Netizen Report: Tsy Voajerin'ny Hafa Tokoa Ve Ny Mailako? Te-hahafantatra Ireo Mpiseraseran'ny Riseup

“Mpijirika” avy amin'ny Tetikasa Preiser tao amin'ny Flickr. (CC BY 2.0)

 Manome topimaso iraisampirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, ary fironana … Aterineto manerantany ny Netizen Report ato amin'ny Global Voices Advocacy.

Nitatitra ny mpamatsy mailaka Riseup fa naharay didim-pitsarana roa avy amin'ny Birao Federaly Amerikana misahana Famotorona (FBI) izay mitaky ny hanomezana azy ireo ny lahatahirin'ny mpiserasera anankiroa. Ny didy iray dia nitaky ny adiresim-pifandraisana tamin'ny fanaovana DDoS iraisampirenena hakam-bola amin'ny fomba tsy mety, ny iray hafa kosa dia mikasika ny kaonty voarohirohy amin'ny raharaha onitra takalon'aina.

Nanaraka antsakany sy andavany ny didy ny Riseup rehefa tsy nisy intsony ny safidy ara-pitsarana hafa, nanazava tamin'ny lahatsoratra bilaogy ry zareo fa mety mahatonga azy ireo hiditra raharaham-pitsarana hafa ny tsy fanatanterahana izany. Nanamarika ihany koa izy ireo fa nanitsakitsaka ny fifanarahana ara-tsosialy efa nosoniavin'ny mpiseraseran'ny Riseup rehetra rahateo ireo mpiserasera roa voatondro ireo. Fehiny, nilaza izy ireo: “Hanampy anareo izahay raha tsy voahenjika amin'ny hetsika fanararaotana, fankahalam-behivavy, fanavakavaham-bolo-koditra na fijery hiringiriny tafahoatra hafa ianareo.”

Hatramin'ity herinandro ity, eo ambanin'ny didim-pitsarana mandràra ny famoaham-baovao ny didim-pitsarana, mahatonga ny mpamatsy tolotra ho tsy afaka mamoaka vaovao momba azy ireo amin'ny daholobe. Na izany aza, tamin'ny Novambra 2016, nanomboka nitebiteby ireo mpikatroka nomerika sy zo sivily fa mety miatrika didim-pitsarana ny sehatra, noho ny fahanginana tampoka tamin'ny “warrant canary,” famantarana fa misy zavatra tsy milamina ao ambadimbadika ao.

Nomena ny anarany tamin'ny alalan'ny fomba fanaon'ireo mpitrandraka arintany taloha ny rafitra warrant canary (antoka jerika), izay mampidina jerika mihidy anaty karakara any amin'ny toby fitrandrahana arintany handrefesana ny kalitaon'ny rivotra. Raha mbola misiotsioka mandritra ny diany ao ambanin'ny toby fitrandrahana ilay vorona kely mavo, dia mahafantatra ireo mpiasa fa voaaro tsara izy ireo (vorona) miditra ao. Raha tsy misiotsioka intsony ny jerika, dia midika izany fa tsy azo antoka intsony ny rivotra ahafahana miaina.

Ny fanao ankehitriny dia manondro ny karazana siotsioka nomerika izay amoahan'ny orinasa mpandrindra ny tahirim-pifandraisana filazana mahazatra fa misosa tsara ny rehetra (“fiooo! Tsy misy baiko androany!”). Rehefa nitsahatra tsy namoaka izany filazana mahazatra izany intsony ny Riseup tamin'ny tapaky ny volana Novambra 2016, ary namoaka sioka manatsonga hira avy amin'ilay mpamoron-kira maty vao haingana Leonard Cohen, izay mandrisika antsika mba “hihaino ny soimanga”, dia nanomboka niahiahy ny mpiserasera.  Satria miasa ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona marobe manerantany ny Riseup, niteraka ahiahy goavana ny sioka fa mety ho nisy naka an-keriny na raha tsy izany nanaiky lembenana ny lohamilin'ny orinasa.

Nametraka fanafenan-tsoratra ao amin'ny lohamilina ankehitriny ny Riseup , ka ireo mpiserasera ihany – fa tsy ny orinasa- no afaka mahita ny votoaty ao amin'ny hafatr'izy ireo rehefa ao amin'ny lohamilina Riseup izy ireo. Na izany aza, mbola azo itsofohana antenantenany izay hafatra ifandefasana eo amin'ny kaonty Riseup sy ireo tolotra hafa. Mikasa hampiditra fanafenan-tsoratra voaaro sy ampy kokoa ny Riseup, fara fahatarany amin'ity taona 2017 ity.

Mety hiteraka fahavoazana an-tapitrisany ny fanakatonana ny aterineto any amin'ny faritra ao Kamerona

Niahiahy momba ny fanakatonana ny aterineto ankehitriny ao amin'ny faritra Kamerona miteny Anglisy ny vondrona mpiaro ny zo sy ny mpahay toe-karena, nilaza izy ireo fa miteraka fahavoazana 139 tapitrisa dolara Amerikana  farafahakeliny ao amin'ny firenena ny fanakatonana. Tamin'ny taratasy ho an'ny filoha tale jeneralin'ny ny MTN, NexTel sy Orange – ireo orinasan'ny fifandraisandavitra rehetra nanatanteraka baiko hanakatona ny fidirana amin'ny aterineto ao amin'ny faritra – miantso an'ireo orinasan'ny fifandraisandavitra ankehitriny ny vondrona Access [mpandala ny fahafaha-miditra amin'ny aterineto] mba hamerenana amin'ny laoniny ny fidirana amin'izany, milaza ny «andraikitry ny orinasa mba hanaja ny zon'olombelona sy hanalefaka na hamaha ny fahavoazana naterak'izy ireo.”

