- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zavatra Am-polony Na Mihoatra Tokony Nentin'ny Rivodoza Dineo Niaraka Taminy Tao Afrika Atsimo

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Hehy, Mediam-bahoaka
[1]

Rivodoza Dineo manakaiky ny Faritanin'i Inhambane, Mozambika tamin'ny 15 Febroary 2017. Sary avy amin'ny Sehatra ho an'ny Daholobe tao amin'ny zanabolana Aqua NASA.

Naneho hevitra mikasika ny  rivodoza Dineo [2] manakaiky ny firenena niaraka tamin'ny vazivazy ireo Afrikana Tatsimo .  Nampiasa ny tenirohy #ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy [3] izy ireo mba hizarana vazivazy.

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, namely ireo faritra tao Mozambika i Dineo izay nahafatesana olona miisa fito, niteraka tondra-drano mahatsiravina tao Zimbaboe ary niteraka fahamailoana nivaivay sy tondra-drano tao Afrika Atsimo.

Nieritreritra i Hlume Dladla fa tokony naka an'i Nkandla, ilay fonenan'ny filoha Jacob Zuma ao Afrika Atsimo, i Dineo :

Avotra izany i Nkandla ? Azafady miverena #Dineo [4]

Tamin'ny taona 2014,  nahita ny tatitra nataon'ny Mpiaro ny Vahoaka ao Afrika Atsimo, Thuli Madonsela, fa nahazo tombontsoa be loatra  tamin'ny fanatsaràna ny fiarovana [7]ny fonenany ao Nkandla ny Filoha Jacob Zuma, izay mitentina 250 tapitrisa Rands na 25 tapitrisa US$ ho an'ny mpandoa hetra. Nahitana valam-biby fiompy masina ny fanatsarana ny “fiarovana” . Nandidy an'i Zuma  mba handoa indray ny ampahany amin'ny vola any amin'ny fanjakana ny Mpiaro ny Vahoaka.

Nampahatsiahy ny Twitter momba ity adihevitra ity i James Sethogo raha nanoratra hoe:

#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy [3] anisan'izany ny biby.

Nanoratra i Kechane Neo:

#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy [3] ireo olona izay mampahatsiahy antsika hatrany fa nahazo lanja isika ary tokony hanary izany. TF ???

Tsy miraharaha ny mpisera iray hafa raha naka ny 10% -n'ny mponina tao Afrika Atsimo ny rivodoza :

Mpanao politika mpanao kolikoly, azo antoka fa very ny 10%-n'ny mponina eto amintsika nefa tsara izany

Nizara ity sary manaraka ity i Queen B  sady namazivazy hoe:

#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy [3] ireo olona izay manala ny volomasony mba hanitsy azy ireo hiverina sy hanakorontana izany toy izao

Leo ireo hafatra izay mampahalala ny mpamandrika finday ny amin'ny ambin'ny lahatahirin'ny aterineto azo ampiasaina i Tumie  :

Ny olona izay nandefa ity hafatra ity: ” lany ny lahatahirinao.”

Nanamarika i Calven Lusenga:

#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy [3] ireo olona miresaka amin'ny olona hafa sady mahalala tsara fa tsy niborosy nify akory izy ireo.

Nanoro hevitra i Mohau, mpianatra:

#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy [3] fametrahana daty tsy maintsy hamitana ny asa .

Nanoratra i Yoshani raha namoaka sary mikasika ny toe-javatra nisafotofoto vao haingana tao amin'ny parlemantan'i Afrika Atsimo hoe:

#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy [3] ireo bandy izay nibeda ny tatavian'i Juju

Juju no anaram-bositr'i Julius Malema, mpitarika ny antoko mpanohitra hiringiriny ao Afrika Atsimo, nesorina an-keriny tao amin'ny parlemanta [20] noho ny fanapahan'ny Mpitolona ho amin'ny Fahalalahana Ara-toekarena (EFF) ny kabary Toetoetry ny Fiombonan'ny Fanjakana taona 2017 nataon'ny Filoha Zuma, anisan'ny nandray anjara tamin'izany i Julius Malema.

Nandefa ity sary manaraka niaraka tamin'ny sioka tokana fotsiny  ity i Kabelo :

Ilay lehilahy manao tsifitra doom ao amin'ny sary ary nilaza fa afaka manasitrana olona amin'ny alàlan'ny Doom [24], izay marika fanafody famonoana bibikely be mpampiasa iray dia ilay pasitera avy ao Afrika Atsimo antsoina hoe Lethebo Rabalago.

Namerina ny fihetseham-pon'i Kebelo , nanoratra i Mwilima hoe:

Ireo mpaminany sandoka rehetra, ento miaraka amin'i Dinnie.

Anisan'ireo asa hafahafa ataon'ireo  “mpaminany” ao Afrika Atsimo tato anatin'ny taona vitsivitsy ny fihinanana bozaka, bibilava sy fisotroana solitany, izay nolazaina fa ho lasa ranom-boankazo mananasy aorian'ny vavaka.

Nisioka i Andile hoe:

Ireo olona izay milaza amin'ny vadiny tsy hanolakolam-bolo  sy tsy hanao makiazy kanefa mamitaka azy ireo amin'ny vehivavy manolakolam-bolo sy manao makiazy.