Nizara ireo Finoana Mahatsikaiky Nandritra Ny Fahazazany Ireo Afrikana Tatsimo

Varatra latsaka. Mino ireo ankizy sasany ao Afrika fa  ilatsahan'ny varatra izy ireo raha manao akanjo miloko mena . Sary Creative Commons avy amin'ny mpisera  Wikipedia Jessie Eastland.

Nahazo laza tao Afrika Atsimo ny tenirohy mahatsikaiky, #ThingsIBelievedInAsAChild, izay namoahan'ireo olona ny finoanoam-poana maromaro mampihomehy nandritra ny fahazazany .

Ireto misy ampahany vitsivitsy tamin'ireo sioka niseho teo ambanin'ny tenirohy.

Malina be i “Divinity” rehefa mihinana voasary satria:

Hanomboka haniry voasary ao an-kibonao raha mitelina voam-boasary ianao

Nino i “Big Boss” fa amin'ny andro ihany no mahazo misioka  ;

Aza misioka amin'ny alina, fa mitondra vintan-dratsy.

Nihevitra i Levi fa mifandraika amin'ny fandinganana olona ny halavana :

Raha misy olona mandingana anao eo ambany tongony iray, dia tsy mitombo halavana ianao raha tsy miverina manala ny fandinganana nataony izy  ???

Ahoana ny mampandeha ny fahitalavitra?:

Tena ao anatin'ny fahitalavitra ireo olona ao amin'ny fahitalavitra .

Raha mahita fiara mitondra razana mandalo ianao:

Raha mahita io fiara io ianao dia tsy maintsy mitazona volo iray mandra-pidifiny na ??? hafa .

Tsy maintsy manao ny akanjo “tsara indrindra fanaovana alahady ” ianao , eny, rehefa Alahady:

Amin'ny andro alahady ihany no hanaovana ny akanjo vaovao, fa tsy mandritra ny herinandro

Nino i “#Avantgardehipster”:

Tsy mety maty hono ny olona bobo fa manjavona fotsiny .

Tsy mbola nahita filazana manjo momba ny bobo iray aho mandraka ankehitriny ??

Nizara ity sary manaraka ity ny mpisera iray tao amin'ny siokany :

Mahasalama sy mampatanjaka ny fihinanan-kanina be loatra .

Ahoana hoy ianao?:

Tena nino tokoa aho fa atody ireo vihin-dahy.

Avy aiza ny zazakely?:

Vidiana ny zazakely fa tsy teraka

Nahoana ny vata fampangatsiahana no mirehitra jiro ho azy ?:

Misy olona kely ao anaty vata fampangatsiahana mampirehitra ny jiro rehefa misokatra izany.

Ahoana no hamantarana ny olona  manan-karena  ?:

Olona manan-karena ianao raha nanana ity ao an-trano ??

Raha tsy te ho banga ridana ianao mandritra ny fiainanao rehetra …:

Tsy hisy solony na oviana na oviana ilay nify raha tsy atsipinao any an-tafotrano rehefa avy manala nify ianao

Nihevitra i “DJASH” hoe:

Antsoina hoe colgate avokoa ny fiborosiana nify rehetra

Jik ny vokatra famotsian-damba rehetra

Antsoina hoe Lux na Sunlight ny savony rehetra !

Vokatra malaza aty Afrika Atsimon'i Sahara ny Jik, Colgate, Lux ary ny Sunlight .

Jereo aloha ny tatitra mikasika ny toetrandro alohan'ny hanaovanao akanjo miloko mena :

Aza mitafy mena raha toa ka misy ny oram-baratra … mety tonga dia hilatsahan'ny varatra avy hatrany ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.