- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sazy Mampiadihevitra Manasongadina Ny Olana Amin'ny Fitoriana Ny Herisetra An-tokantrano Ao Mozambika

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Josina Machel. Sary: YouTube

Niteraka adihevitra tao Mozambika ny tranga herisetra an-tokantrano, satria tamin'ny Febroary lasa teo, nisy lehilahy mpandraharaha iray antsoina hoe Rafael Licuco voasazy higadra telo taona sy efa-bolana an-tranomaizina noho ny fidarohana ny sipany Josina Machel, zanaka vavin'ny filoha Mozambikàna teo aloha Samora Machel. Lasa jamba ny masony ilany vokatry ny daroka. Mampiadi-hevitra fa novaina ho fandoavana onitra 200 tapitrisa meticais, na eo amin'ny 3 tapitrisa dolara ilay sazy taty aoriana.

Nilaza ny sasany fa ambony loatra ilay onitra, raha tezitra kosa ny sasany fa tsy nigadra ilay mpiherisetra. Nilaza ireo mpitsikera izay mihevitra fa ambony loatra ny sazy 200 tapitrisa fa nohafainganina tsy araka ny tokony ho izy ny raharaha, ary angamba nirotsaka an-tsehatra nahatonga izany ny fianakaviana ambonin'ilay niharam-boina. Maro ireo nanasongadina fa ahitana tranga an'arivony tahaka izany ao Mozambika saingy adino, na dia nihevitra aza ny hafa fa tokony ho ohatra ho an'ireo mpiherisetra manaraka ny vokatra (sazy).

Tamin'ny faramparan'ny taona 2015, namariparitra [2] ampahibemaso ny fanafihana nihatra taminy tao Maputo tamin'ny 16 Oktobra 2015 i Josina Machel (izay zanakavavin'ilay mpikatroka Graça Machel ihany koa ary zanakavavin'ny vadin'i Nelson Mandela), fa niherisetra taminy tao anatin'ny fiara nijanona nandritra ny fifandirana ny sakaizany niaraka taminy roa taona, namely ny tavany indroa. Nitsoaka niala tao anaty fiara i Josina, tsy nahazaka intsony ny ratra nahazo azy ka tsy nahatsiaro tena avy eo. Nilaza izy fa tany amin'ny hopitaly vao nifoha, ary nilaza azy ny dokotera fa tsy hahita intsony ny masony iray.

Na dia eo aza ny lalàna [3] nolaniana tamin'ny taona 2009 mba hampiakarana ny sazin'ny herisetra an-tokantrano ho 12 taona an-tranomaizina, Nitolona mba hampihena ny tahan'ny heloka bevavany eo amin'ity sehatra ity i Mozambika. Tamin'ny herintaona, 25.000 ireo tranga herisetra an-tokantrano manerana ny firenena, araka ny filazan'ny manampahefam-panjakana [4]. Efa nanambara ny Minisiteran'ny Fahasalamana fa olan'ny fahasalamam-bahoaka ny herisetra an-tokantrano.

Tranga lehibe iray hafa ihany koa no nitranga tamin'ny Desambra teo, raha notifirina sy matin'ny vadiny, Zófimo Muiuane, izay efa any am-ponja miandry ny fitsarana azy i Valentina Guebuza, zanakavavy [5] iray hafa an'ny filoha Mozambikàna teo aloha.

Mandritra izany, samihafa ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera aterineto ao Mozambika mikasika ny fanapahan-kevitra tsy hampiditra am-ponja an'ilay nidaroka an'i Josina Machel. Mpisera Facebook Joselina Caetano [6] nahita fa mihoampampana ny onitra nampandoavina ny voaheloka:

Mas porque esse todo valor? Será que a justiça moçambicana quando julga alguém olha para o apelido? Por me ficavas na cadeia esses 3 anos por bom comportamento acho que irias ficar só um em vez de enriquecer essa dai…Justiça moçambicana as vezes não vale para nada

Inona no anton'izany vola be izany? Mety hoe rehefa mitsara olona ve ny fitsarana Mozambikàna dia mijery ny anaran'izy ireo aloha? Raha niankina tamiko izany, mety hijanona 3 taona an-tranomaizina izy, ary raha noho ny fitondrantena tsara, hijanona herintaona monja izy, fa tsy hampanankarena olona … Indraindray tsy misy dikany ny fitsarana  Mozambikana

Tomás Machava  [7]nanontany ny ilàna ny onitra nampandoavin'ny fitsarana, manoloana ireo Mozambikàna an'arivony iharan'ny fanararaotana isan'andro:

Em Moçambique TODOS somos iguais perante a lei, porém, a lei não é igual perante a TODOS..Quantos não são mortos e não são pagos nem a metade dessa fortuna às suas famílias!!! Agora pergunto onde esta a igualdade social????

Ao Mozambika, mitovy eo anatrehan'ny lalàna avokoa ny REHETRA, na izany aza, tsy mitovy ny lalàna ho an'ny REHETRA. Firy ireo maty kanefa tsy nahazo vola na dia ny atsasak'izany volabe izany akory aza ny fianakavian'izy ireo!! Ankehitriny, manontany aho hoe aiza ny fitoviana ara-tsosialy????

