Fa Maninona No Mizara Ny Laharana Maha-mpianatra azy Ao Amin'ny Tambajotra Sosialy Ireo Porto Rikana?

Sary: Pixabay / Toerana Ho an'ny Daholobe

Ao anatina krizy ny UPR, Oniversiten'i Porto Riko, taorian'ny fanapahana ny famatsiambola izay nitarika onjam-pangataham-pialana nataonà mpiandraikitra ambony maro.

Tamin'ny fotoam-pahavaratra farany teo, nandany ny PROMESA (Hetsika Fanaraha-maso, Fitantanana, ary Fahamarinan-toerana Ara-Toekarena ao Porto Riko ) ny Kongresy Amerikàna , tamin'ny famoronana ny Birao Foiben'ny Fanaraha-maso ny Hetra, izay efa nanome baiko ny Governora Ricardo Rosselló mba hanena $300 tapitrisa ny tetibolan'ny UPR mba hialàna amin'ny filàna fisamborana vola bebe kokoa.

Ho valin'izany, niala tamin'ny toerany ny Filohan'ny UPR, Celeste Freytes, ary 9 tamin'ireo mpiandraikitra 11, tamin'ny fanaovana sonia taratasy iraisana izay iantsoany ilay fampihenana ho ”jadona”:

Rechazamos que se sacrifique más a la UPR mientras otras corporaciones y estructuras gubernamentales no dan un paso al frente, ni se les exigen los recortes draconianos que se le han requerido a una institución que ha probado ser vital en el desarrollo de nuestro país.  En el momento en que el país más necesita de su Universidad  y de ampliar las oportunidades para que un mayor número de estudiantes puedan acceder a ella, le dan un golpe que amenaza su viabilidad. No es sensato ni justo que, en estos momentos, se amenace su existencia. Repudiamos la insistencia de pagar la deuda pública a expensas de la Universidad.

LAvinay ny fanaovana sorona bebe kokoa ny UPR raha mbola tsy mirotsaka an-tsitrapo ireo orinasam-panjakàna sy sampan-draharaham-panjakana hafa, na koa ny fanerena fampihenana izay takiana amina fikambanana iray izay voaporofo fa tena ilaina ho amin'ny fampandrosoana ny firenentsika. Amin'ny fotoana tena ilàn'ny firenena ny Oniversiteny indrindra ary izay tsy mbola nahabe toy izao ny filàna ny fahafahan'ny mpianatra maro miditra amin'izany, no misy ny famelezana azy ireo, izay loza mananontanona ny fitohizany. Sady tsy mitombina no tsy marina fa amin'ireny fotoana ireny, dia tokony ho voarahona ny fisiany. Lavinay ny faningizinginana amin'ny fandoavana ny trosam-bahoaka ka ampandeferana ny fandanian'ny Oniversite.

Efa nanomboka nikarakara hetsi-panoherana manohitra ny fepetra fitsitsiana napetraky ny Biraon'ny PROMESA ihany koa ireo mpianatra sy mpampianatra, mampitandrina fa ny fanapahana henjana toy izany dia hampidi-doza be ny fandaharam-pianarana akademika.

Rehefa nahafantatra ny mikasika ny fialan'ireo mpitantana ambony ao amin'ny sekoly ireo mpianatra, betsaka no nanomboka nizara ny isa famantarana ny maha mpianatra azy tao amin'ny aterineto, toy ny hetsika firaisankina.

Nizara ny isa famantarana amin'ny maha mpianatra azy ihany koa i Karisa Cruz Rosado, mpanoratra ao amin'ny gazetim-baovaon'ny oniversite, Diálogo Digital, anatin'ireo antony anoherany ny fanapahana ny famatsiambola ho an'i oniveriste:

801-03-XXXX: Fue en la Universidad de Puerto Rico (UPR) donde oí el ruido de mis cadenas. Donde me reconocí presa de mis deseos sin cabeza. Allí, en esos salones con hongo, caldo de cultivo para alergias crónicas, casa del terror para los asmáticos, descubrí la brevedad de la vida y cuán “mcdonalizados” estamos. […] Sin la UPR mi vida sería silencio. Sosa. Sin historia ni poesía. Sin pachanga ni francachela. Sin lucha ni resistencia. Dejar que los buitres se coman- vivo- el Alma de la Máter (madre) de Puerto Rico sería un crimen de alta traición. Porque quizá es ahí, en su lecho, donde único nos hemos acercado a la efímera sensación de libertad.

801-03-XXXX: Tao amin'ny Oniversiten'i Porto Riko (UPR) no nahenoko ny feon'ireo rojoko. Toerana nahatsapako ny tenako ho voafonjan'ireo faniriako adaladala. Tao, tao amin'ireo trano fianarana bobongolo ireo, tany lonaka ho an'ny mikraoba mampiroborobo ny tsy fahazakàn-javatra mitaiza, trano fampihorohoroana ho an'ireo manana aretina fahasemporana, no nahitako ny fahafohizan'ny fiainana ary nahitako ny tena halehiben'ny nampiankinan-doha antsika tamin'ny ‘McDonald”. […] Raha tsy nisy ny UPR, mety fahanginana be ny fianako. Matsatso. Tsy misy tantara na tononkalo. Tsy misy fety na jamboree. Tsy misy tolona na fanoherana. Heloka amin'ny famadihana faratampony ny famelàna ireo vorona mpihinana faty hihinana mivantana ny fon'i Alma Mate (renin'i ) Porto Riko. Satria mety ho ao, ao anatiny, no hany toerana akaikezantsika ilay fahatsapana fahafahana mandalo.

