Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tohina Tamin'ny Tsaho Mikasika Ny ‘Famarotana’ Ny Faafu Atoll Amin'ny Arabia Saodita Ireo Maldiviana

Toerana fialan-tsasatra ao amin'ny nosy iray ao amin'ny Faafu Atoll, Maldiva. Sary avy amin'i Warren Rohner tao amin'ny Flickr. CC BY-SA 2.0

Fantatra fa hitsidika ny nosin'ny firenena Maldiva amin'ity volana ity ny Mpanjakan'ny Arabia Saodita Salman Salman bin Abdulaziz al-Saud, ary mandeha ny tsaho fa hanao ny sonia fifanarahana hanofa ny Faafu Atoll mandritra ny 99 taona izy mba hampandrosoana Faritra Ara-toekarena iray Manokana.

Tsy mbola misy ny antsipiriany amin'ny fifanarahana, kanefa tsy nanakana ireo Maldiviana hanohitra ny drafitra kasaina hatao tao amin'ny media sosialy izany, izay noheverin'ny maro ho toy ny “fivarotana” ny faritanim-pirenena ataon'ny governemanta .

Namidy ho an'ny manankarena indrindra eto amin'izao tontolo izao ireo nosy #Maldiva. Tsy maintsy hoterena hifindra ireo mponina ary haondrana any amin'ny faritra voatendry manokana.

Tonga ny fotoana hanangonana fasika vitsivitsy avy amin'ny torapasik'i faafu atoll. Fampahatsiahivana ny fotoana nihazakazahan'ny tongotsika namakivaky izany ankahalalahana.Tamin'izany fotoana izany no nanana azy isika

Araka ny tatitra, liana amin'ny fividianana ireo atoll ao Maldives ny Saodiana mba hampivelarana tanàndehibe manaram-penitra iraisampirenena ho an'ny mpanankarena manerana izao tontolo izao. Voalaza fa mitodika any amin'ny Atoll ao  Faafu ao Nilandhe Avaratra ry zareo, izay ahitana nosy miisa 18 eo ary fonenan'ny olom-pirenena manodidina ny 6.000 eo ny dimy amin'izany .

Nilaza ny Filohan'ny Maldiva Abdulla Yameen Abdul Gayoom tao amin'ny kabariny ho an'ny vahoakan'i Magoodhoo, iray amin'ireo nosy misy mponina ao amin'ny Faafu Atoll, tamin'ny 24 Janoary fa liana manokana amin'ny Faafu Atoll ny governemanta Saodiana. Nilaza ihany koa ny filoha fa hanome tolotr'asa an-jatony maro ny tetikasa.

Araka ny Maldives’ Finest izay tranonkalam-baovao mifantoka amin'ny toeram-pialan-tsasatra ao amin'ny firenena , ahitana fanorenana tanàndehibe iraisampirenena iray miaraka amin'ny fotodrafitrasa avolenta, anisan'izany ny sampana oniversite ambony indrindra eto amin'izao tontolo izao, toeram-pitsaboana, toerana fialana voly, toeram-pivarotana sy trano fisakafoanana ny volavolan'asan'ireo Saodiana ho an'ny Faafu Atoll mba handravahana ny hatsarana voajanahary sy ny torapasiky ny nosy.

Na izany aza, misy ny tsaho miely patrana momba ny filazana fa nivarotra ny ampahany amin'ny Atoll amin'ny Saodiana ny fanjakana. Miantso ny governemanta mba hamoaka ny planiny amin'i Faafu Atoll ny fikambanana maldiviana miady amin'ny kolikoly sy Mandala ny Mangarahara.

Tamin'ny Septambra teo, nanambara ohatra amin'ny kolikoly nataon'ny Filoha Abdulla Yameen sy ny governemantany (jereo ny tatitry ny Global Voices ) ny fanadihadiana novelabelarin'i Al Jazeera mitondra ny lohateny hoe “Fangalarana Paradisa” . Nampiseho kolikoly miisa 59 mikasika ny fanofana  tany ny fanadihadiana izay ahitana ny filoha lefitra nikarakara ny fifanarahana niaraka tamin'ny orinasan'ny trano filokana sy ny trano fandraisam-bahiny lehibe izay nanofa ny nosy manontolo mahatratra vola an-tapitrisany maro. Ampahany kely tamin'izany ihany no vola niditra tamin'ny tahirim-bolam-panjakana  ao Maldiva , ary nozaraina ho an'ny orinasan'ny fianakaviana sy ny naman'ny filoha lefitra kosa ny sisa tamin'izany izay mitentina 80 tapitrisa dolara Amerikana  .

