- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikatroka Nohelohin'ny Fitsarana Maleziana Noho ny Fandefasana Horonantsary Fanadihadiana Miresaka Zon'Olombelona

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Sary avy amin'i @Callum_Macrae, ny talen'ny fanadihadihana

Hitan'ny fitsarana Maleziana fa meloka ilay mpikatroka  mpiaro ny zon'olombelona noho ny fanitsakitsahana ny Lalànan'ny Fanasivanana Sarimihetsika ao amin'ny firenena, izay mandrara ny fandefasana lahatsary tsy nahazoana fankatoavana avy amin'ny governemanta.

Mety hiatrika hatramin'ny telo taona an-tranomaizina i Lena Hendry rehefa nanambara ny Fitsarana Ambaratonga voalohany tamin'ny 21 Febroary fa nikarakara fandefasana horonantsary fanadihadiana mitokana ny fikambanany izay mitondra ny lohateny hoe “Tsy Misy Fetrany ny Afo: Ny Saha Famonoana Tao Sri Lanka” raha tsy nisy fahazoan-dalana avy amin'ny Biraon'ny Mpanao sivana.

Natrehan'ny olona miisa 150 ny sarimihetsika izay nalefa tamin'ny 3 Jolay 2013. Nandritra izany, nanao bemidina teny an-toerana ny polisy  miisa 30 ka nampiato ny fandaharana.  Voalaza fa nanery ny governemanta Maleziana ny  masoivoho ao Sri Lanka mba hisakana ny fandefasana ny lahatsary fanadihadiana.

Nanao fitoriana fiampangana an'i Hendry ny polisy taorian'izay, izay lehiben'ny fandaharana ao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Pusat KOMAS ao Malezia. Tamin'ny taona 2016, nanafaka madiodio an'i Lena Hendry ny fitsarana ao an-toerana , kanefa nampakatra ny raharaha ny mpampanoa lalàna.

Miresaka ny ady an-trano tao Sri Lanka tamin'ny taona 2009  ny “No Fire Zone” [2] izay voalaza fa namoizana ain'olona Tamil hatramin'ny 70.000 . Nilaza ny mpamokatra  fa nanampy tamin'ny fanoroana ireo delegasiona hankany amin'ny Vaomieran'ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana mikasika ny zava-misy ao Sri Lanka ny sarimihetsika.

Naseho tamin'ny hetsika maro any Malezia ny lahatsary fanadihadiana sy tao amin'ny lapan'ny parlemantan'ny firenena mihitsy aza. Saingy mbola misitery ny antony nikendren'ny polisy an'i Hendry noho ny fandefasana ilay sarimihetsika.

Fa ho an'ireo mpikatroka maro , nanaporofo ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Ambaratonga voalohany fa fitaovana fanasivanana mamongotra ny fahalalahana miteny ny lalàna [3]. Nandrisika ny governemanta izy ireo hanafoana ny lalàna “lany andro” sy “mangeja”. Nampitandrina ihany koa izy ireo fa hampihorohoro ny fiarahamonina ny fanapahan-kevitra satria afaka hanenjehana ireo lahatsary sy ireo fanadihadiana hafa izay manakiana ny politikan'ny fanjakana ny zava-mitranga .

Taorian'ny famoahana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin'ny herinandro lasa,  namaly haingana sy nanangona ny fanohanan'ny vahoaka ireo namana sy ny mpanohana an'i Hendry .

Ity ambany ity ny ampahany tamin'ny taratasy [4] izay natolotry ny mpamokatra ny fanadihadiana. ho an'ny  manampahefana Maleziana :

The reality is that the law is being used for political censorship, and that is what appears to lie behind the conviction of Lena.

History has vindicated the film. Yet while the perpetrators of the crimes it exposed walk free, Lena faces jail for showing it. Her conviction is a denial of free speech which brings shame on Malaysia and should immediately be overturned.

Nampiasaina ho fanasivanana ara-politika ny lalàna raha ny marina, ary izany no hita ao ambadiky ny fanamelohana an'i Lena.

Manamarina  ny tantara ny sarimihetsika. Kanefa raha naseho fa afaka madiodio ireo nahavanona ny heloka bevava, dia miatrika famonjana i Lena noho ny fandefasana izany . Ny fandavana ny fisian'ny fahalalaham-pitenenana no hanamelohana azy izay mitondra fahamenarana ho an'i Malezia ary tokony hofoanana avy hatrany.

Nanontany [5] ny antony manosika ny polisy ilay mpiaro ny zon'olombelona Pusat KOMAS :

We continue to be puzzled that while the police found no basis to detain Lena’s colleagues who were also present in the same event, she was singled out and charged with committing an offense. This contradictory double standard action reflects the inconsistency in the prosecution and the ridiculous nature of Lena’s arrest and subsequent conviction for screening a documentary film.

Mbola mahagaga fa raha mbola tsy nahita porofo ny polisy mba hitanana ny mpiara-miasa amin'i Lena izay tao amin'ny hetsika ihany koa dia izy no voatondro ary voampanga ho nahavita heloka bevava. Maneho ireo zava-miseho mifanohitra roa ireo fa tsy mifanaraka ny fanenjehana sy ny fisamborana mampihomehy an'i Lena ary ny fanamelohana azy avy hatrany noho ny fandefasana horonantsary fanadihadiana.

Namaritra [6] ny didim-pitsarana ho famelezana ny fahalalaham-pitenenana ny Foibe ho an'ny Asa Fanaovan-gazety Mahaleontena :

This demonstrates the targeting of civil society by the Malaysian government for promoting discussions on human rights and expression of political viewpoints. Censorship laws – whether impacting journalism or creative content – are drawn up and implemented arbitrarily, and historically abused to silence critical content.

Maneho izany fa mikendry ny fiarahamonim-pirenena ny governemanta Maleziana amin'ny fampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra momba ny zon'olombelona sy ny fanehoan-kevitra mikasika ny fomba fijery ara-politika. Noforonina sy nampiharina tsy ara-drariny ireo lalànan'ny fanasivanana izay mifandray amin'ny asa fanaovan-gazety sy ny famoronana votoaty, ary nohararaotina izany mba hampanginana ireo votoaty fitsikerana ara-tantara.

Nanatevin-daharana ireo mpikatroka Maleziana ny Fiombonan'ny Gazety any Azia Atsimo-Atsinanana amin'ny fangatahana ny fanafoanana ny lalàna;

Section 6 of the Film Censorship Act in particular is ridiculously obsolete in the context of today’s communications technology which allows anyone with an internet connection to access an unlimited number of films that did not pass through the censorship body.

Tena lany andro ny andininy faha 6 amin'ny làlanan'ny Fanasivanana Sarimihetsika manokana, indrindra fa manodidina ny sehatry ny teknolojian'ny fifandraisana ankehitriny izay mamela ny rehetra miaraka amin'ny fifandraisana aterineto mba hahazo sarimihetsika tsy manam-petra tsy mandalo mpanao sivana .

Nampiasain'ny mpanohana an'i Hendry mba ampahafantarana ny vahoaka momba ny raharahany ny tenirohy #ArovyLena [7].

Tsy heloka ny fandefasana, fizarana, fijerena ary famokarana sarimihetsika  .

Manantena aho fa ho maro kokoa ny olona indrindra fa ny avy ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny sarimihetsika no hanao ny anjarany mba #ArovyLena [11], ary tsy hijanona hangina momba izany

Mahakasika antsika ny fanamelohana an'i Lena Hendry tao #Malezia [13] noho ny fandefasana horonantsary momba ny ady tany #SriLanka [14] . Mampivarahontsana ny vokany eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra .