Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nihemotra Haingana ny Fanentanana #DabChallenge Nataon'ny Filoha Kenyana Rehefa Namorona ny #DabOfShame Ireo Mpitsikera

Ny Filoha Uhuru Kenyatta (afovoany) mandihy dab ao amin'ny Lapa-panjakana. Nozaraina betsaka tao amin'ny media sosialy ny sary .

Nitsimbadika ny fanentanana nataon'ny Filoha ao Kenya Uhuru Kenyatta, #UhuruDabFanamby, izay mandrisika ny tanora mba hisoratra anarana amin'ny fifidianana rehefa noharararaotin'ireo mpisera media sosialy tamin'izany ny filazana fa diso laharam-pahamehana eo amin'ny fitantanan-draharahany izy .

Mitaky ireo tanora hi-“dab” ilay fanamby — karazana dihy tahaka ny miafina ambany kiho — hisoratra anarana any amin'ny foibem-pifidianana sy hizara ireo sary sy lahatsarin'izy ireo manao izany ao amin'ny media sosialy. Handeha ho any amin'ny biraom-pifidianana ireo Kenyana  amin'ny 8 Aogositra 2017 ho avy izao.

Hoy ny sioka avy amin'ny kaonty ofisialin'i Uhuru Kenyatta momba ny fanentanana hoe:

The winner of the Dab challenge, whether it is a group or individual with the most retweets at the end of the remaining five days of voter registration, will be rewarded for their patriotism, including visiting with me at State House.

Hahazo valisoa noho ny fitiavan-tanindrazany ny mpandresy tamin'ny fanamby dab , na io vondrona na olona nahazo sioka miverina matetika indrindra ao anatin'ny dimy andro farany fisoratan'ny mpifidy anarana , anisan'izany ny fitsidihana miaraka amiko ao amin'ny Lapa-panjakana .

Anisan'ny fanentanana nataon'i Kenyatta ny fakana lahatsary misy ny dihy dab tao amin'ny Lapam-panjakana miaraka amin'ny tarika mpandihy malaza ao an-toerana antsoina hoe FBI.

Na izany aza,  nahazo aingam-panahy avy amin'ny tenirohy ireo mpisera Twitter ary nanomboka namoaka tsikera tamin'ny #DabMahamentra. Nanontany tena ireo Keniana hoe ahoana no hananan'ny filoha fotoana hakana ny lahatsarin-kira raha mbola mandalo olana ara-tsosialy sy ara-politika lehibe ny firenena toy ny hanoanana, ny haintany, ny halatra biby fiompy sy ny fitokonana manerana ny firenena izay ataon'ny mpampianatra any amin'ny oniversite sy ny dokotera .

Taorian'ny fanakianana, nofafana tao amin'ny kaonty Twitter-n'ny Filoha Kenyatta ireo sioka sy sary mifandray amin'ny tenirohy fanentanana (anisan'izany ilay voalaza etsy ambony)  .

Na dia teo aza ny famafana ireo sioka, nisy mpisera Twitter sasany toa an'i Dikembe namoaka pikantsary, izay nozarain'izy ireo an-tserasera tamim-panesoana .

NAMAFA ireo sioka ny Filoha Uhuru ! Tsy tokony hanana lalàna mandrara ny famafana ny lahatahirin'ny filoham-pirenena ve isika?

Nandefa sary roa mampiseho ny maha samihafa ny dab-n'ny filoha sy ny dab-n'ny olompirenena mahazatra i Maître Chengo raha nampiseho ny tsy fankasitrahany ny fanamby:

Aoka ho taonan'ny famonjena ny taona 2017 .
Dab-n'ny Filoham-pirenena mifanandrina amin'ny Dab Mwananchi mahazatra. [Samy mi-dab]

Mampiseho  ny filoha Kenyatta mandihy miaraka amin'ny tarika mpandihy FBI ny lahatsary avy amin'ny Kenya NTV eto ambany :

Nanamarika i Elia Muriuki:

Tao anatin'ny dona mafy ny #UhuruDabChallenge rehefa nolavin'ireo Keniana tezitra. Nivadika ho #DabMahamenatra izany. Miasà mafy  #Atoa_filoha.:

Nitaraina i Mark Wuon Odhis :

Mijaly amin'ny hain-tany ireo Keniana ary ny dab no zavatra hany takiantsika.

Miatrika haintany mafy i Kenya , izay voinam-pirenena araka ny filoha .

Nivazivazy i Silas Okumu hoe:

#DabMahamenatra ny twerk no manaraka rehefa avy mandihy dab…  tokony hanao izany isika izao satria voinam-pirenena ny haintany .

Karazana dihy izay ahitana olona iray mihetsika amin'ny mozika amin'ny fihetsika feno fihantsiana ara-nofo ny mandihy Twerk .

Raha nanontany ny filoha kosa i Kibii Elihoda:

Atoa Filoha, ahoana raha mandihy dab tamin'ny fifandonana tao amin'ny Lohasahan'i Kerio sy Laikipia?

Nisy andianà fifandonana tao amin'ny Lohasahan'i Kerio izay mifandray amin'ny andian-jiolahy sy ny halatr'omby izay namoizana ain'olona maro.

Nivazivazy ny kaonty Twitter hala tahaka milaza ho zanak'i Kenyatta hoe:

Aza hitarina ny zavatra nataon'i Dadako,  tsy maintsy mampiasa ny Tombontsoa amin'ny Fialamboly ihany koa izy amin'ny maha Filoha azy.

Na dia izany aza, misy ireo Kenyana toa an'i Yobra Silver izay manohana ny fanentanana. Nanoratra izy hoe:

#DabMahamenatra
Filoha tsara
Tsara ny mahafantatra fa mankasitraka ny tanora ihany koa izy.

Nanoratra  ny mpisera Twitter iray hafa hoe:

 Oay! IZY Uhuru izaho ary mandihy dab ireo namako 🤗🤗🙌🙌

Ary nanao izao fanamarihana manaraka izao i Annie :

Eto Kenya ihany no tsy tokony hi-dab, hihomehy na hifalifaly ny filoha~ smh

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.