- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Endriky ny Fanoherana: Mihaino ve Ianareo? Rakipeo

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Atsimo, Karaiba, Etazonia, India, Japana, Meksika, Trinite sy Tobago, Fanoherana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Global Voices Podcast

Mety hieritreritra ianao, andraso iray minitra aloha. Noheveriko ity Rakipeo ity ho antsoina hoe Ny Herinandro Teto Amin'ny Global Voices. Marina ny anao.  Efa navaozinay ny anarany ho Mihaino ve Ianareo?, karazana pimaso amin'ilay teny namantarana ny Global Voices hatry ny ela hoe ‘Miteny izao Tontolo izao, mihaino ve ianareo?’ Saingy aza manahy. Hijery hatrany ny sasany amin'ireo tantara izay nitranga vao haingana tao amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices izy io.

Ary ao anatin'ity andiany ity ianareo dia hoentina ho any India, Japàna, Aostralia, Meksika ary Trinidad sy Tobago mba hampidirana aminareo ny Endriky ny Fanoherana ao anatin'ny tontolo iray miaina ny fanontoloana.

Alalininay manokana ny tantaran'ireo volo dokodoko malazan'i Printsesa Leia [1]ary hohazavaina ny antony nifamorian'ireo vehivavy tany amin'ireo tanàndehibe indiana maherin'ny 30; ambaranay aminareo ny momba ny dokambarotra iray tao Aostralia izay manontany hoe, “moa tsy olona avy any an-tsambo daholo va isika rehetra?” [2] ary ho arosonay ho anareo ny Afghana iray monina ao Okinawa, Japàna, izay voafandrika taminà lalao maloton'ny vaovao diso sy ny fahatahorana “Miozolmana” [3]. Hofonosinay miaraka amin'ny andrana manokana nosoratan'i Georgia Popplewell, tale mpitantana anay, monina ao Trinidad, izay mitantara ny fomba fidirana manafintohina sy sarotra raha ho any Etazonia [4] amin'ny maha-vahiny anao.

Ao anatin'ity andiany ity, nasongadinay ireo tantara avy amin'i Vishal Manve, Nevin Thompson, Gabriela Garcia sy Kevin Rennie, ary ireo mozika nampiasàna ny lisansa Creative Commons tao amin'ny Free Music Archive, ahitàna ny Please Listen Carefully an'i Jahzaar; Anniversary Song [5] an'i  Blanket Music; Day Bird an'i Broke For Free;Parody 3 [6] ary Chords [7] an'i David Szesztay; We Always Thought the Future Would Be Kind of Fun [8] an'i Chris Zabriskie; sy ny  Perceptible Shift [9] an'i  Andy G. Cohen

Ny sary nasongadina ao anatin'ity tantara ity dia endrika nasiana fanovàna avy amin'ny sary iray an'ilay mpampiasa Flickr, Marx Dixon, [10] nopihany tao Washington DC, nandritry ny Diaben'ny Vehivavy tamin'ny 21 Janoary 2017, CC BY 2.0.