Tonga Ao Pôrtô Rikô i Oscar López Rivera Saingy Mbola Migadra Amin'ny Trano Ambenana Manokana Mandra-pahavita ny Saziny

Oscar López Rivera is Puerto Rico's longest-held political prisoner. He was incarcerated on charges of "seditious conspiracy", not for violent acts, and given a disproportionately long sentence. Numerous human rights activists, politicians, celebrities and Nobel Prize winners advocated for his release before President Obama commuted his sentence on January 23. The image shows a house in Old San Juan with a Puerto Rican flag draped over the balcony. Image taken from video.

Mampiseho trano ao San Juan Fahiny miaraka amin'ny sainam-pirenena Pôrtô Rikàna eo an-davarangana ny sary. Sary nalaina tao amin'ny video “OSCAR LOPEZ RIVERA LIBRE!” nampidirin'ny ACKMVMT.

Nivoaka tampoka ny vaovao tamin'ny marainan'ny 9 Febroary. Naresaka tao amin'ny media sosialy fa ho tonga ao San Juan amin'io andro io ilay Pôrtô Rikana gadra politika ela indrindra, Oscar López Rivera. Tsy ela taorian'izay, namoaka lahatsoratra ny El Nuevo Día sy Noticel, fampahalalam-baovao roa lehibe ao Pôrtô Rikô izay nanamafy fa hamita ny ambin'ny saziny ao an-tanindrazany tokoa i López Rivera, sazy nahenan'i Barack Obama nandritra ny andro farany niasany aminy maha filoham-pirenena.

Voampanga ho nanao teti-dratsy hikomy tamin'ny taona 1981 i López Rivera noho ny fifandraisany tamin'ny Fuerzas Armadas de Liberación Nacional (Tafika Fanafaham-Pirenena), vondrona nampiasa herisetra mandala ny fahaleovantenan'i Pôrtô Rikô teo am-pelatanan'i Etazonia. Tsy mbola voaheloka ho nandratra olona izy, kanefa dia nahazo sazy 55 taona an-tranomaizina.

Tamin'ny 4:36 hariva. Ora Atlantika tamin'ny 9 Febroary, niantsona tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Luis Muñoz Marín i López Rivera, ary nanaraka azy haingana sy tamim-pahanginana tao ny fiara manokan'ny zanany vavy, Clarissa Lopez, ny mpisolovavany Jan Süsler; ny solontenan'i Etazonia avy amin'ny fanjakan'i Illinois Luis Gutiérrez; ary ny ben'ny tanànan'i San Juan, Yulín Cruz Soto.

Niteraka fisafotofotoana sy tombatombana ny fahatongavan'i López Rivera tampoka ao Pôrtô Rikô, satria tsy nampoizina mihitsy izany. Raha vao nivoaka ny vaovao, nitangorona tao ivelan'ny seranam-piaramanidina ny vahoaka mialoha ny fahatongavany. Na izany aza, tsy maintsy miandry mandra-pahatapitry ny saziny amin'ny fomba ofisialy amin'ny 17 Mey amin'ny 8 maraina ireo izay maniry ny hankalaza ny fiverenan'i López Rivera. Na dia niverina ao Pôrtô Rikô aza i López Rivera, tsy maintsy mbola mamita manontolo ny saziny izy. Hamita ny ambin-tsaziny ao amin'ny trano ambenana ao amin'ny trano fonenan'ny zanany vavy izy, ary tsy afaka mifandray amin'ny olona izay tsy nahazo alalana hanao izany, indrindra indrindra ny gazety.

Nanoro hevitra an'ireo mpiserasera hafa mba handinika tsara izay alefany momba an'i López Rivera ao amin'ny media sosialy ilay mpisera Facebook Nelie Lebrón Robles:

Hay felicidad entre el pueblo por la llegada de Oscar. […] Si no saben el por qué de las circunstancias de la llegada de Oscar a Puerto Rico, no hagan comentarios que lesionan este día tan maravilloso para el pueblo que, fuera de líneas políticas, religiosas, sociales, se unió para pedir su excarcelación.

Misy ny hafaliana eo amin'ny olona noho ny fahatongavan'i Oscar. […] Raha tsy fantatrao ny antony fahatongavan'i Oscar ao Pôrtô Rikô, aza manao fanehoan-kevitra izay mandoto ity andro mahafinaritra ho an'ny vahoaka ity, ankoatra ireo mpanohana azy, ireo vondrona ara-pivavahana sy ara-tsosialy nitaky ny famotsorana azy

Mandinika ny zava-nitranga nandritra ny herinandro vitsivitsy lasa, mpisera Facebook hafa, Cristina Vives Rodríguez, nanoratra ity sata ity tamin'ny alin'ny nahatongavan'i López Rivera tao Pôrtô Rikô:

El día después de las pasadas elecciones de noviembre, al despertar, aún acostada, me enteré a través del internet y por medio de mi teléfono, de que Donald Trump había ganado la presidencia de Estados Unidos. Las lágrimas de tristeza salieron de mis ojos al instante. No tuve control de ellas. Susurré en voz alta un nombre: Oscar. “¿Qué va a pasar ahora? ¿Qué vamos a hacer? Oscar tiene que salir. Es urgente. No hay más tiempo”, pensé. Esta noche, estando ya acostada, siento brotar las lágrimas de mis ojos de nuevo. Esta vez, vienen acompañadas de sonrisas felices porque sé que Oscar dormirá hoy en su País, junto a su hija. En su hogar… Gracias doy.

Rehefa nifoha aho ny andro taorian'ny fifidianana tamin'ny Novambra, mbola teo am-pandriana, nahita tamin'ny aterineto sy tamin'ny findaiko aho fa lany filohan'i Etazonia i Donald Trump. Nikoriana tamin'ny masoko avy hatrany ny ranomason’ alahelo. Tsy nahafehy izany aho. Nisento mafy aho tamin'ny anarana hoe: Oscar. “Inona no hitranga izao? Inona no hataonay? Tsy maintsy havotsotra i Oscar. Tena maika izany. Tsy misy fotoana betsaka intsony,” Hoy aho nieritreritra. Androany alina, rehefa avy natory, tsapako nikoriana indray ny ranomasoko. Narahan'ny tsiky falifaly izany tamin'ity indray mitoraka ity satria fantatro fa hatory ao amin'ny fireneny i Oscar anio alina, eo akaikin'ny zanany vavy. Ao an-tranony … Feno fankasitrahana aho.

Maro ny olona nieritreritra fa ho andro fankalazana hatraiza hatraiza ny fotoana ahatongavan'i López Rivera ao an-tanindrazana ao Pôrtô Rikô. Tsy nisy olona nieritreritra fa hitranga tahaka izao ny fiverenany. Tsy hahagaga raha amin'ny andro hahavitan'i López Rivera ny saziny, hisy ny fankalazana mieli-patrana eny an-dalambe. Noho izany, maro ireo Pôrtô Rikana mbola mitazona ny fofonainy hatramin'ny 17 May.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.