‘Tsy Misiotsioka Vehivavy intsony’ Hoy ireo Mpiasa Mpanorina Trano ao Però

“Ato amin'ity toerana fanorenana ity, tsy misiotsioka vehivavy izahay ary manohitra ny sotasota ara-nofo eny an'arabe.” Sary nopihan'ny mpanoratra.

Fahamarinana iray eken'izao tontolo izao ny hoe hanalavitra tsy handeha amin'ireo toerana misy fanorenana ny vehivavy iray, indrindra fa raha irery izy. Raha sahy mankahatra io fitsipika iraisan'ny rehetra io ny vehivavy iray, dia azo eritrerettina ny hiafara amin'ny fahazoany vokany tsy mahafinaritra, fanehoankevitra tsy misy fahalalàm-pomba ary siotsioka ataon'ireo lehilahy miasa ao amin'ilay toerana.

Saingy mbola misy ny toerana ho an'ny fanantenana.

Any Miraflores, toerana fonenana hatrizay ho an'ny kilasy antonontonony ao Lima renivohitr'i Però, izay feno toerana fanorenana, nanapaka hevitra ny vondrona iray misy ireo mpiasa mpanao trano hoe hafa ny fisainana sy ny fihetsiny. Ary dia nahitàna vokatra tsara izany.

Zoro iray hafa ahitàna ilay takelaka. Sary an'ny mpanoratra.

Sarin'ny takelaka iray nataon-dry zareo no nalefa tao amin'ny Facebook, ao amin'ny pejin'ireo mpankafy Ni una menos Perú (Tsy Hisy na Vehivavy iray aza ao Però), ary hatreto dia in-300 naverina nozaraina, in-3.300 notiavina; saiky fankasitrahana daholo ireo fanehoankevitra hita ao amin'ilay sehatra:

Lu Necochea gran comienzo …woww pero q esperanzador ya no tener q pasar mas acosos, buena iniciativaa

Lu Necochea fanombohana tsara … Oooay, tena maha-velombolo ny tsy hiaretana sotasota intsony. Fandraisana andraikitra tsara.

Gisella Laynes Que bueno … aplaudo esto por que a jno le da miedo pasar por estos sitios …

Gisella Laynes Tsara. Tehafako satria tsy hatahotra intsony aho rehefa mandalo amin'ireny toerana ireny…

Adriana Lucia Me encanta! recuerdo que siempre teníamos que cruzar la pista sólo para no pasar por una construcción

Adriana Lucia Tiako ilay izy! Tsaroako fa tsy maintsy niampita mandrakariva ny arabe aho mba hisorohako ny fandehanana akaikinà toerana iray misy fanorenana.

Nisy lehilahy vitsivitsy nandefa hafatra niezaka ny hanazava ilay trangan-javatra :

Tito Surf Rock PARA LOS TRABAJADORES DE CONSTRUCCIÓN CIVIL , QUE LA GRAN MAYORÍA POR PROVENIR DE HOGARES DISFUNCIONALES ( MUCHAS VECES NO CULPA DE ELLOS , PERO SI DE SUS PADRES IRRESPONSABLES ) […] FALTAN EL RESPETO A LAS MUJERES EN GENERAL ; OLVIDÁNDOSE QUE TODOS PROVENIMOS DE UNA MUJER ( MADRE ).

Tito Surf Rock ireo mpiasa mpanao trano– ny ankamaroany dia avy aminà tokantrano nisy olana (matetika tsy hadisoan-dry zareo fa an'ireo ray amandreniny mpandositra adidy’). […] dia tsy manaja vehivavy amin'ny ankapobeny no sady manadino fa izy rehetra anie ka natera-behivavy avokoa (reniny).

Tsy dia nankasitraka loatra ny hafa :

Eduardo Antonio Cesti Jaja pero cuando eyas acosan nadie dice nada.

Eduardo Antonio Cesti LOL! Fa rehefa ny vehivavy no misotasota, tsy misy miteny kely  akory na iray aza.

Liler Vasquez Jajaja un poco más y prohíben que se.mire a las mujeres en la calle

Liler Vasquez LOL! Ho hitantsika eo, ato ho ato ho vaoràra koa ny mijery vehivavy rehefa mandalo eny an'arabe ry zareo.

Ny Global Voices dia nitafa fohy tamin'i Juan Enrique Huamaní, izay tomponandraikitra misahana ny resaka fiarovana ao amin'ilay toerana fanorenana, ary hoy izy taminay:

En la construcción, nos dan charlas de cómo portarnos. Nos hacen ver que todos tenemos mamás, hijas, hermanas y que a ninguno le gustaría saber que les dicen groserías solamente por pasar por la calle. Por eso, tomamos conciencia y queremos que todos lo sepan.

Eto amin'ny toerana fanorenana, dia nampianarina anay ny momba ny fitondrantenan'ny tsirairay. Mahatonga anay hahatsapa tena izany, hoe samy manana reny, anabavy, zanaka vavy daholo izahay rehetra, ary tsy misy na iray aza mety ho faly hahafantatra hoe tsy maintsy miaritra ireny tsy fahalalàm-pomba ireny ry zareo noho ny antony fandehanana tsotra fotsiny eny an'arabe. Izany no antony itiavanay hanairana ny fahatsiarovantena sy hahafantaran'ny olona rehetra [ny zavatra tsapanay sy ny ataonay].

Ao anatinà vanim-potoana mahamay momba ny resaka zon'ireo vehivavy ao Però no tonga io tara-pahazavana io. Iray amin'ireo malaza farany amin'ny tranganà herisetra natao tamin'ny vehivavy ny nitranga tamin'ny 27 Febroary 2017 teo, rehefa maty tao an-tranony nokendain'ny vadiny taloha ny vehivavy iray 27 taona, mpisolovava ary niteraka roa, Evelyn Corahua Fabian. Volana iray tany aloha, efa nitatitra izy fa nandraman-dralehilahy nokendaina, saingy tsy noraharahain'ireo manampahefana ny tatitra nataony. Mampalahelo, nitombo 13% ny famonoana vehivavy tamin'ny 2016 raha ampitahaina amin'ny 2015  izay nisy 95 ireo vehivavy maty ary 198 no naratra.

Nefa raha mbola miady amin'ny herisetra mifandray amin'ny resaka miralenta ny firenena, ireo mpiasa mpanao trano ao Miraflores kosa nanome ohatra tsara amin'ny resaka fanajàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.