Tonga Any Angola Ny Fanadiovan'i Erdogan

Noteren'ny manampahefana ao Angola hampitsahatra ny asany ny Colégio Esperança Internacional, fantatra amin'ny anarana hoe “Kolejy Tiorka”, ny 10 Febroary teo. Sary: pikantsary /Facebook

Tany am-piandohan'ity volana ity (Febroary), nakaton'ny ministeran'ny Fanabeazana ao Angola ny sekoly iraisampirenena Hope, fantatra amin'ny anarana hoe “Kolejy Tiorka”, sekoly iray tsy miankina ao Loandà.Araka ny gazety Angoley O País, nofoanana daholo ny fahazoandàlana hiasa nanan'ireo vahiny niasa tao amin'ilay sekoly ary ato ho ato dia iangaviana izy ireo handao ny firenena.

Ahian'ireo mpanakiana io fanapahankevitra io, tohanan'ny didim-panjakàna iray navoaka tamin'ny Oktobra saingy izao vao nampiharina, ho mety vokatry ny tsindry avy amin'ny Filoha Tiorka Recep Tayyip Erdogan, izay nanao fisamborana faobe tao Tiorkia ny governemantany taorian'ilay andrana fanonganana fanjakàna tsy nahombe tamin'ny Jolay.

Tamin'ny Oktobra, nitatitra ny gazety Folha 8, tsy nolazainy ny loharanony, fa notakian'i Erdogan tamin'ny governemanta Angoley ny handroahana ireo teratany Tiorka hody ho takalon'ny fandefasana vokatra fihinana, toy ny vary.

Tchissola Figueiredo, 16 taona, mpianatra ao amin'ilay kolejy, dia namoaka lahatsary iray tao amin'ny Facebook, namariparitany ny zavatra nitranga tamin'ny nanakatonana ilay sekoly, rehefa nolazainy fa notapahan'ireo manampahefana avy amin'ny ministeran'ny fanabeazana ny fampianarana maraina. Tokony ho tamin'ny 11 ora maraina, voalaza fa nilahatra nanodidina ny faritra rehetra tao amin'ilay toeram-pianarana ny polisy ary nangataka ny hahita ny taratasy fanamarinana ny maha-izy an-dry zareo.

Ao anatin'ilay lahatsariny ao amin'ny Facebook, izay efa nisy nijery in-80.000 eo ho eo tamin'n fotoana nanoratana ity, lavin'i Tchissola ihany koa ny tsahotsaho mandeha ao amin'ny WhatsApp milaza ny sekoly ho toy ny toerana nampiroboroboana ny Silamo mahery fihetska sy nanohana ny hetsik'i  Fethullah Gülen, ilay teratany Tiorka mialokaloka any Etazonia ampangain'i Erdogan ho atidoha nikotrika ilay fanonganana fitondràna tamin'ny taona lasa tao Tiorkia.

Esse movimento não tem nada de errado. É um movimento humanista. É um movimento que tem como objetivo mostrar que nem todos os muçulmanos são radicais e são extremistas. E mesmo assim, nós não fazemos parte desse movimento. Nós não fazemos parte do movimento do Fethullah Gülen. Mas mesmo que fizéssemos não haveria problema nenhum. Porque se o Fethullah Gülen estivesse mesmo na base do golpe de estado que aconteceu na Turquia, o povo americano não o teria acolhido como está a acolher até agora.

Tsy misy zavara ratsy ataon'io hetsika io. Hetsika miahy ny maha-olona io. Hetsika mikendry ny hampiseho fa tsy ny Silamo rehetra akory dia mahery fihetsika sy mpampihorohoro daholo. Sady koa, tsy mpikambana ao anatin'izany hetsika izany izahay. Tsy rantsan'ny hetsik'i Fethullah Gülen. Ary raha atao aza hoe izany izahay, tsy tokony hisy olana izany. Satria raha i Fethullah Gülen tokoa no tena rangory fototry ny afo tamin'ilay fanonganana nitranga tao Tiorkia, tsy ho nandray azy amin'izao maha-izy azy izao mihitsy ny vahoaka Amerikana.

Noraketin'ilay mpanao gazety, Pedrowski Teca, avy amin'ny gazety Folha 8 ny bemidina nataon'ny governemanta tao an-tsekoly, ary nozarainy tao amin'ny pejiny Facebook:

Araka ny voalazan'ny Deutsche Welle, milaza ny hanomana hetsi-panoherana ilay fanapahankevitra nanakatonana ny sekoly ireo ray aman-drenin'ny mpianatra.

Tsindry avy any Ankara?

