- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahatsiarovana Sy Ny Tena Zava-misy Novelomina Tao Anatin'ny Sary Matrok'I Leonardo González

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Lost Childhood (Fahazazana Very 2016) , sary nataon'ilay Venezoeliana Leonardo González. Natao hanehoana ireo andian-jiolahy tanora maherisetra ao an-drenivohitr'i Venezuela. Sary nahazoana alàlana .

Mpandravaka an-tsary Venezoeliana mipetraka any Berlin i Leonardo González.  Tena miavaka ny asany satria maneho hoe ahoana ny fomba fijerin'ny any ivelany sy ny zavatra niainan'ny fireneny,  sady manolotra ny fomba fijeriny manokana momba ny zava-nitranga mahakasika azy tany an-toerana ihany koa izy amin'izany, ao amin'ity Eoropa ity izay lasa toeram-ponenany ity.

Hoy ilay mpamokatra sady mpanoratra César Elster [2] tamin'ny asany:

(…) a tropical-punk, realistic universe in which carefully written, beautifully drawn-yet-

..fucked-up characters constantly go through a wide range of gloom emotions.

(…)  punk any amin'ny tany mafana, tontolo maneho ny zava-misy narindra tamin'ny soratra izay ahitana mpandray anjara sarimiaina, ary mandalo fihetseham-po mangidy na vita tamin'ny sary voakaly aza  .

[1]

Sary nataon'i Leonardo González avy amin'ny Cota Mil, làlana afovoan-tanàna izay mandalo ny akamaroan'ny faritra ao an-drenivohitra Caracas.

Ho an'i Gonzalez, mora kokoa ny mamorona mpandray anjara avy amin'ny zava-misy niainany manokana noho mitantara zavatra amin'ny teny tsotra fotsiny.  Toy ireo olona maro izay nandao ny fireneny, dia mivelona anatin'ny fiainana misabàka izy: eo anelanelan'ny ankehitriny mifindra-monina sy ny lasa izay nilaozany, toy ireo namana ,fianakaviana sy ny toerana izay maha-manimanina azy. Miampy ny ahiahy avy amin'ny krizy lalina izay atrehin'ny firenena ankehitriny io fahatsiarovana io raha vao miresaka an'i Venezoela.

Mahery, manintona, fonenan'ireo izay mifandray amin'ny tendrony roa sy miaina ao anatin'ny fanjavozavoana, ​​ny fahatsiarovana sy ny fifaliana marefo izay velominy hatrany amin'ny alàlan'ny taratasy sy ny ranomainty ny sarin'i González . Nanazava mikasika izany tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny mailaka i Gonzalez :

Ahora estoy creando sobre mi país porque me afecta personalmente y me duele que mi familia y amigos estén mas flacos que antes, literalmente [Dibujar] es lo mínimo que puedo hacer para darles ánimo. Mucha gente ha encontrado su voz en mis imágenes y [eso] me incita a seguir hablando por ellos.

Eo am-pamoronana zavatra ho an'ny fireneko aho satria misy fiantraikany amiko manokana izany ary satria mampalahelo ahy ny mijery ny fianakaviako sy ireo namako mahia kokoa noho ny teo aloha. Ara-bakiteny [manao sary] no kely indrindra azoko atao mba hampaherezana azy ireo. Maro ny olona no nahita fankaherezana tao amin'ny sariko ary mandrisika ahy hanohy hiresaka momba azy ireo [izany].

[1]

Sary nataon'i Leonardo González maneho ny krizy ara-tsakafo ao Venezoela sy ny fitsinjaram-bokatra natolotry ny Fanjakana .

Raha misy asakanto maneho toe-javatra sarotra ireo sary famoronan'i Gonzalez ary tantarain'ity mpanakanto ity amin'ny alàlan'ny sary tokana, dia mahita sary hafa ihany koa isika izay ahitana sary maromaro natambatra mba hitantarana tantara lavalava kokoa . Toy izany no hita ao amin'ny Night out [3] (2015) izay milaza ny fomba niainan'ny tovolahy roa ny fanafihana tamin'ny 13 Novambra 2015 tao Paris [4] sy ny vokatr'izany tao Barcelona, Espaina.

Rehefa miteny ireo sarin'i González dia sady miteny espaniola tsara  no miteny anglisy ihany koa, toy ny tsy misy aminy ny fahasamihafana eo amin'ireo fiteny roa ireo. Mifangaro ihany koa ny tantarany, ny sariny mikasika an'i Venezoela na Eoropa  mba hampisehoana amintsika ny fomba hiainana eto amin'izao tontolo izao avy amin'ny varavarankely natao sary sy nasiany sonia manokana .