- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahazo Vahana Noho Ny Kolontsaim-bahoaka Ny Fanavakavahana sy ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy Ao Kyrgyzistan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kyrgyzstan, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina

Pikantsary avy amin'ny tantara mitohy amin'ny fandaharana ‘Kelin’ ao amin'ny fahitalavi-panjakana KTR ao Kyrgyzstan.

Ho an'ny vehivavy izay mbola tsy niharan'ny [fomba fanao] fakàna an-keriny na tsy mahafantatra fa matetika miteraka fanolanana sy endrika herisetra hafa mihatra amin'ny “vehivavy ampakarina” tsy vokatry ny fony ilay fomba fanao, dia mety hampihomehy azy ilay dokambarotra vao haingana mampiroborobo ny tolotra omen'ny orinasa fanamboarana fotodrafitrasa iray ao Kyrgyzistan Sovietika taloha.

Ao amin'ilay dokambarotra, notapenan'ireo lehilahy ny mason'i Eldana Satybaldieva, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Eldana Foureyes sady mpisera Instagram malaza indrindra ao amin'ny firenena Azia Afovoany ary nentin'izy ireo tany amin'ny toerana tsy fantatra.

Nanohitra ny fikasana haka an-keriny azy i Eldana tany am-boalohany, ary nandrahona hanagadra ireo mpanafika azy. Saingy rehefa tonga tao amin'ny efitranom-pianakavian'ireo mpaka an-keriny izy, trano «elitka» na efitrefitra sangany namboarin'ny orinasa Cap Stroy KG, tonga tamin'ny fehinkevitra izy fa nampanambadiana tamin'ny fomba ara-drariny.

Nandona ny maro tao amin'ny firenena ny manaitra amin'ny dokambarotra satria milaza ny fikarohana farany azo jerena fa hatramin'ny ampahatelon'ny fanambadiana Kyrgyz no nanomboka tamin'ny tsy fisian'ny fankatoavan'ny ampakarina.

Saingy nandiso fanantenana ireo faritra maro mpankafy ny nentim-paharazan'i Eldana ihany koa izany, izay mankafy ny maha mpankafy aterineto, sy fo falifaly azy, sarisary iray na roa minitra mifantoka amin'ny fiainana andavanandro amin'ny maha tanora monina ao Kyrgyzistan azy.

Теперь Эльдана #келинка ?? и живёт в #элитке @eldana_foureyes Подписывайтесь на @capstroy.kg @capstroy.kg [1]

A post shared by •ТВОЙ БИШКЕК• (@all_in_kg) on

Nanaparitaka ity fahatsapana fahadisoam-panantenana ity [2] tamin'izy nanoratra tao amin'ny Facebook i Nurgul Asylbekova, mpandala ny vehivavy  :

Уже написала под роликом на стене заказчиков, что возможно у них не было умысла пропагандировать наше позорное явление ала-качуу, благодаря которому мы прославились как страна, в которой нет верховенства закона и у женщин нет базового права выбора брачного партнёра. Но это лишний раз показывает, что насилие над женщиной является культурной нормой и ни автор, ни актеры, ни заказчики, ни аудитория даже не замечает унизительного и дискриминационного сообщения, которое несёт ролик.

Araka ny nomarihako tao amin'ny rindrina [Facebook]-n'ny orinasa izay nikomandy ilay dokambarotra, azo antoka fa tsy naniry hampiely ny lamaody mahamenatry ny ala-kachuu (fakàna an-keriny ny ampankarina) izy ireo, lamaody izay lasa nampalaza ratsy antsika ho firenena tsy misy fitsipi-dalàna sy tsy ananan'ny vehivavy zo fototra hisafidy izay ho vady mariaziny. Saingy manaporofo indray mandeha indray io fa ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia fenitra ara-kolontsaina eto, ary tsy nisy niraharaha ny endrika mahamenatra sy manavakavaka tamin'ny hafatra nampitain'ny dokambarotra na ny mpamokatra, na ny mpilalao, na ny nikomandy, na ny mpijery.

Rafozam-bavy, vinantovavy

Mety hoe tsy niteraka tabataba be ny dokambarotra raha tsy nivoaka iray volana taorian'ny nanombohan'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra, Kelin  ao amin'ny fahitalavi-panjakana lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ary niteraka tahotra tahaka izany.

Kelin, izay midika hoe «[vady] ampakarina» ao Kyrgyzistan, dia fandaharana iray alefa eo noho eo ahitana tovovavy maromaro avy amin'ny saranga isan-karazany mifaninana manao izay hahazoana ny fon'ny mpilalao maka ny toeran'ny rafozambavy nentim-paharazana, amin'ny alalan'ny fanaovana zavatra maro manomboka amin'ny raharaha ao an-tokantrano ka hatramin'ny asa manandevo indrindra tahaka ny fikosehana ny tongotry ny rafozana.

Nanoratra [3] momba ilay fandaharana i Bektour Iskender, mpanorina ny Kloop.kg fikambanana median'ny tanora :

Kelin is yet another masterpiece from Kyrgyzstan’s public broadcaster.

