- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho Anao Mpankafy Zavakanto Japoney, Manana Fanomezana Miisa 300.000 Ho Anao Ny Mozea An-tanàndehiben'i New York

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
猿若町芝居の図 Picture of the Theatres in Sakai Cho

Utagawa Hiroshige, “Sarin'ny Teatra ao Sakai Cho (猿若町芝居の図).” Sary : Mozean'ny Zavakanto ao An-tanàndehibe, Angona H. O. Havemeyer , Fanomezana avy amin-Rtoa  H. O. Havemeyer, 1929.

Namoaka rakitry ny sarin'ny asakanto sy asatanana ara-kolontsaina hafa maherin'ny 300.000 ao amin'ny sehatra azon'ny daholobe ampiasaina tsy voafetra ny Mozean'ny Zavakanto ao An-tanàndehiben'i New York, fantatry ny mponina amin'ny hoe “Met”. Nanoratra momba izany tamin'ny volana lasa [1] [mg] izahay tato amin'ny Global Voices.

Araka ny Met : [2]

On February 7, 2017, The Metropolitan Museum of Art implemented a new policy known as Open Access [2], which makes images of artworks it believes to be in the public domain widely and freely available for unrestricted use, and at no cost, in accordance with the Creative Commons Zero (CC0) designation.

Tamin'ny 7 Febroary 2017,  nampihatra politika vaovao fantatra amin'ny hoe Fahafahana Miditra Malalaka [2] ny Mozean'ny Zavakanto ao An-tanàndehibe , izay manolotra ireo sarin'ny asakanto ho any amin'ny sehatra azon'ny daholobe ampiasaina malalaka sy maimaim-poana tsy voafetra , araka ny fanendrena Creative Commons Zero (CC0) .

Afaka mampiasa ny asakanto avokoa ny olona rehetra na inona na inona antony, rehefa mbola manome voninahitra ilay mpanolotra ny asakanto tany am-boalohany sy ny Met ihany koa izy ireo.

Ahitana ny sarin'ny zavakanto Japoney maro isankarazany [3] efa any amin'ny sehatra azon'ny daholobe ampiasaina ny angona ao amin'ny Met. Mba hahitana tsara izay tadiavinao, dia afaka mikaroka ny anaran'ny mpanakanto ianao, toy ilay mpanao sary sokitra vita amin'ny hazo Utagawa Hiroshige [4] .

Mikaroka arakaraky ny karazan'ilay zavatra, ny datiny, ary ny vanim-potoanany no fomba tsotra indrindra mba hahitana ny angona, na izany aza.

Ohatra, ahitana sary Japoney  vita amin'ny tanimanga, seramika [5], sy sary sokitra [6] tany ho any  amin'ny 2000 taona lasa tany raha aloha indrindra ny fanangonana, anisan'izany ity sary sokitra tany amin'ny taonjato faha-5 ity.

Haniwa (Hollow Clay Sculpture) of a Boar with Bound Feet [7]

“Sary Fetan-tany Lambo Mifatotra Tongotra (埴輪猪像).” Mozean'ny Zavakanto An-tanàndehibe, Harry G. C. Packard Rakitry ny Zavakanto ao Azia, Fanomezan'i Harry G. C. Packard, sy Purchase, Fletcher, Rogers, Harris Brisbane Dick, sy Louis V. Bell Funds, Joseph Pulitzer Bequest, ary ny The Annenberg Fund Inc. Gift, 1975.

Mitovy amin'izany ihany koa ny vanim-potoanan'ity “haniwa [8]” sary sokitry ny mpiady miaraka amin'ny fiadiana ity .

埴輪武装男子像 Haniwa Warrior [9]

“埴輪武装男子像
Mpiady Haniwa (Sary Sokitra tanimanga) .” Mozean'ny Zavakanto ao An-tanàndehibe , Angona Zavakanto Aziatika Harry G. C. Packard , Fanomezan'i Harry G. C. Packard, sy Purchase, Fletcher, Rogers, Harris Brisbane Dick, Louis V. Bell Funds, Joseph Pulitzer Bequest, ary The Annenberg Fund Inc. Gift, 1975

Mirakitra harena maro ny tahiry, toy ity sary sokitra tany amin'ny 1.300 taona lasa tany, vanim-potoanan'ny Asuka tao Japana, rehefa natsangana voalohany tao amin'ny firenena ny Bodisma .

