- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Girls To The Front': Ny Fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy 2017 tao Aostralia

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Girls To The Front on triple j - triplej screenshot of YouTube video [1]

Girls To The Front ao amin'ny triple j – pikantsarin'ny triplej tao amin'ny lahatsary YouTube

Marobe ny hetsika nokarakaraina manerana an'i Aostralia tamin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy 2017 mba hankalazana ny fandresena sy hanasongadinana ny tolona izay mbola mitohy.

Na dia talohan'ny 8 Martsa aza, nahazo tsikera avy amin'ny hafa noho ny drafitrany ny haino aman-jery goavana iray. Nanomana vehivavy mpanolotra fandaharana ho amin'io andro io ny haino aman-jerim-panjakana, Australian Broadcasting Corporation (ABC).

Fanampin'izany, nikendry ireo mpihaino eo amin'ny 18 hatramin'ny 25 taona ny Triple J, iray amin'ireo onjam-peo nomerikan'ny ABC, nandefa mozika [2] nataon'ny vehivavy sy narindran'ny vehivavy mandritra ny IWD [na Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy].

Nitsikera ny ABC ho “manambony tena” ny gazety Daily Telegraph. Nanazava ny Pedestrian.tv [3] hoe:

[Daily Telegraph] national political editor Sharri Markson has taken issue with the ABC's apparently “patronising” and “tokenistic” push to promote gender equality in the workplace by announcing its male presenters will take a backseat to female talent tomorrow, on International Women's Day.

[Daily Telegraph] Sharri Markson, tonian-dahatsoratra ara-politika nitsikera ny ABC ho “manambony tena” sy “te-hiavaka” mba hampiroborobo ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy eny amin'ny toeram-piasana tamin'ny alalan'ny filazana fa hisintaka kely ireo lehilahiny mpanolotra fandaharana mba hisehoan'ny vehivavy manatalenta rahampitso, Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy.

Mpisera Twitter Chris Mac nanome tsiny ny tompon'ny gazety:

Fara fahakeliny, radio ara-barotra iray nanao tahaka izany ihany koa. Anisan'ny fanentanana anti-ABC karakarain'ny @rupertmurdoch [5]‘ ny tsikeran'ny @dailytelegraph [4] omaly.

#IWD2017 (Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy) #internationalwomensday (Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy) sy ny #girlstothefront (zatovovavy loha laharana) no nalaza tamin'ny Twitter. Anisan'ny tenirohy nalaza ihany koa ny lohahevitra 2017 #beboldforchange (Sahia manao fanovana).

Anisany amin'ireo olana noresahana tao amin'ny tenirohy ireo ahiahy mahazatra tahaka ny fanjakazakan-dehilahy, ny tsy fitovian'ny karama sy ny tsy fisian'ny vehivavy eo amin'ny asa fitantanana

Ho ahy, ny #BeBoldForChange [8] (Sahia manao Fanovana) dia midika fiantsoana ny fanjakazakan-dehilahy sy mihaika ny fanao miraiki-tapikasa izay manome tombony ho an'ny lehilahy hanjakazaka amin'ny fanapahan-kevitra #IWD [9]

Noresahana omaly ny valin-drihana vita amin'ny fitaratra avy amin'i @GlenLeLievre [11] #IWD [9]

Manome voninahitra ny #internationalwomensday [14] isika androany, avy amin'ny  #equalpay [15] (karama mitovy) ho amin'ny fiarovana ny toeram-piasana. Manohana ny vehivavy ny @unionsaustralia [16] (Sendikan'i Aostralia).

Laharam-pahamehana amin'ny fandaharam-potoanan'i Aostralia ny herisetra ao an-tokantrano. Ny ‘Aoka Izay hoy izahay (We say no more)’ [22] dia fanentanana mifantoka indrindra amin'ny filàn'ny mponin'ny Nosy Teratany sy ny Andilan-dranomasin'i Torres ao amin'ity faritra ity:

Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy #IWD2017 [23]#BeBoldForChange [8] & miloa-bava manohitra ny fahanginana [manoloana ny] herisetra
#wesaynomore [24] (ampy izay hoy izahay)

Nazoto nanaparitaka izay vaovao tsara tao amin'ny media sosialy ny tontolon'ny fandraharahana:

Nanendry vehivavy voalohany ho Tale Jeneraly ny vondrona lobby (mpandresy lahatra) eo amin'ny sehatry ny fananganana Tao-zava-baventy #construction [28], vakio bebe kokoa ao amin'ny @HerCanberra [29]

Mba hisian'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, mila hevitra sahisahy isika. Izany no mahatonga anay mampahafantatra ny fisantaranay andraikitra vaovao amin'ny fitadiavana mpiasa

Nalaza tao amin'ny Twitter ny zava-bitan'ny STEM (Siansa, Teknolojia, Injeniera, Matematika):

#internationalwomensday [14] izao, Arahaba ho an'ireo vehivavy ao amin'ny STEM #womeninstem [35] manova izao tontolo izao! Mahatalanjona ianareo! #BeBoldForChange [8]

Maniry mba ho isan'andro ny #InternationalWomensDay [38]! Mankafy ny #GirlsToTheFront [39] @triplej [40] & ny asan'ny #womeninSTEM [41] mampandeha tsara ny mikroskopy! #DressLikeAWoman [42] pic.twitter.com/DM2weWajea [43]

Tamin'ny taona 1887, niady mafy mba ho voaray ao amin'ny Sekolin'ny Fitsaboana Melbourne ireo tanora vehivavy fito, 25 taona taorian'ny nanombohan'ny fiofanana #IWD2017 [23]

Hoan'i Anne Summers feminista malaza iray, namoaka ny Women's Manifesto (Fanambaran'ny Vehivavy) [47] ho an'ny IWD izy. Ireto avy ireo tanjony efatra ho an'ny fitovian-joan'ny lahy sy ny vavy amin'ny 2022:

Nisy ny diabe nanerana ny firenena. Tao amin'ny famorian'olona tao Melbourne nahitana sora-baventy iray ‘nilaza azy tanteraka':

Sora-baventy: “Ho an'ny tsy ny fanjakazakan-dehilahy”
Sioka: Diaben'ny Andro Iraisampirenena hoan'ny vehivavy taona 2017 miaraka amin'ny ekipan'i  @PlanAustralia [48] ao Melbourne

Farany, mpahay lalàna mpirotsaka an-tsitrapo nitondra ny tolona tao amin'ny Asylum Seeker Resource Centre [51] [Foibem-panoroana ireo mpitady fialokalofana] ny takariva:

Amin'ny 7 ora sy 53 minitra harivan'ny Andro Iraisampirenena hoan'ny vehivavy taona 2017 ary tonga matanjaka nihazakazaka ny alin'ny alarobian'ny zon'olombelona nankany amin'ny toeram-pitsaboana ny vehivavy mpahay lalàna mamirapiratra avy ao amin'ny @ASRC1 [52] mba tsy hahavoantohintohina azy ireo. Tena ??