Tamin'ny vaovao tamin'ny teny Portiogey tao amin'ny Deutsche Welle [8], nanazava ny filohan'ny Holafitry ny Mpisolovava ao Mozambika, Flávio Menete fa namaritra ny habehan'ny onitra ny fitsarana “tamin'ny fijerena ny haben'ny heloky ny mpidaroka, ny fidiram-bolany, ny fidiram-bolan'ny ankilany niharam-boina, ary koa ny fiseho sy ny anton'ny fanafihana.”

Tamin'izany lahatsoratra izany ihany, Maria Paula Vera Cruz, filohan'ny Fifanakalozan-kevitry ny Vehivavy, fikambanana miaro ny zon'ny vehivavy ao Mozambika nilaza fa ny haben'ny sazy dia mety hiteraka “fisarihan-tsaina mba ho variana”, mampifantoka ny saim-bahoaka amin'ny vola, fa tsy amin'ny raharaha na ny olana goavan'ny firenena isehoan'izany.

Tao amin'ny Facebook, nilaza i Dioclésio Ricardo [9], na dia izany aza fa ireo izay mihevitra ny vola dia mampiseho fa mijaly ny olana goavana ara-tsosialy ny fiarahamonina Mozambikàna:

Não mais disfarçam! A intolerância, a violência e a imoralidade são, cada vez mais, notórios na nossa sociedade. Não há pudor. Revelam-se em plena luz do dia. Deseja-se a morte, crucifica-se a vítima, humilha-se e devassa-se a vida privada. É recorrente!

Patrícios, o nosso sistema jurídico é de uma família que não se verga ao precedente. Se uns obtiveram uma indemnização de X porque morreu o menino, não legitima que o olho de uma (presumível) vítima de violência doméstica valha menos a título compensatório. Não é obrigatório que o juiz fixe igual ou menos. Pode fixar mais e mais!

(…) Urge uma auditoria moral à sociedade. Estamos imorais demais. Aliás, criamos uma moral na imoralidade. Não mais respeitamos a dor do outro. Comparamos tudo e mesmo o incomparável.

Tsy miafina intsony izy ireo! Miha manjaka eo amin'ny fiarahamonintsika ny tsy fandeferana, ny herisetra sy ny fitondrantena ratsy. tsy misy intsony ny fahamaotinana. Miseho amin'ny andro mazava izy ireo. Maniry fahafatesana ho azy ireo izy ireo, mampijaly ny lasibatra, manala baraka azy ireo ary manafika ny fiainan'izy ireo manokana. Mitranga matetika izany!

Ry mpiray tanindrazana, Anisan’ ireo tsy miankina amin'ny tranga taloha ny rafi-pitsarana eto amintsika. Raha misy ny olona sasany nahazo vola onitra noho ny fahafatesana tovolahy, tsy manamarina izany fa tsy dia manan-danja kokoa amin'ny resaka onitra ny mason'ny (heverina) fa lasibatry ny herisetra an-tokantrano. Tsy voatery hametraka onitra mitovy na latsak'izany ny mpitsara. Afaka mametraka betsaka kokoa izy ireo!

Mila fanombanana ny ara-moralin’ ny fiarahamonina isika. Tena ratsy fitondrantena isika. Mandritra izany, mamorona lasitra fitondratena  ao anatin'ny fitondrantena ratsy isika. Tsy manaja ny fahorian'ny hafa isika. Mampitaha ny zava-drehetra na ny tsy azo ampitahaina aza isika.

Mauro Paulo [10], kosa etsy andaniny, nankalaza ny fiafaran'ny raharaha, miantso izany ho fandresena manoloana ny herisetra an-tokantrano:

Parabéns à VÍTIMA de violência doméstica que conseguiu punir bem mesmo seu agressor. Que as outras tenham feeling de denunciar seus agressores também. Se a justiça não funcionar para vocês, culpem os advogados, promotores e juristas, que não sei para que existem neste País ou a quem servem, e ao cidadão comum que é corrupto e condiciona o espírito da corrupção no dia-a-dia e a todos os níveis.

Arahabaina ny NIHARAM-BOINA tamin'ny herisetra an-tokantrano izay nahavita tsara nanasazy ny mpiherisetra azy. Antenaina fa hiha maro kokoa ny hafa vonona hiampanga ny mpiherisetra amin'izy ireo. Raha tsy miasa ho anao ny fitsarana, omeo tsiny ny mpisolovava, ny mpampanoa lalàna sy ny mpahay lalàna, izay tsy fantatro ny antony hisian'izy ireo ao amin'ity firenena ity na izay tompoin'izy ireo, ary koa ny olom-pirenena tsotra mpanao kolikoly ary mampandroso ny saina tia kolikoly eo amin'ny fiainan'izy andavanandro sy eo amin'ny ambaratonga rehetra.

Efa nampanantena hampiasa izay onitra didin'ny fitsarana mba hanampiana ireo vehivavy hafa niharan'ny herisetra i Josina Machel [11], ary nanangana ny Fikambanana “Kuhluka [12]” (“Mitsangàna”) izy mba hitarihana ity fisantarana andraikitra ity