Japan Asuka Sculpture [10]

“Sary sokitra kapila Bodista telo, tany amin'ny tapaky ny taonjato faha 7 . Japana, vanim-potoana Asuka (538–710).” Mozean'ny Zavakanto ao An-tanàndehibe , New York, Tahiry Mary Griggs Burke, Fanomezan'ny Orina Mpanasoa Mary sy Jackson Burke, 2015.

Misy ohatra amin'ny sary sokitra isaky ny vanim-potoanany avy ny tantara Japoney rehetra. Ireto sarivongana enina tamin'ny “jeneraly masina” [11] (Jūni shinshō,十二神将) roa ambin'ny folo ireto ohatra dia manome ny endrika ‘baroque’, izay fiangaliana ambony nampiavaka an'i Japana tamin'ny Vanim-potoanan'ny Kamakura [12]tany amin'ny taonjato faha-14.

Six of the Twelve Divine Generals (Jūni shinshō) [13]

“Enina amin'ireo Jeneraly Masina Roa Ambin'ny Folo (Jūni shinshō, 十二神将の内).” Mozean'ny Zavakanto ao An-tanàndehibe , Angona Mary Griggs Burke, Fanomezan'ny Orina Mpanasoa Mary sy Jackson Burke, 2015.

Manasongadina ohatra amin'ny horonam-boky Japoney [14] ihany koa ny tahiry, toy ny ranomainty Mandala miaraka amin'ny Rāgarāja [15] izay endrika fantadaza fototra, tany amin'ny taonjato faha-11, nandritra ny Vanim-potoana Heian tao Japana .

愛染曼荼羅 Aizen Mandala [16]

“Aizen Mandala (愛染曼荼羅).” Mozean'ny Zavakanto An-tanàndehibe , Tahiry Mary Griggs Burke, Fanomezan'ny Orina Mpanasoa Mary sy Jackson Burke, 2015.

Misy ihany koa ny asakanto maro tsy manan-tsahala, miavaka ao amin'ny angona. Ity misy sary masina azo vimbinina [17] tamin'ny taona 1620 nandritra ny Vanim-potoana Edo tao Japana.  Natao mba hitaterana ny sarivongan'ny loha-tsoavaly (Batō) Kannon [18] ny sary masina.

Portable Shrine with the Horse-Headed Kannon [17]

“Sary Masina azo Vimbinina manana loha-tsoavaly Kannon (厨子入馬頭漢音坐像).” Mozean'ny Zavakanto An-tanàndehibe , Lafo, Fanomezan'ny Zavakanton'ny Namana any amin'ny Farany Antsinanana , 1985

Ahitana zavakanto vao haingana kokoa ihany koa ny angona, anisan'izany ny zavakanto tamin'ny Vanim-potoana Meiji [19] tao Japana, izay nifanandrify tamin'ny Vanim-potoana Victoria amin'ny tany tandrefana. Mampiseho ny sehatra avy amin'ny Ady Rosiana-Japoney [20] ny asakanto amin'ny endriny telo..

A scene of Sino-Japan war, The Splendid Deed of the Brave Soldier Shirakami [21]

“Ny sehatry ny ady Sino-Japana, Ny Fihetsika Mahavariana an'ilay Miaramila Maherifo Shirakami.” Mozean'ny Zavakanto an-tanàndehibe, fanomezan'i Lincoln Kirstein, 1959.

Ampahany amin'ny angona lamba Japoney [22] ao amin'ny Met ity fibabena zaza vita amin'ny lamba ity, tany amin'ny Vanim-potoana Taisho nandritra sy taorian'ny Ady Lehibe Voalohany:

Baby Carrier [23]

“Fibabena zaza, vanim-potoana Taishō (1912–26).” Mozean'ny Zavakanto An-tanàndehibe, Fanomezana avy amin'ny mpanolotra maro samihafa , 1981.

Ahitana ireo sarin'ny endri-tsoratra Japoney [24] ny angona, anisan'izany ity horonan-taratasy avy amin'i Seigan Soi ity, izay velona tamin'ny taona 1588 ka hatramin'ny taona 1661, nandritra ny Vanim-potoana Edo.

calligraphy [25]

“清巌宗渭 地獄, Helo.” Mozean'ny Zavakanto An-tanàndehibe , Fanomezan'i Sylvan Barnet sy William Burto, ho fanomezam-boninahitra an'i Setsu Isao, 2014.