For those that do not speak Kyrgyz, the word refers to the bride, the son’s wife. That is the official translation of the word.

The unofficial translation is, basically, slave — the lowest rung in the family hierarchy — workhorse, servant, a person often regarded as barely human and that can be readily ignored.

The Kelin reality show is really quite revolting. I know what I am talking about as I watched the first episode attentively (as much as was possible anyway), and I even compiled a blow-by-blow account that you can read here [4] (in Russian).

This show is nothing more than a bunch of offensive clichés. The women featured in the show compete in a series of tasks that have been performed by unpaid servants (AKA kelinki) over the centuries in Central Asian households.

And this all unfolds to the accompaniment of psychological intimidation from the actress playing the role of the “capricious mother-in-law.” (ugh!)

 

I do not have the words to tell you how objectionable I find this show, which is paid for out of my taxes, and how unsuitable it is for airing in the prime-time slot.

One contestant apologized to the mother-in-law for serving cold tea and offered to pour her a fresh cup, (which the in-law later complained had something floating in it.)

Anisan'ny fandaharana iray hafa ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ao Kyrgyzstan ny Kelin.

Ho an'ireo tsy miteny Kyrgyz, manondro ny vehivavy ampakarina, vadin'ny zanaka lahy ilay voambolana. Izany no dikany ofisialy.

Amin'ny ankapobeny, andevo no dikany tsy ofisialy – ambaratonga ambany indrindra ao anatin'ny ambaratongam-pianakaviana – olona miasa mafy manao ny asa rehetra, mpanompo, olona matetika sokajiana tahaka ny tsy olombelona ary tsy dia raharahiana.

Mampikomy (manafintohina) loatra i Kelin ilay fandaharana miely eo noho eo. Fantatro ny zavatra lazaiko satria efa nijery tsara (araka izay betsaka) ny fizarana voalohany aho, ary nanangona ny tatitra izay azonao vakianao eto [4] aho (amin'ny teny Rosiana).

Tsy inona akory ity fandaharana ity fa fitambarana sary manafintohina. Ireo vehivavy nasongadina amin'ity fandaharana ity dia mifaninana amin'ny karazana asa ataon'ireo mpanompo tsy mandray vola (AKA kelinki) nandritra ny taonjato maro teo amin'ny tokantrano Aziatika Afovoany.

Ary mandeha miaraka amin'ny fandrahonana ara-tsaina (ara-psykolojia) avy amin'ireo mpilalao sarimihetsika maka ny toeran'ny “rafozambavy be haitraitra” izany.” (Ugh!)

Tsy hitako izay fomba hilazana aminao fa hitako maharikoriko ity fandaharana izay mandray vola amin'ny alalan'ny hetrako ity, ary tena tsy mety ny fandefasana azy amin'ny ora maha be ny mpijery.

Niala tsiny tamin'ny rafozana ny mpifaninana iray noho ny fanomezana dite mangatsiaka ary nasainy nararaka taminy (mpifaninana) izany avy eo (ary nitaraina avy eo ilay rafozana fa nisy zavatra tao anatin'ilay dite).

Raha ny marina, nilaza ireo feminista fa ny zava-misy eo amin'ilay rafozana tsy tena izy sy ny mpifaninana ao amin'ny Kelin dia kisarisary ambangovangony fotsiny maneho ny zava-misy mafy tena iainana.

Maro amin'ireo vehivavy Kyrgyz, indrindra indrindra ireo ampakarina nalaina an-keriny, no iharan'ny fanararaotana ara-batana sy ara-tsaina ataon'ny rafozana ary mbola ratsy kokoa noho ny hita amin'ny fandaharana aza.

Heloka bevava ao Kyrgyzstan ny fakàna an-keriny ny ampankarina kanefa zara raha misy ny fanasaziana na amin'ny alalan'ny fandoavana onitra izany na sazy any am-ponja. Matetika milaza izany tahaka ny “fomba amam-panao” ao amin'ny firenena ireo mpiaro ity heloka bevava ity sy ireo vahiny mpaneho hevitra, milaza anefa ireo mpampianatra ambony nianatra ny tantara momba izany fa tsy izany velively no izy.

Taloha, hoy izy ireo [5], nisy ny tranga fakàna an-keriny ny ampakarina teo amin'ny fiarahamonina mpifindrafindra monina Kyrgyz, saingy tsy matetika, ary noraisina ho fanao tena fady izay mety hiteraka ady mihoso-drà eo amin'ny fianakaviana.

Matahotra ireo feminisita sao ho lasa mahazatra ara-dalàna ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy tahaka izany ao Kyrgyzistan ankehitriny izay toa tohanan'ny kolontsaim-bahoaka.

Ity ambany ity ny lahatsary mampiseho ny fizarana amin'ny fandaharana Kelin, nozaraina tao amin'ny fantsona Youtube ofisialin’ ny haino aman-jerim-panjakana :