Netizen Report: Voasambotra Noho ny Lahateny Ara-politika Ireo Mpiserasera Media Sosialy Ao Myanmar, Palestina, Torkia

Sariitatra avy amin'i Carlos Latuff, azon'ny rehetra ampiasaina.

Manome topimaso iraisampirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, sy vaovao malaza momba ny zo Aterineto manerantany ny Netizen Report ato amin'ny Global Voices Advocacy.

Tamin'ny tapaky ny volana Febroary, nampahafantatra fomba fijery goavana mikasika ny andraikitry ny tambajotra sosialy amin'ny “fitondrana antsika miaraka ho fiarahamonina manerantany” i Mark Zuckerberg, Filoha Tale Jeneralin'ny Facebook. Namerina ny dokambarotra Facebook taona 2015 izany izay nampanantena hoe, “arakaraka ny hifandraisantsika, no hihatsaran'izany.”

Eny tokoa, ny fifandraisana misy na aiza na aiza araka ny fanirian'i Zuckerberg dia afaka manome tombontsoa ho an'ireo mpiantsehatra maro isan-karazany – anisan'izany ireo governemanta mikasa hitazona endrika madio sy tsara anaty aterineto sy hampangina ny mpitsikera azy ireo. Ireto nasongadina eto ambany ireto ny ohatra vitsy tahaka izany tamin'ny Febroary 2017.

Voasazy enimbolana an-tranomaizina ny lehilahy iray ao Myanmar noho ny fanalam-baraka an'i Aung San Suu Kyi,  Mpanolontsainam-panjakana tao amin'ny Facebook. Takian'ireo mpikatroka ao Myanmar ny fanovana ny fizarana 66D ao amin'ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra, izay mametraka ho heloka bevava ny fanalam-baraka. Araka ny filazan'ny PEN Myanmar, olona 38 no voampanga tamin'ity fizarana faha-66D ity hatramin'ny nidiran'ny Ligim-pirenena ho an'ny Demokrasian'i Suu Kyi teo amin'ny fahefana, anisan'izany ireo mpikatroka ny zon'olombelona sy mpanao gazety fantatra amin'ny fanehoan-kevitra mitsikera ny antoko.

 Mpanao gazety Palestiniana Sami al-Saai, mpitati-baovao ara-politika ao amin'ny fahitalavitra tsy miankina ao an-toerana  Al Fajer Al Jadeed, no nosamborin'ny Sampandraharahan'ny Fitsikilovana Palestiniana tao Morondrano Andrefana tamin'ny 2 Febroary ary voampanga ho ‘nandrisika ady ara-pivavahana‘ tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook. Na dia teo aza ny fandoavany onitra ho fanafahana azy vonjimaika, mbola nogadraina tao amin'ny fonjan'i Jerikao nandritra ny 20 andro izy izay nolazainy fa nanerena azy hitsangana mandritra ny fotoana ela, tsy navela natory, ary nampidirana zava-mahadomelina tsy fantatra in'efatra isan'andro.

Mihevitra i Al-Saai fa ny tena nisamborana azy dia noho ny fandefasam-baovao momba ireo gadra ara-politika Palestiniana ao Isiraely sy Morondrano Andrefana ka hatramin'ny Hamas, hetsi-pitolomana mitam-piadiana mifehy ny Lemak'i Gaza sady mpifandrina ara-politika voalohany amin'ny antoko nasionalista Fatah, izay mifehy ny Manampahefana Palestiniana. Miahiahy i Al-Saai fa izany tati-baovao izany no anton'ny fisamborana azy.

Voasambotra tamin'ny tapaky ny volana Febroary i Dengin Ceyhan, Tiorka mpitendry piano sady mpanohana ny fihetsiketsehana tao Gezi Park tamin'ny taona 2013 noho ny lahatsoratra tamin'ny media sosialy izay voalaza fa naniratsira ny Praiminisitra Erdogan. Tsy irery i Ceyhan – nilaza antontanisa avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany ao Torkia ny Turkish Minute fa nanomboka ny Aogositra 2016 ka hatramin'ny Janoary 2017, mpiserasera media sosialy miisa 1656 no voasambotra “noho ny fiahiahiana ho manao fampielezan-kevitra mpampihorohoro sy fanevatevana ny manampahefam-panjakana ambony tao amin'ny media sosialy.” Raha hijery ny vaovao farany momba ny sivana amin'ny media sosialy sy ny fanenjehana mpanao gazety ataon'ny manampahefana Tiorka, dia jereo ny Lahatsoratra Fanadihadiana momba ny Famoretana ao Torkia izay avoakan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety.