Tsy nijanona tamin'ny fanakatonana ny sekoly ny famoretana nataon'ny polisy. Mpikambana roa avy ao amin'ilay toerana fampianarana, Ibrahim Gardol sy Elgiam Tusdiev, no nampangaina ihany koa ho nanao famotsiambola, famatsiana asa fampihorohoroana iraisampirenena, ary fikambanana anaty hetsika ideolojika nisy fifandraisany tamin'ilay andrana fanonganana fitondrana tany Tiorkia, hoy ny O País, nitanisa loharano iray tsy notononiny.

Nolavin'ny minisitry ny atitany ao Angola, Ângelo da Veiga Tavares, ny hoe tsindry avy any ivelany no nanosika ny hetsika nataony, tamin'ny fandàvany hanome antsimpirihany misimisy kokoa momba izay antony nanaovana ilay hetsiky ny polisiny. Hoy izy tao anaty tafa iray ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 15 Feb :

A questão que fez com que o Governo tomasse a decisão do encerramento do colégio é uma questão de bastante gravidade, não tem nada a ver com quaisquer pressões que o Governo angolano vem sofrendo de qualquer país, mas por questões de natureza factual em que nós não vamos pormenorizar, porquanto existem outras estruturas que estão também a dar tratamento a esta questão.

Tena mavesatra be ny olana nahatonga ny governemanta nandray fanapahankevitra nanakatona ilay kolejy, tsy misy mihitsy ifandraisany amin'izay tsindry natao tamin'ny firenena hafa governemanta Angoley, fa antony noho ny zavamisy izay tsy hotanisainay etoana ny antsipirihany, satria misy rafitra hafa izay mbola mikirakira ihany koa an'ity olana ity.

Vao haingana ny filoha tiorka no nitety an'i Afrika, nandalo tany Mozambika, toerana izay nanaovany ihany koa fangatahana tsy misy hafa amin'io mba hanakatonana sekoly sy tetikasa marobe misy ifandraisany amin'ireo Tiorka mpifanandrina aminy. Amin'ity tranga ity, nizara ny ahiahiny ilay mpampiasa Facebook  “El Thazi,” teratany Mozambikàna :

Este foi o pedido de Erdogan, presidente Turco. Desde do atentado falhado, diz que temos na SADC células/empresários turcos que financiam o terrorismo na Turquia.
Solicitou a entrega destes em troca de apoio financeiro: chantagem
Nós Moçambicanos não vamos entrar nessa. A nossa constituição não nos permite.

Fangatahan'i Erdogan, filoha tiorka io. Hatramin'ilay fanonganana tsy nahomby, lazainy fa manana mpandraharaha isika ato anatin'ny SADC izay manohana ara-bola ny asa fampihorohoroana any Tiorkia.
Takiany ny hanolorana azy ireny ho takalon'ny fanohanana ara-bola: ambana fandrahonana
Tsy hiditra amin'izany ny Mozambikàna. Tsy mamela antsika hanao izany ny lalàm-panorenantsika.

Luaty Beirão, Angoley mpikatroka mafàna fo miatrika fitsaràna noho ny fiokoana, noho ny raharaha sarotra fantatra amin'ny hoe 15 + 2, koa dia nampangain'ny governemanta tiorka ho tafiditra aminìilay tantara ratsy :

#angola nandritry ny roa andro, tiorka mpampianatra sy ny fianakaviany, miatrika fandroahana tsy ARA-DRARINY ataon'ny governemanta Angoley. Misy resaka fitakian'i Erdogana ilay izy!

Nilaza ilay Mozambikàna mpanao gazety, Rafael Ricardo, hoe voavidin'ny governemanta tiorka tamin'ny “hanina iray lovia” ny fitondràna ao Angola :

É muito perigoso ser uma nação faminta porque quem tem comida pode fazer o que quiser em onde há fome: Comprar um país com um prato de arroz.

Eis os tentáculos do imperador otomano pelas bandas dos kambas. Ele quer encerrar todo negócio turco dr qualquer cidadão turco que esteja fora do seu “habitat” político. É o mesmo desejo que ele tem por cá.

Tena mampidi-doza ny maha-firenena noana, satria ireo izay manana sakafo dia afaka manao izay tiany hatao amin'ireo ràmaka: Mividiana firenena iray amin'ny alàlan'ny vary iray lovia.

Ireto ny tandroka itsentsefan'ny Ampira Ottoman amin'ny alàlan'ny tarika Kambas. Tiany hakatona daholo izay rehetra fandraharahàna an'ny teratany tiorka ivelan'ny “tontolo” politika misy azy. Faniriana tsy misy hafa amin'izany no tiany atao eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.