Mikendry ireo mpiserasera mac Iraniana ny rindrantsopatra

Mampiseho ny fikarohana vaovao fa mety ho tsy voaaro [mg] araka ny noheverina teo aloha ireo mpikatroka Iraniana sy mpiaro ny zon'olombelona izay mampiasa ny fitaovana Apple. Taloha ny mpiserasera Windows sy Android no tena lasibatry ny fanafihana fisovohana ataon'ny governemanta noho ny faharefoan'ireo rafitra ireo. Milaza ny porofo vaovao avy amin'ireo mpikaroka mahaleotena fa mihamaro hatrany ny fikendrena ny fitaovana Apple.

Niteraka olana lehibe ny lalao fampijalian-tena VK

Toa nanome aingam-panahy ho an'ireo manampahefana Kazakhstan sy Kyrgyzstan mba hanadihady sy hametra ny votoaty antserasera ny lalao mitondra ny lohahevitra hoe trozona ao amin'ny sehatra media sosialy Rosiana VKontakte,, izay mandrisika ny fampijalian-tena sy ny famonoan-tena. Ho setrin'ireo tsaho milaza fa tarihana mankany amin'ny fampijalian-tena ireo tanora manao ny lalao, dia noraràn'ny fitsarana ao Almaty, Kazakhstan, ny fivezivezen'ilay lalao, raha nidina tany an-tsekoly kosa ireo manampahefana Kirghizistan ary nijery ny findain'ny mpianatra raha misy ny lalao. Na dia teo aza ny tati-baovao mieli-patrana, mbola adihevitra ny hoe mifandray tokoa amin'ny fitomboan'ny tahan'ny fampijalian-tena ataon'ny tanora ve ny lalao.

Enin-taona taorian'ny revolisiona, mbola tsy manana fiarovana ny fiainana manokana i Tonizia

Tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisampirenena ny lalànan'ny fiarovana lahatahiry ao Tonizia na dia teo aza ny fandaniana ny lalàmpanorenena taona 2014 tao amin'ny firenena izay manome zo hiaro ny fiainana manokana ho an'ny olom-pirenena rehetra, araka ny nosoratan’ i Dhouha Ben Youssef ao amin'ny Global Voices. Raha ny marina, tsy nohavaozina hatramin'ny nionganan'i Zine El Abidine Ben Ali tamin'ny taona 2011 ny lalàlan'ny fiainana manokana ao amin'ny firenena.

Firy ireo mpanao dokambarotra mahafantatra ny toerana onenanao? Fantaro ao amin'ny Facebook.

Nametraka fomba fiasa vaovao miafina ny Facebook izay mamoaka amin'ny mpiserasera ireo mpanao dokambarotra afaka miditra amin'ny mombamomba ireo mpiifandray aminao. Azo jerena amin'ny alalan'ny fanovana na “Parametre” izany vaovao izany, raha misafidy ny “Trohy ny kopian'ny lahatahirinao amin'ny Facebook”. Mety hoe fepetra ho fanarahana ny lalàna Eoropeana momba ny fiarovana lahatahiry izany, izay voalaza ankehitriny fa nahitana fitoriana maromaro avy amin'ireo mpisera Facebook Eoropeana. Nilaza ireo mpiserasera fa mpanao dokambarotra miisa 250 no voalaza fa niditra tao amin'ny mombamomba ireo mpifandray amin'izy ireo.

Mitaky fanadihadiana momba ny fikarohana anaty finday ataon'ny mpanao fisafoana eny amin'ny sisintany ny vondrom-pahafahana sivily Amerikana

Niara-nanoratra taratasy mangataka amin’ ireo manampahefana ambony ao amin'ny Firenena Mikambana ireo fikambanana Amerikana mpandala ny fahafahana sivily mba hanadihady ny tatitra milaza fa mitaky amin'ireo mpitsidika ny manampahefana Amerikana misahana ny sisintany mba hanome azy ireo ny fidirana amin'ny fitaovana elektronika, anisan'izany ny teny miafina amin'ny kaontin'izy ireo antserasera. Manamafy ny taratasy fa manitsakitsaka ny adidin'ny Amerikana amin'ny fifanekena momba zon'olombelona izany. “Fanitsakitsahana ny zon'olombelona mba hahazoana fidirana tsy misy ahiahy amin'ny fiainana nomerikan'ny olona, amin'ny alalan'ny hery na fanerena. Anisan'ireo nanao sonia ny taratatsy ny ACLU, Vaomieram-Pirenena Amerikana misahana ny Fifandraisana Islamika sy ny Vaomieram-pirenena Iraniana Amerikana.

Fikarohana vaovao

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny mailaka 

 

Ellery Roberts Biddle, Leila Nachawati sy Sarah Myers West no niara nanoratra ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.