Nanoratra tao amin'ny Facebook ny antony hanoherany ny fivarotana ny Faafu Atoll i Aisha Hussain Rasheed :

Maldivians, today, are suffering the consequences of allowing political elites make decisions on our behalf without any accountability; getting behind decisions made by political leaders based only on short term personal benefits, partisan political interests and empty nationalistic, religious or political rhetoric. The possible sale of Faafu atoll (or part of the atoll) to the Saudis is not just on the government; it's also on the opposition, which allowed the constitutional amendment to go through, because that MIGHT secure the release of THEIR president. It's also on all of us, for allowing this system and atmosphere to continue.

Mijaly vokatry ny famelana ireo sangany ara-politika hanapan-kevitra eo amin'ny toerany tsy misy tamberin'andraikitra ireo Maldiviana amin'izao andro izao; miorina amin'ny tombontsoa manokana tsy maharitra , amin'ny tombontsoan'ireo mpanohana ara-politika sy ny kabary poakaty tsara lahatra nasionalista , ara-pivavahana sy ara-politika ny fanapahan-kevitra ataon'ireo mpitarika ara-politika. Tsy avy amin'ny governemanta fotsiny ihany ny mety ho fivarotana ny Faafu Atoll (na ny ampahany amin'ny atoll) amin'ny Saodiana ; fa avy amin'ny mpanohitra ihany koa izay mamela ny fanatanterahana ny fanitsiana ny lalampanorenana, satria METY hiaro ny famotsorana ny filohan'IZY IREO izany. Ho avy amintsika ihany koa ny tsy mety amin'ny famelana io rafitra sy io rivotra io hitohy .

Miantso hisian'ny hetsiky ny olom-pirenena i Mohamed Shahid :

This is no time for despair or giving up. This is a time for organizing, stop selling our Islands and reefs and Faafu Atoll fighting back.

Tsy fotoana izao ho an'ny fahakiviana sy ny fileferana. Izao no fotoana ho an'ny fandaminana, fampitsaharana sy fanoherana ny fivarotana ny Nosintsika sy ny vatohara ary ny Faafu Atoll .

Tao amin'ny Twitter, naneho ny hatezerany ny olona tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenifototra #VonjeoFaafu:

Izahay, mponina eto Maldiva, manohitra tanteraka ny famarotana na ny fanofana ny tanin'i Maldiva ho an'ny firenen-kafa.

Ritina ny farihy Faafu, takiana ny tany, haorina ambony rano ny trano raitra sy spas, amidy amin'ny mpanankarena indrindra; miasa toy ny mpanompo, mpanadio, mpandroso sakafo ny mponina eto  Faafu.

Mitsangana hanohitra ny fivarotana tany ho an'ny vahiny tsy misy filazana amin'ny mponina aho. Atsaharo ny fivarotana ny Faafu Atoll amin'ny fianakavian'ny mpanjaka Saodiana.

Avy amin'ny olom-pirenena ary mijanona hatrany miaraka amin'ny olom-pirenena ny fahefan'ny Fanjakana eto #Maldiva.

Maldiviana aho ary manohitra ny fivarotana ny Faafu Atoll sy ireo nosy eto amin'ny fireneko ho an'i Arabia Saodita, na ho an'ny antoko hafa avy any ivelany .

Tsy anaran'ny atoll fotsiny ny hoe “Faafu”, fa literan'abidia amin'ny teny Maldiviana antsoina hoe Dhivehi ihany koa. Nizara sary iray momba ny abidy miaraka amin'ny litera nosoloina ny sarin ‘ny mpanjaka Saodiana ilay mpisera Twitter Tedry:

Tsy misy Faafu intsony.

Tsy manao tatitra firy ny fampitam-baovao mahazatra ao Maldiva ary misy ny tatitra fa nahazo vola “fanomezana”nandritra ny lanonan'ny Masoivoho Saodiana iray ireo mpanao gazety :

Natao angamba izany kolikoly izany mba hampanginana ireo tsikera momba ny fifampiraharahana famarotana ny Faafu Atoll amin'i Arabia Saodita, na mba hitaterana tsara ny fitsidihan'ny Mpanjaka.

The rumored agreement will have geopolitical implications too, argues Mickail Naseem:

Manana fiantraikany amin'ny lafiny ara-jeopolitika ihany koa ny tsahon'ny fifanarahana, hoy i Mickail Naseem:

Tsy resaka tany miha-kely ho an'ny tompontany ihany ny fivarotana ny Faafu Atoll, fa misy fiantraikany lehibe kokoa. Mamela ny nosintsika ho ampiasaina amin'ny tetipanoroona jeopolitika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.