Mandrahoana ny fianarana ambony ao Porto Rika ny fepetram-pitsitsiana sy ny fiangarana ara-potilika

UPR, ny rafi-pampianarana ambony indrindra ao Porto Riko, dia voaporofo fa vavahady lehibe ho an'ny fivezivezena ara-tsosialy ho an'ireo maro nahazo diplaoma, izay isaorana indrindra ny tsy fisian'ny trosa manaka-danitra manjo ireo mpianatra izay tena fahita mahazatra any amin'ireo sekoly hafa ankehitriny.

Toeram-pampianarana roa hafa an'ny fanjakàna ao Porto Riko koa no efa niaritra fihenan'ny tetibola sy fanarahamaso politika nandritra ny taona maro: ny Sekolin'ny Haikanton'ny Mozika ao Porto Riko (Conservatorio de Música de Puerto Rico) sy ny Sekolin'ny Taokanto Plastika sy ny Fanaovana Sary ao Porto Riko (Escuela de Artes Plásticas y Diseño de Puerto Rico).

One of the buildings of the Puerto Rico School of Plastic Arts and Design in Old San Juan, Puerto Rico. Image uploaded to Wikimedia Commons by Moebiusuibeom-en under a Creative Commons Attribution Share-Alike 4.0 International (CC-BY-SA-4.0).

Iray amin'ireo tranoben'ny Sekolin'ny Taokanto Plastika sy ny Fanaovana Sary Ao Porto Riko ao San Juan Taloha, Porto Riko. Sary nosintonina tao amin'ny Wikimedia Commons avy tamin'ny Moebiusuibeom-en teo ambanina Creative Commons Attribution Share-Alike 4.0 International (CC-BY-SA-4.0).

Vao haingana no nosoloin'ny Governora Rosselló ny tale rehetra mpitantana tao amin'ny Sekolin'ny Taokanto Plastika sy ny Fanaovana Sary ao Porto Riko, tamin'ny fametrahana Chancelier vaovao tamin'ny faran'ny volana Desambra teo, izay tsy nifampidinihany niaraka tamin'ny fiarahamonina akademikan'ny sekoly, na teo aza ny fitsipika izay milaza fa tokony aorian'ny resaka iarahana amin'ny solotenan'ireo mpianatra, ny sampam-pampianarana sy ireo mpitantana, vao hatao ny fanendrena.

Nilaza i Rosselló fa nifototra tamin'ny fandavan'ny voamieran'ireo tale ao Mónica Villaverde, ny safidin'ny governora tany am-boalohany ho eo amin'ny toeran'ny chancelier. Mitaky ilay Lalàna 3 vao nolaniana vao haingana ny fanadiovana ny trano (navoaka tamin'ny 23 Jan.), izay manome ny governora ny hery hanaisotra ireo mpikambana rehetra any amin'ireo biraon'ny antokon-draharaham-bahoaka rehetra tsapany fa tsy mitovy hevitra aminy mikasika ny politikany momba ny hetrany.

Maro no naneho ahiahy hoe mandika ny fizakantenan'ireo oniversite ilay Lalàna 3, amin'ny filazàny fa tena ilaina amin'ny fampanarahana fenitra ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fizakantenan'ny sekoly. Nandà ireo tahotra ireo ny fitantanan'i Rosselló.

One of the buildings of the Puerto Rico Conservatory of Music in the area of Santurce in San Juan, the capital city of Puerto Rico. Image uploaded to Wikimedia Commons by Dsmorales under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 Unported licence (CC-BY-SA-3.0).

Iry amin'ireo tranoben'ny Conservatoire-n'ny Mozika ao Puerto Rico, ao amin'ny faritr'i Santurce ao San Juan, renivohitr'i Puerto Rico. Sary nakarin'i Dsmorales tao amin'ny Wikimedia Commons nampasàna ny lisansa Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 Unported (CC-BY-SA-3.0).

Tsara ny manamarika fa samy namokatra alumni maro ny Sekolin'ny Haikanton'ny Mozika sy ny Sekolin'ny Taokanto Plastika sy ny Fanaovana Sary, izay nahatontosa asa mahomby teo amin'ny lafiny zavakanto— na tao antoerana na manerana izao tontolo izao, nitondra voninahitry ho an'ny toeram-pianarana no sady lasa aingam-panahy ho an'ireo Porto Rikana tsy tambo isaina.

Mampalahelo anefa ho an'io lova io, ny toe-draharaha politika amin'izao fotoana izao izay tsy mitsahatra ny mitombo dia mahita ny fampianaram-bahoaka ho toy ny fandaniana tsy ilaina. Ao amin'ity tontolo iainana ity, indrindra ho an'ireo mpianatra taokanto sy maha-olona, mety ho takaitra ho an'ny fandaharam-pianarana amin'ny hoavy ny fanapahana ny tetibola.

Raha famantarana ireo zava niainana taloha, na izany aza, tsy ho resy tsy miady ka hamela ireo tranoben'ny fampianarana ambony ireo ry zareo Porto Rikana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.