
Famantarana fifamoivoizana ao Bhutan: “Lalambe ity fa tsy lalàm-pandehanana mafy”. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Hrishikesh Sharma CC BY-NC-SA 2.0
Mety ho tsikaritrao ny zavatra miavaka rehefa mitondra fiara ao amin'ny Fanjakana Himalayana mitoka-monina ao Bhutan ianao: feno fieritreretana, fahendrena sy kilalaon-teny ny maro amin'ireo takelaby famantarana ny fifamoivoizana ao amin'ny lalambe manavatsava tendrombohitra .
Maro ny tendrombohitra rakotra orampanala any avaratry ny firenena sy ala mafana mando be tendrombohitra any atsimo. Tery sy mampidi-doza ny làlana ao amin'ireo tendrombohitra ireo, ary olana hatrany ny fandehanana mafy. Mivantana avy hatrany indraindray ny hafatr'reo famantarana ireo , kanefa tena mahatonga ireo mpamily hieritreritra tsara izany alohan'ny handikana ny lalàna.
Actual road sign in Bhutan ?? pic.twitter.com/A9q9rnvEEy
— Crazy World (@CrazyGloble) February 28, 2017
Ny takelaby famantarana misy ao Bhutan
Manana làlana mirefy eo ho eo amin'ny 8.000 kilometatra eo i Bhutan ary tsy misy làlamby. Tamin'ny taona 1961, an-tongotra sy amin'ny alàlan'ny fitaingenana ampondra na soavaly no tena fandehanana mankany Bhutan satria mbola tsy vita rarivato ny ankamaroan'ny làlana. Nandritra ny Drafitra Fampandrosoana Voalohany (1961-66) no nanombohan'ny fanamboaran-dàlana mampifandray ny renivohitra Thimphu sy Phuntsholing any akaikin'ny sisintanin'i India.
Na izany aza, tsy nanana fahaizana manokana hananganana foto-drafitrasa ho amin'izany ilay firenena kely. Tamin'ny taona 1961, nanomboka ny Tetikasa Dantak ny Fandrindrana ny Làlan-tSisintany izay sampana Injenieran'ny Tafika Indiana nanampy ny Sampan-draharahan'ny Asa Vaventy Bhotaney tamin'ny fanamboarana sy ny fikarakarana ny làlana sy tetezana mihoatra ny 1500 kilometatra, ny Seranam-piaramanidina Paro , ny seranan'angidimby sy foto-drafitrasa hafa maro.
Nanomboka nisokatra tamin'ny ivelany i Bhutan tamin'ny taompolo 1970, ary mbola voafetra ny fizahan-tany. Na izany aza , tena nampialavoly ireo mpandeha sy ny mponina ao an-toerana ireo takelaby famantarana amin'ny teny Anglisy ireo sy indraindray amin'ny teny Dzhongka izay fiteny Bhutan ofisialy ihany koa .
Kanefa manana tanjona manan-danja ihany koa izy ireo. Misy lozam-pifamoivoizana hamoizana ain'olona 15,1 isaky ny olona miisa 100.000 isan-taona ao Bhutan (manana mponina miisa 742.700) . Tahanisa 13,6 izany ao Bangladesh (manana mponina 171 tapitrisa), ary 14,2 ao Pakistan (manana mponina miisa 202 tapitrisa ). Ny an’ India no ambony indrindra 16,6 (manana mponina miisa 1,252 lavitrisa).
Araka ny Brigadier PKG Mishra , lehiben'ny injeniera ao amin'ny Tetikasa Dantak, tamin'ny fomba stratejika no nametrahana ireo takelaby famantarana miloko mazava ireo :
We are using humour to convey a subtle but important message. No matter where in the world you’re from, humour is something that is easily understood, appreciated and remembered.
Mampiasa hatsikana izahay mba hampitana ny hafatra an-kolaka nefa manan-danja. Na avy aiza na avy aiza no fiavianao eto amin'izao tontolo izao , zavatra mora takarina , ankasitrahana ary mora tsaroana ny hatsikana .
Toa nankasitraka izany ny mpisera Facebook Puran Gunung any Bhutan:
I Loved Driving on the Hills coz of these boards. I would prefer this, rather than the Advertising Boards along the roads.
Creative, Informative & Helpful.
Tiako ny mitondra fiara any amin'ny havoana noho ireo takelaby famantarana. Aleoko ireny, toa izay ireo Takelaby Dokambarotra manamorona ny lalana .
Hafakely, Mampahafantatra sy Manampy.
Ireto misy takelaby famantarana vitsivitsy hita tao amin'ny media sosialy:
Road sign seen in Bhutan -quite an accurate assessment #distracteddriving #insurance pic.twitter.com/0zHERymeEh
— Terry Golesworthy (@TerryCRG) February 28, 2017
Takelaby famantarana hita ao Bhutan , fanombanana marina tsara .
A particularly blunt road sign warning. ? “One who drives like hell is bound to get there.” Firey ? words on icy ❄ roads. #Bhutan #Roadtrip pic.twitter.com/N3SyMDBQLe
— ??Curtis S. Chin (@CurtisSChin) November 29, 2016
Ny takelaby famantarana ny fifamoivoizana mampitandrina mivantana . ? “Izay mirimorimo tahaka ny helo tsy maintsy ho tonga any.” Hafatra mandoro ? eny amin'ny làlana feno ranomandry ❄ .
If you're married divorce speed!
~ Seen on a road sign #Bhutan #Payana— Anjali (@anjalihegde) November 11, 2016
Isaraho fanambadiana ny hafainganam-pandeha malaky raha manambady ianao!
~ Hita amin'ny takelaby famantarana ao #Bhutan #Payana
Peep Peep, Don’t Sleep! Be gentle on my curves! Life is a journey, complete it.
Road sign in Bhutan ― reminding… https://t.co/OzPgZ1fIg3
— Inside Bhutan (@InsideBhutan) April 8, 2016
Pip Pip, Aza Matory! Moramora ihany amin'ny fiolakolahana! Toy ny dia lavitra ny fiainana ka vitao hatramin'ny farany .
Takelaby famantarana ao Bhutan – mampahatsiahy …
Bhutan road sign, Start Lounge edition: pic.twitter.com/yuSnpHAM
— Jennifer Prior (@jhprior) May 4, 2012
Takelaby famantarana ao Bhutan.
Great road sign: “You have reached Trumseng La, Bhutan's highest road pass. Check Your Brakes. Bash On Regardless. Thank you.” – Jamie Zeppa
— David Nichols (@DrNick0770) September 14, 2016
Takelaby famantarana milay: “Tonga eto amin'ny Trumseng La ianao, ny làlana avo indrindra eto Bhutan . Hamarino ny hisatry ny fiaranao. Tohizo ny làlana na dia izany aza . Misaotra.” – Jamie Zeppa