Nilaza i Mem Fox, Aostraliana Mpanoratra Tantara Ho an'ny Ankizy Fa “Mampivarahontsana” Ny Fitànana Azy Tao Amin'ny Sisintany Amerikana

Mem fox at Ubud Writers and Readers Festival 2014

Mem Fox tao amin'ny Fetiben'ny Mpanoratra sy Mpamaky Ubud 2014. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr Anggara Mahendra. CC BY 2.0

Nirehidrehitra ny media sosialy sy ny mihoatra izany noho ny fitànana sy ny famotorona mahery vaika nataon'ireo manampahefana misahana ny sisintany ao Etazonia vao haingana tamin'i Mem Fox ilay Aostraliana be mpankafy, mpanoratra tantara ho an'ny ankizy Mem Fox.

Notànana nandritra ny adiny iray sy 40 minitra i Fox, 70 taona, ary “nalaina am-bavany” nandritra ny 15 minitra tamin'ny voalohandohan'ny Febroary tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Los Angeles tamin'izy handeha ho any an-tanànan'i Milwaukee hamonjy fihaonambe. Toa vokatry ny fahadisoana tamin'ny visa-ny avy amin'ny mpiasan'ny fadin-tseranana Amerikana sy ny Fiarovana ny Sisintany no antony nitànana azy, fa tsy noho ny politikan'ny fifindramoninan'i filoha Donald Trump.

Raha nivoaka ny vaovao tamin'ny 25 Febroary, ny tsy finoana sy ny fahatezerana no fanehoan-kevitra voalohany tao amin'ny media sosialy:

Ry mpanoratra ankafizina, Mem Fox. Tena ankona tamin'ny fomba nandraisana azy aho. Tsy azo ekena izany.

Jeez, ireo olon-dratsy tsy misy saina no misahana ny Amerikan'i Trump. Tokony hanao Mem Fox isika rehetra ary tsy mitsidika

Nitantara ny zava-niainany “mampivarahontsana” sy ny fomba nikarakarana ny hafa tao anatin'ny sombin-kevitra tao amin'ny The Guardian i Mem:

In that moment I loathed America. I loathed the entire country. And it was my 117th visit to the country so I know that most people are very generous and warm-hearted. They have been wonderful to me over the years. I got over that hatred within a day or two. But this is not the way to win friends, to do this to someone who is Australian when we have supported them in every damn war. It’s absolutely outrageous.

Tamin'izany fotoana izany, halako i Amerika, halako ny firenena manontolo. Fitsidihana faha-117 nataoko tao amin'ny firenena izany ary fantatro fa tena malala tanana sy be fitiavana ny ankamaroan'ny olona ao. Nahafinaritra tamiko izy ireo nandritra ny taona maro. Nahazo ahy izany fankahalana izany tao anatin'ny andro iray na roa. Kanefa tsy izany no fomba ahazoana namana, manao an'izany amin'ny olona Aostraliana izay nanohana azy ireo tamin'ny ady manirikiry rehetra. Tena manafintohina tanteraka.

Nilaza izy fa raha ny fifandraisan’ ireo mpiasa amin'ireo notànana no resahana, “vazavazaina ny zava-drehetra, ary ampahibemaso ny zava-drehetra”, ary nilaza ny antsipirihany manokana momba ny fitondrana vehivavy antitra Iraniana iray miaraka amin'ny seza misy kodiarana sy vehivavy iray avy ao Taiwan izy, izay samy toa tsy miteny Anglisy izy mirahavavy mianaka ireo.

Nilaza i Lam fa nahazo fialan-tsiny an-tsoratra avy amin'ny manampahefana Amerikana rehefa avy nametraka fitarainana tao amin'ny ambasadin'i Etazonia tao Canberra. Na izany aza, toa tsy nampangina ireo mpanohana azy ny fialan-tsiny:

@USAembassyinOZ tena fomba manalabaraka tanteraka ny nitondrana ilay andrarezina Aostraliana, Mem Fox! Ny tsy fanajana tahaka izany! Tsy misy fialan-tsiny! Tsy ampy Fialan-tsiny!

Amerika! efa tezitra taminao aho saingy ankehitriny nampitomanianao i Mem Fox , mino aho VITA MANDRAKIZAY amin'ny fomba ofisialy ny amintsika..

Nanjary lasa sary-sy-soratra miverimberina amin'ny fanehoan-kevitra anaty atereinto ny boky sy ny maha olo malaza an'i Mem, indrindra fa ilay ondry maintso anankiray:

Notazonina ao Etazonia mandram-pilazany amin'i Trump izay toerana niafenan'ny Ondry Maitso i Mem Fox

Sioka hafa kosa nahita hatsikana tamin'ity tanatra mampalahelo ity:

Voalohany, tonga ho any amin'ireo mpanoratra ho an'ny ankizy izy ireo ary tsy niteny aho…
Andraso.
Nankany amin'ireo mpanoratra ho an'ny ankizy izy ireo?

Sarah J. Schmitt niresaka tamin'ireo ray aman-dreny marobe:

Tsia ry helo. Aza migidragidra an'i Mem Fox ianao. Hiady aminareo ny zanako lahy!

Ny bokin'i Fox ho an'ny ankizy mitondra ny lohateny hoe “Aostraliana ihany koa aho”, no tena mifanaraka indrindra amin'ny zava-niainany.

Mampalahelo fa, mpitsoa-ponenana aho, mbola tsy Aostraliana aho. Saingy raha mamela ahy ny firenenao…..hihaino ny boky vaovaon’ i Mem Fox eto

Raha ny marina, naneho mazava ny dikan'ny zava-nitranga ny sangan'asan'i Fox :

The irony! I had a copy of my new book “I’m Australian, Too” – it’s about immigration and welcoming people to live in a happy country.

Ny esoeso! Nanana dika mitovy amin'ny boky vaovao “Aostralianina koa aho” aho – miresaka fifindramonina sy ny fandraisana olona honina ao amin'ny firenena sambatra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.