- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Meksika, Tandremo ny Voatabia ho an'ireo Politisiana Tsy Alehany

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika
JitomatazoMx

Sarinà voatabia lò, nozarain'i Alan Levine [1]tao amin'ny Flickr, Nampiasàna ny lisansa Creative Commons 2.0.

Arne aus den Ruthen Haag [2], mpiasam-panjakàna fahiny, ankehitriny mpikatroka mafàna fo, no mitantana ny fanentanana antsoina hoe #JitomatazoMx [3] hitorahana eny amin'ny tavany – ara-bakiteny io – ireo mpikambana ao anatin'ny kilasy politika ny tsy hafalian'ny fiarahamonina nateraky ny fanararaotana tafahoatra sy ny fandanilaniana fahatany nampiavaka azy ireny.

Rehefa tsy misy ny fomba araka ny lalàna azo hiadiana amin'ny fanararaotana ataon'ny kilasy politka, ny “jitomatazo” (toraka voatabia) no fomba tsara indrindra hanehoana amin-dry zareo ny tsy fankasitrahantsika.

Ilay fanentanana, izay ny Twitter [4] no tena iparitahany betsaka indrindra, dia miantso ireo olona liana amin'izany hanangona voatabia– na jitomates araka ny iantsoana azy ao Mexico – mba hahafahana manipy azy ireny eny amin'ny tavan'ireo mpiasam-panjakana.

isa miverina. Amin'ity herinandro ity dia hanomboka hiasa toy ny vondrona iray fanoheran'ny olom-pirenena izahay.

Ny voalohany indrindra lasibatr'ity endrika fanoherana ity dia ny solombavambahoaka César Camacho [8] avy amin'ny Parti Révolutionnaire Institutionnel [9] (PRI), fikambanana politika izay nitondra ny firenena nandritry ny 70 taona mahery tamin'ny taonjato lasa iny, ary vao haingana no niverina indray eo amin'ny fitondràna niaraka tamin'ny filoha Enrique Peña Nieto [10]. Anakianana an'i Camacho ny nandraisany “tambiny tamn'ny Noely [11]“, tamby tena azo iadiana hevitra tsara tamin'ny Desambra 2016.

Ao Meksika, ireo solombavambahoaka toa an'i Camacho dia afaka tanteraka ny barakany [12] noho ireo tombontsoa raisin-dry zareo, [13] ary tsy mitsahatra ny mitombo nefa ny vahoaka miatrika ny fiakaran'ny vidin'ny angovo [14] sy fahasahiranana ara-toekarena isankarazany.

Efa niteraka fanontaniana sahady mba hahafantarana hoe iza no ho lasibatra manaraka ity fanentanana ny olontsotra ity. Taorian'ny fanadihadiana tety anaty aterineto, dia angamba ho ilay mpilalao an-tsehatra efa fitopolo taona any ho any Carmen Salinas [15], mbola solombavambahoaka avy amin'ny PRI ihany koa, izay mitazona io toerana io kanefa tsy lasa lavitra nihoatra ny sekoly ambaratonga fototra akory [16].

Iza no heverinao hatolotra ho an'ny #Jitomatazo [3] manaraka ?

Efa miresaka fanadihadiana ihany isika, ilay mpahay politika, Luis Rodolfo, dia nanao iray koa izay nampisongadina fa ireo mpanjohy azy dia mankasitraka ity fanentanana ity :

Ekenao sa toherinao ny #jitomatazo [18]? ???

Ny fanehoankevitra voalohany natosiky ny #JitomatazoMx dia ny an'i César Camacho izay nametraka fitoriana [20], satria heveriny fa fanafintohinana atao azy ireo hetsika notarihan'ny Arne aus den Ruthen Haag.

Naneho ny tsy fankasitrahany ny #JitomatazoMx ihany koa ny sasany amin'ireo mpampiasa Twitter noho ny endrika feno herisetran'ilay hetsika :

@DarioJimenezL Momba ny “jitomatazo”, laviko izay rehetra miendrika herisetra, manakana ny fampihavanana ny fiarahamonina izany.

Laviko ny jitomatazo, herisetra io, aza tsinontsinoavintsika, aoriany mety hisy iray hirehidrehitra hamoaka fitaovampiadiana, sorohy izany.

Tamin'ny taona lasa [24], fantatra tamin'ny nampiasàny ny fampiharana Periscope [25] tao amin'ny toerana fiasàny ny Arne – izay azo arahana ao amin'ny Facebook [26] – izay mametraka ho ety anaty serasera ireo lahatsary milaza fitondrantena tsy araka ny lalàna, feno fanararaotana sy mahery setra ataonà olompirenena maro. Fotoana fohy taorian'izay, nialàn'i Arne ny toerana notazoniny tao amin'ny asam-panjakàna ary ankehitriny izy dia manokana ampahany be amin'ny fotoanany ho an'ny asa fikatrohana.

*Fanamarihana momba ny teny : ao an-tanànan'i Mexico, ampiasain'ny olona ny fomba fiteny hoe “jitomate” mba hanondroana ireo voankazo mena avy amin'ny tabia, raha ny teny niandohana kosa dia ny náhuatl tomatl, izay nanome ny teny miasa ankehitriny any amin'ny faritra avaratry ny firenena mba hilazàna io voankazo io ihany.