Ao India, manohitra ny herisetra antserasera ny mpianatra

Nivondrona ho an'ilay vehivavy mpianatra miatrika fanolanana antserasera sy fandrahonana ho faty noho ny fijoroany manohitra ny vondrona mpianatra elatra havanana Akhil Bharatiya Vidyarthi, izay manana fifandraisana amin'ny fikambanana nasionalista Hindoa  ny mpianatry ny Oniversite ao India. Nanomboka ny hetsika #StudentsAgainstABVP ilay mpianatra, Gurmehar Kaur, rehefa avy nanakorontana ny valan-dresaka momba ny kolontsain'ny fihetsiketsehana natao hampisehoana ireo mpikatroka manohana ny hetsika “Free Kashmir” ny ABVP. Manohana ny fahalalahana miteny ao amin'ny tobin'ny oniversite sy ho fanoherana ny hafatra feno fankahalana ny fihetsiketsehana, ary efa niparitaka be manerana India.

Miatrika fanafihana antserasera sy hetraketraka isan'andro i Hong Kong

Nitorytany amin'ny polisy ao an-toerana ireo mpiasa ao amin'ny gazety mpanohana an'i Beijing, Sing Pao Daily fa iharan'ny fanafihana ara-batana sy nomerika ao anatin'ny asany sy any an-tokantranony izy ireo. Ankoatra ireo fanafihana antserasera marobe tao amin'ny tranonkalan'ny gazety tamin'ny 18 sy 19 Febroary, heverina fa mifandray amin'ny fikambanan-jiolahy an-toerana izay nanafika ny tranon'ny tonian-dahatsoratra ambony tao amin'ny Sing Pao ireo mpihetraketraka, feno loko mena ny varavarana fidirana tao aminy tamin'izany. Mampiseho ny fisarasarahana eo amin'ireo mpitarika mpanohana an'i Beijing ao Hong Kong ny fanafihana.

Hanivana ireo tranonkala “manohintohina ny fiandrianam-pirenena” i Okraina

Manomana ny lisitr'ireo tranonkala “manohintohina ny fiandrianam-pirenena Okraniana” ny Minisiteran'ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao ao Okraina, mba hanajana ny foto-dalàna vaovao momba ny fiarovam-baovao ao amin'ny firenena. Toa mikendry ny fanapariaham-baovaon'ny mpisintaka sy ny mpomba ny Rosiana ny politika. Nilaza ny fanambarana avy amin'ny fiadidian'ny filoham-pirenena fa nampidirina ilay fanaovan-dalàna “mba hanoherana ny fiantraikan'ny vaovao manimba ao Rosia ao anatin'ny fepetran'ny ady roa sosona naterak’ izany.”

Te hanasazy ireo mpamaky bantsilana ao Tonizia? Misy ny volavolan-dalàna ho amin'izany

Niara-nandany ny volavolan-dalàna miaro ireo mpanao ampamoaka ny raharahan-kolikoly ny Antenimiera Toniziana tamin'ny 22 Febroary. Manome sazy ho an'ireo olona mikasa hamoaka ny mombamomba ireo mpanao ampamoaka tsy mitonona anarana ihany koa ny lalàna.

Nahoana ireo Mpanaramaso Rosiana no Mitily Ny Telegram?

Nanatontosa fivoriana mangina miaraka amin'ireo mpanoratra amin'ny fantsona malaza maromaro ao amin'ny  fampiharana fandefasan-kafatra Telegram ny mpanaramaso ny media Rosiana Roskomnadzor. Na dia mbola tsy fantatra mazava aza izay noresahin'izy ireo, nanoratra tao amin'ny fantsony ny mpitsikera iray an'ny Roskomnadzor fa nitady vaovao momba ny tolotra ny manampahefana mba hijery votoaty vaovao horaràna. Voalaza fa nokarakarain'ny filohan'ny fifandraisan'ny media ao amin'ny Mandam-bahoakan'i Rosia, hetsika ara-politika natsangan'i Vladimir Putin tamin'ny taona 2011 ny fivoriana.

Parlemanta Britanika mifantoka amin'ny algoritma

Nanatontosa fanadihadiana vaovao momba ny fampiasana ny algoritma amin'ny fanapahan-kevitra ara-panjakana sy ara-barotra ny Komitin'ny Siansa sy ny Teknolojia ao amin'ny Parlemantan'ny Fanjakana Mitambatra. «Ahoana no hamolavolana ny algoritma, ny sehatry ny fahadisoany sy ny fanitsiana, ny fiantraika mety aterany amin'ny olona tsirairay sy ny fahaizan'izy ireo mahatakatra na manohitra izany fanapahan-kevitra izany – no fanontaniana lehibe hatrany”, hoy ny Komity tamin'ny fanambarany. Azo alefa any amin'ny komity hatramin'ny 21 Aprily ny fandefasana momba izany lohahevitra izany.

Fikarohana Vaovao

Misoratana anarana ao amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny mailaka

 

Ellery Roberts Biddle, Leila Nachawati sy Sarah Myers West no niara-nanoratra ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.