Fifidianana Filankevi-pitantanana GV 2017 : Rawan Gharib

(Fanamarihana : Ity andian-dahatsoratra ity dia momba ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny tranonkala isan-karazany ato amin'ny Global Voices, voatendry hofidiana solontena eo anivon'ny Filankevi-pitantanan'ny fikambanana mandritra ny 2 taona)

Miarahaba, ireo olona tsara saina sy fanahy mahafinaritra eo amin’ izao tontolo izao, ny namako ato amin'ny GV 🙂

Rawan sy ny anadahiny tao amin'ny Fampiratiana Boky Iraisampirenena tao Kairo

Rawan Gharib no anarako, anisan'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Lingua Arabo, monina ao Kairo. Mpanoratra liana kokoa amin'ny kolontsaina Amerika Latina/Afovoany-Atsinanana aho. Nanana tombontsoa niasa tao amin'ny Rising Voices ihany koa aho tamin'ny fanentanana fanamby sary sy soratra amin'ny tenindrazana.

Sanganehana tamin'ny fahatsaran'ny fifandraisana aho, sy ny hasiahana nateraky ny tsy fisian'izany hatramin'ny nahatsiarovako. Ao anatin'ny taranaka miato sy misokatra aho, nanomboka tamin'izany fotoana izany raha teraka ny revolisiona Ejypsiana tamin'ny 25 Janoary, miaraka amin'ny zava-baovao sy ny zava-bita. Ohatra, ny vaovao malaza mahafinaritra tamin'izany dia ny Andro Iraisampirenena/ Firenena izay samy manana zoro hanehoan'ny firenena tsirairay ny kolontsainy tsirairay avy.

Tsaroako izaho sy ny namako mankafy ny fahatsoran’ ireo vahiny very am-pilaminana, mitsambikina manodidina amim-pahadalana sy am-piheretampo, manandrana sakafo sy manandrana ny fomba amam-panao, miaraka amin'ireo hira malaza mahafinaritra sy manakoako mafy, ao anatin'ny firindrana avokoa izany rehetra izany. Isaky ny reraka izahay, afaka miala sasatra eo akaikin'ny zoro Afrikanina.

Taona vitsy taty aoriana, amin'ny maha mpiserasera aterineto mavitrika ahy, nitontona tao amin'ny Global Voices aho. Nahatonga ahy nahatsiaro zavatra mitovy izany, saingy amin'ny fomba malina kokoa sy mandinika kokoa miaraka amin'ny fahavononana marina sy vonona hahafantatra ny hafa. Nanjary mpitsidika mazoto avy hatrany aho ary avy eo (Septambra 2015) tapa-kevitra hilatsaka an-tsitrapo ho mpandika teny amin'ny teny Espaniola/Anglisy ho amin'ny teny Arabo.

Mifaninana hofidiana solontenan'ny mpilatsaka an-tsitrapo amin'ny fifidianana Filankevi-pitatanana ao amin'ny Global Voices aho satria fahafahana lehibe ho ahy izany mba ahafantatra sy hisolontena ny tsirairay aminareo amin'ny fomba tsara kokoa. Ny fisoloantena ny mpirotsaka an-tsitrapo dia momba ny fizarana ny hevitsika hahatonga ny Global Voices ho sehatra tonga lafatra haneho endrika tena izy mikasika ny tontolontsika rehefa ao anatin'ny fisafotofotona sy faharerahana (izao tontolo izao). Manantena hizara izany aminareo aho.

Andao hanohy hanozongozona ny rindrina sy hanamboatra tetezana!

Jereo ao amin'ny Facebook, Twitter ary Instagram aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.