
Rivodoza Dineo manakaiky ny Faritanin'i Inhambane, Mozambika tamin'ny 15 Febroary 2017. Sary avy amin'ny Sehatra ho an'ny Daholobe tao amin'ny zanabolana Aqua NASA.
Naneho hevitra mikasika ny rivodoza Dineo manakaiky ny firenena niaraka tamin'ny vazivazy ireo Afrikana Tatsimo . Nampiasa ny tenirohy #ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy izy ireo mba hizarana vazivazy.
Tany am-piandohan'ity herinandro ity, namely ireo faritra tao Mozambika i Dineo izay nahafatesana olona miisa fito, niteraka tondra-drano mahatsiravina tao Zimbaboe ary niteraka fahamailoana nivaivay sy tondra-drano tao Afrika Atsimo.
Nieritreritra i Hlume Dladla fa tokony naka an'i Nkandla, ilay fonenan'ny filoha Jacob Zuma ao Afrika Atsimo, i Dineo :
So Nkandla is safe? #Dineo please come back… #ThingsDineoShouldTakeWithHer pic.twitter.com/p18NH9wDW6
— Tweets In Xhosa (@HlumelaDlala) February 18, 2017
Avotra izany i Nkandla ? Azafady miverena #Dineo
Tamin'ny taona 2014, nahita ny tatitra nataon'ny Mpiaro ny Vahoaka ao Afrika Atsimo, Thuli Madonsela, fa nahazo tombontsoa be loatra tamin'ny fanatsaràna ny fiarovana ny fonenany ao Nkandla ny Filoha Jacob Zuma, izay mitentina 250 tapitrisa Rands na 25 tapitrisa US$ ho an'ny mpandoa hetra. Nahitana valam-biby fiompy masina ny fanatsarana ny “fiarovana” . Nandidy an'i Zuma mba handoa indray ny ampahany amin'ny vola any amin'ny fanjakana ny Mpiaro ny Vahoaka.
Nampahatsiahy ny Twitter momba ity adihevitra ity i James Sethogo raha nanoratra hoe:
#ThingsDineoShouldTakeWithHer including the cattles pic.twitter.com/xmzGgGZ5XZ
— James Sethoga (@jamessethoga) February 17, 2017
#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy anisan'izany ny biby.
Nanoratra i Kechane Neo:
#ThingsDineoShouldTakeWithHer people who constantly reminds us that we've gained weight and that we need to loose it. TF???
— 21 February ?? (@khechane_neo) February 18, 2017
#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy ireo olona izay mampahatsiahy antsika hatrany fa nahazo lanja isika ary tokony hanary izany. TF ???
Tsy miraharaha ny mpisera iray hafa raha naka ny 10% -n'ny mponina tao Afrika Atsimo ny rivodoza :
Corrupt politicians, sure we'll lose 10% of our population but it'll be worth it.#ThingsDineoShouldTakeWithHer
— Just A Gamer (@Tebza992) February 18, 2017
Mpanao politika mpanao kolikoly, azo antoka fa very ny 10%-n'ny mponina eto amintsika nefa tsara izany
Nizara ity sary manaraka ity i Queen B sady namazivazy hoe:
#ThingsDineoShouldTakeWithHer people who shave off thier eyebrows only to draw them back and mess it up like this #TSAon3 pic.twitter.com/NSeUzBjz5O
— Queen.B wa ga Seleke (@QsSeleke) February 17, 2017
#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy ireo olona izay manala ny volomasony mba hanitsy azy ireo hiverina sy hanakorontana izany toy izao
Leo ireo hafatra izay mampahalala ny mpamandrika finday ny amin'ny ambin'ny lahatahirin'ny aterineto azo ampiasaina i Tumie :
The person who sends this SMS :” your data bundle has been depleted.”#ThingsDineoShouldTakeWithHer
— tumie_online (@tumelorangata) February 17, 2017
Ny olona izay nandefa ity hafatra ity: ” lany ny lahatahirinao.”
Nanamarika i Calven Lusenga:
#ThingsDineoShouldTakeWithHer people who talk to other people knowing very well that they didn't even brush their teeth
— Calven Lusenga (@CalvenLusenga) February 16, 2017
#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy ireo olona miresaka amin'ny olona hafa sady mahalala tsara fa tsy niborosy nify akory izy ireo.
Nanoro hevitra i Mohau, mpianatra:
#ThingsDineoShouldTakeWithHer assignment dead lines
— MOHAU (@Serabelem) February 17, 2017
#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy fametrahana daty tsy maintsy hamitana ny asa .
Nanoratra i Yoshani raha namoaka sary mikasika ny toe-javatra nisafotofoto vao haingana tao amin'ny parlemantan'i Afrika Atsimo hoe:
#ThingsDineoShouldTakeWithHer the guys that squeezed Juju's balls. #Dineo ??? pic.twitter.com/zppdhjmk9G
— Yashani D (@Ashley_Dorothy) February 16, 2017
#ZavatraTokonyHoentinyRivodozaDineoMiarakaAminy ireo bandy izay nibeda ny tatavian'i Juju
Juju no anaram-bositr'i Julius Malema, mpitarika ny antoko mpanohitra hiringiriny ao Afrika Atsimo, nesorina an-keriny tao amin'ny parlemanta noho ny fanapahan'ny Mpitolona ho amin'ny Fahalalahana Ara-toekarena (EFF) ny kabary Toetoetry ny Fiombonan'ny Fanjakana taona 2017 nataon'ny Filoha Zuma, anisan'ny nandray anjara tamin'izany i Julius Malema.
Nandefa ity sary manaraka niaraka tamin'ny sioka tokana fotsiny ity i Kabelo :
#thingsdineoshouldtakewithher Doom… pic.twitter.com/1wum3JaWzD
— Kabelo Ⓜ️oahloli (@KMoahloli) February 17, 2017
Ilay lehilahy manao tsifitra doom ao amin'ny sary ary nilaza fa afaka manasitrana olona amin'ny alàlan'ny Doom, izay marika fanafody famonoana bibikely be mpampiasa iray dia ilay pasitera avy ao Afrika Atsimo antsoina hoe Lethebo Rabalago.
Namerina ny fihetseham-pon'i Kebelo , nanoratra i Mwilima hoe:
All the fake prophets , take them with Dinnie #ThingsDineoShouldTakeWithHer
— Mwilima Mabakeng (@M2_Mabakeng) February 18, 2017
Ireo mpaminany sandoka rehetra, ento miaraka amin'i Dinnie.
Anisan'ireo asa hafahafa ataon'ireo “mpaminany” ao Afrika Atsimo tato anatin'ny taona vitsivitsy ny fihinanana bozaka, bibilava sy fisotroana solitany, izay nolazaina fa ho lasa ranom-boankazo mananasy aorian'ny vavaka.
Nisioka i Andile hoe:
#ThingsDineoShouldTakeWithHer
People who tell their women not to wear waves & makeup then cheat on them with women who have waves & makeup. pic.twitter.com/WMkws6AoQG— Andile (@AceMsuthu) February 16, 2017
Ireo olona izay milaza amin'ny vadiny tsy hanolakolam-bolo sy tsy hanao makiazy kanefa mamitaka azy ireo amin'ny vehivavy manolakolam-bolo sy manao makiazy.