- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Naninona i Benjamin Netanyahu no Tsy Afa-nisidina Ambonin'i Indonezia

Sokajy: Azia Atsinanana, Aostralia, Indonezia, Israely, Palestina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Tsidika
[1]

El Al no zotram-pitaterana amantarana an'Israely. Saripika: Flickr / Andrew Thomas (CC BY-SA 2.0)

Raha ny mahazatra dia tokony ho valo ora ihany ny sidina miainga avy ao Singapaoro mankao Aostralia, saingy nandany 11 ora ny praiminisitra Israeliana Benjamin Netanyahu tamin'ny fanaovana io dia io tamin'ity herinandro ity, hialana amin'ny fandalovana ny faritr'habakabaka Indoneziana.

Netanyahu no filoham-panjakana Israeliana voalohany [2] [mg] nitsidika an'i Aostralia.

Fanadihadiana: Ilay lalana hafahafa nizoran'i Benjamin Netanyahu niainga avy ao Singapaoro nankao Sydney

Araka ny nolazain'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Indoneziana dia nôrmaly [5] izany lalana nodiavina izany satria tsy manaiky ny hidiran'ny mpitatitra Israeliana amin'ny faritra habakabany i Indonezia.

Tsy manana fifandraisana ara-diplaomatika ara-dalàna amin'Isiraely i Indonezia, izay firenena betsaka miozolomana indrindra eto amin'izao tontolo izao.

Nilaza ny governemanta Indoneziana tamin'ny herintaona fa handravona [6] ny fifandraisana amin'Isiraely rehefa ankatoavin'Isiraely ho firenena mahaleotena i Palestina. Namoaka io fanambarana io ny governemanta rehefa niezaka ny hametraka fifandraisana diplaomatika eo amin'ny firenena roa tonta i Netanyahu.

Faly tamin'ny fandavan'ny governemanta hidiran'i Netanyahu amin'ny faritra habakabaka Indoneziana izany ny sasany ao Indonezia, indrindra moa fa ireo mpanohana ny Filoha Joko Widodo (Jokowi), ary toy ny nanome endrika tsaratsara kokoa an'i Jokowi teo imason'ireo mpitari-pivavahana miozolomana hiringiriny sasantsasany, izay efa niampanga ny filoha ho tsy mazoto loatra amin'ny fiarovana ny Islamo tany alohaloha tany.

Ohatra iray amin'ireo Indoneziana nankatoa ny fanapahan-kevitr'i Jokowi raha nanoratra tao amin'ny Facebook [7] i Andreas Bambang:

Wahai Haters, selain ketegasan soal Freeport, Inilah alasan lain mengapa saya bangga pada Presiden Joko Widodo. Tegas! Pesawat Netanyahu Berbendera Israel Dilarang Melintasi Wilayah Udara Indonesia. Masih berani kalian bilang Jokowi antek asing, PKI, Komunis, Zionis? Saya kira tuduhan bodoh itu harusnya ditujukan ke para petinggi MUI, yang diam-diam bulan lalu menemui Presiden Israel Reuven Rivlin di kediamannya di Israel. Jokowi yang berjuang serius demi Kemerdekaan Palestina malah kalian tuduh yang macam-macam!

Ho an'ny mpankahala, ankilan'ny fijoroana mafy tao Freeport, ity ny antony hafa mahatonga ahy te-hirehareha amin'ny Filoha Joko Widodo. Mafy izy! Tsy navela hiditra amin'ny faritra habakabaka Indoneziana ilay Isiraeliana Netanyahu. Mbola hahasahy hiampanga azy ho mpiaro [hery] vahiny, mpiaro ny Antoko Komonista Indoneziana, komonista, na sionista ihany? Matotra amin'ny adiny ho amin'ny fahaleovantenan'i Palestina i Jokowi, fa ny nataonareo dia ny niampanga azy tamin'ny zavatra maro.