- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary Fanadihadiana Fohy Iray Mizaha Ny Kolontsaina Kamiao Kanto Mamirapiratra ao Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
'Dekotora' trucks in Japan

kamiao ‘Dekotora’ ao Japana. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Kanon Serizawa [1]. Lisansa ny sary: CC BY-NC-ND 2.0 [2].

Mamirapiratra-manaitaitra izy ireo, mandresy lahatra ny maso ary jerena toa fialamboly izay mitentina vola be: izay rehetra efa tany Japana dia mety efa nahita ny kolontsaina ”taokanton'ny kamiao” Japoney. Fantatra amin'ny anarana dekotora (デコトラ [3], fanafohezana nyk [4]amiaon'ny ravaka [4]”),  voaravaka jiro mitselatselatra sy loko peta-drindrina ary chrome be dia be ireo taokanton'ny kamiao Japoney.

Vao namoaka lahatsary fanadihadihana fohy kely mikasika ny dekotora ny Anatin'ny Kolontsaina [5]Japoney [5] DIY (ianao ihany manao azy) Kamiao Mamitaka [5] ny Great Big Story,. Manasongadina ny dikanteny Anglisy, ary sarinà kamiao manjelanjelatra maro ilay lahatsary.

Toy ny kolontsaina rehetra hafa, misy vondrom-piarahamonina dekotora mihetsiketsika ihany koa ao amin'ny Instagram. Ireto misy sary vitsivitsina ”kamiaon'ny ravaka” any Japana.

 

#JDM #Dekotora #ArtTruck #Bippu #HotRod #Kustom #Lowrider #KaliforniaLook #Hardcore #HardcoreJDM #デコトラ #ビップ [6]

A post shared by KaliforniaLook (@kalifornialook) on

Raha toa ka anjakan'ireo mpankafy hard-core ny dekotora, tsy mahagaga ny mahita kamiao fitaterana, fanariana fako sy ireo fiara hafa voahaingo ravaka manaitra eo amin'ny arabe sy lalambe roa zotran'i Japana.

Toy izao ny bikan'ny kamiao fanariana fako voaravaka miampita ny lalambe roa zotra Tohoku:

Typical Japanese truck art. #bonx #gomakenoise #菅原文太 #仁義なき闘い #東北道 #デコトラ [7]

A post shared by Takahiro Miyasaka (@takahir0miyasaka) on

Tsy ny dekotora rehetra no manaitra, fa samy maneho ny toetra tsy manam-paharoan'ny tompony daholo izy ireo:

#プロフ画 #プロフィール画像 #トップ画 が前の #インパラ のままだな!w と指摘されたのでとりあえず変えてみましたwww #kurustagram64 #kurustagram64_photography #Photography #プロフ画 #海坊主参上 #いかつメン #ごっつメン #関東み組 #美道丸 #仕事車 #デコトラ [8]

A post shared by 海坊主 (@kurustagram64) on

#SaryBikan-drirana Tahaka ny Impala Chevy izany avy eo aloha! #kamiaofiasana #dekotora

Tamin'ny voalohany, tsy dia hoe hafahafa ny mahita kamiao fitaterana voaravaka sary an-drindrina. Mitondra sary an-drindrina triptych (eo amin'ny lafiny sy eo amin'ny varavaran'ny fitoeran'entana ao aoriana) izay mampiseho ny sehatra iray avy tamin'ilay sarimihetsika tamin'ny 2001 “Kai Doh Maru [9]” (怪童丸), ity kamiao ity:

三面絵画アート車って減って来ましたね〜。 #三菱ふそう #fuso #ファイター #fighter #デコトラ #arttruck #翔龍水産 #怪童丸 [10]

A post shared by Dice Kobarn (@slow_cedric) on

Tsy dia misy kamiao fitaterana misy sary an-drindrina toy ny taloha intsony, ah? #MitsubishiFuso #fuso #FusoMpiady #dekotora #KaiDohMaru

Ny tompon'ity kamiao ity dia mitsidika toeram-pivavahana any Inuyama [11], avaratr'i Nagoya. Nasiana kararaka vy vita amin'ny chrome sy tsivalamby izany, ary koa sary an-drindrina mampiseho an'i Anpan Man, mahery fo malaza avy aminà sariitatra:

#いい天気 #アンパンマン に食いつく #安全祈願 #デコトラ またよろしくお願いします( ´͈ ᗨ `͈ )◞♡⃛ [12]

A post shared by さとこ (@satokonbu1122) on

#lanitratalakymasoandro Mihinana #AnpanMan kely. #milazany vavakay #dekotora #misaotraamin'nyfijerenanysariko ( ´͈ ᗨ `͈ )◞♡⃛

Mpitondra kamiao maro no saika mipetraka ao anatin'ny fiarany. Ity misy sary mitodika any amin'ny aro-rivotra, ambanina lambambaravarana nasiana lefitra manavaka kamiao maro miasa ao Japana:

#おはようございます #めっちゃ雨#天気 #現場近くで #待機丸 #今日も1日 #よろしくお願いします #安全運転で#仕事終わったら#洗車#笑 #デコトラ #プロフィア [13]

A post shared by 真央 杉浦 (@mao.s.9) on

Manao ahoana! Tena avy orana be androany an! #miandrynyfampakarana #androhafa #falymahafantatra anao #familianaazoantoka #manasanykamiaokoahorehefavitanyasa #laolina #dekotora

Afaka mizaha ireo taokanton'ny kamiao dekotora an'i Japana ao amin'ny Instagram ianao amin'ny fampiasana ny tenifototra #デコトラ [14]