraisako anjara amin'ny Lingua : Translators are not tools [4] (Tsy fitaovana ny mpandika lahatsoratra)

Ifandraiso aho raha te-hiresaka momba ireo lohahevitra ireo na zavatra hafa ianao.

Courriel : à travers mon formulaire de contact. [5]
Skype: kevinrennie1
Facebook: facebook.com/kevin.rennie.3
Twitter: @Kevin_Rennie

Na mametraha fanehoan-kevitra eto ambany.