- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome Feo Ho An'Ireo Olona Nanjavona Any Meksika I Facebook

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

Any Meksika,  tsy eny amin'ny lanitra, na any an-dranomasina na ety an-tany fotsiny ihany no hikarohana ireo olona tsy hita , fa amin'ny alàlan'ny filazana kely ato amin'ny Aterineto ihany koa. Manery ireo fianakaviana hampiasa ny fitaovana rehetra eo am-pelantanana ny famoizam-po tsapan'izy ireo. Koa satria efa manana ny fahafahana hampiasa ny tambajotra sosialy sy ireo sehatra nomerika hafa ny rehetra, dia tsy nisalasala izy ireo nampiasa izany mba hanampiana amin'ny fitadiavana ireo nanjavona.

Maro ireo fianakaviana no namorona kaonty, nanokatra  pejy sy vondrona tao amin'ny tambajotra sosialy natokana hitadiavana ny olon-tiana iray nanjavona na nalaina an-keriny. Ny tambajotra sosialy Facebook no lasa iray amin'ireo toerana be mpitsidika indrindra mba hampitomboana ny fikarohana, amin'ny fanantenana hahatratra olona hafa any amin'ny tanàndehibe hafa, any amin'ny faritra hafa ary eny fa any amin'ny firenena hafa mihitsy aza.

Indraindray mivantana avy hatrany ny anaran'ireo vondrona ireo, toy ny Desaparecidos y levantados en el estado de Puebla [1] (Nanjavona sy nalaina an-keriny tao amin'ny fanjakan'i Puebla), izay noforonina mba hanampy amin'ny filazana faobe sy ny toerana misy ireo olona ao amin'io Fanjakana io.

Foto tomada de Facebook.

Pikantsary avy amin'ny vondrona “Desaparecidos y levantados en el estado de Puebla [1]” ao amin'ny Facebook.

Sarotra ny fikarohana tsirairay, henjana, sy mampahory ary raha mbola tsy ampy izany, asarotina sy sakanan'ny fanadinoana, ny fahalemena, ary indraindray noho ny firaisana tsikombakomban'ny manampahefana sasany miaraka amin'ny fikambanan-jiolahy. Hanome anao ohatra amin'ny fikarohana vitsivitsy izahay izay navoaka tao amin'ny Facebook amin'izao fotoana.

Ray sy zanaka

Imagen tomada de Facebook.

Pikantsary tao amin'ny pejy  “Buscando a Horacio Castillo e Hijo” ao amin'ny Facebook.

Tamin'ny 14 Aprily 2014  no nahitana farany an'i Horacio Castillo Reyes sy Horacio Castillo Herrera , 47 taona sy 24 taona,  tao Nuevo Laredo, any Tamaulipas, any avaratry ny firenena. Ny andro manaraka,  tsy maintsy nifindra tany Mexico ny fianakaviana, kanefa tsy tanteraka ny fikasana, ​​satria very maina tamin'ny ezaka nifandraisana tamin'izy ireo an-telefaonina sy tamin'ny Aterineto ny havan'izy ireo. Nandritra ny antso iray an-telefaonina, nisy lehilahy iray namaly tamin'ny findain'ilay rainy. Araka ny havany [2]: “Nilaza io olona io fa nahita ilay finday izy. Namerina niantso azy izahay ary nilaza ny tsy hanelingelenana azy intsony ilay olona  raha tsy izany dia ho vonoiny ihany koa izahay .”.

Raha  nanangona vovoka ny antontan-taratasy tao amin'ny biraon'ny andrim-panjakana misahana  ny fikarohana azy ireo dia nitana ny famelomana ny raharaha hatrany ireo havan-tiany tamin'ny alalan'ny filazana tsy tapaka tao amin'ny pejy Buscando a Horacio Castillo e Hijo [3] ( “Eo am-pikarohana an'i Horacio Castillo sy ny zananilahy). Mangataka ireo mpamaky mba handray anjara amin'ny fikarohana amin'ny alàlan'ny fanaparitahana ny filazana izy ireo isaky ny hafatra.

Aide-les à rentrer à la maison, ne sois pas indifférent à la douleur ! Eux ne sont pas que deux personnes de plus parmi les milliers de disparus… Ils sont un père, un fils, un frère, un mari, un oncle et un grand-père. Nous continuerons jusqu'à ce que nous les ayons retrouvés.”

Ampio izy ireo mba hody any an-tranony, aza minia tsy miraharaha ny fahoriana! Tsy olona roa fotsiny amin'ireo izay nanjavona an'arivony izy ireo … Fa ray, zanakalahy, rahalahy , vady, dadatoa sy raibe izy ireo. Tsy hitsahatra isika mandra-pahita azy ireo. “

Andao hitady an'i Mafer

Imagen tomada de facebook.com/encuentramafer

Pikantsary tao amin'ny pejy  “Encuentra a María Fernanda” tao amin'ny Facebook.

Nanokatra ny pejin'ny mpankafy Encuentra a María Fernanda [4] (Tadiavo i María Fernanda) tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny famelan-kafatra ny havan'i Fernanda Azpeitia Amador izay nanjavona tamin'ny 27 Aogositra 2016,  mba hahazoana vaovao izay mety hanampy amin'ny fitadiavana an'ilay ramatoakely.  Zaraina ihany koa ny vaovao mikasika ny fivoaran'ny fikarohana na mifandray amin'ny raharaha amin'ny alalan'ny io sehatra io.Vao haingana, fantatra fa nisy ny fandrahonana avy amin'ny fikambanan-jiolahy manohitra ny andrim-panjakana izay manaraka ny raharaha. Hoy ny reniny:

J'avais une vie tranquille, contrôlée, tout était en ordre, jusqu'à ce que ne commence ce cauchemar, cette angoisse qui empêche ma vie de continuer. Je dois retrouver ma fille.

Nanana fiainana milamina aho, voaara-maso, nilamina ny zava-drehetra , mandrapaha-tongan'ity nofy ratsy ity, ilay fitaintainana izay manakana ny fiainako tsy hitohy. Tsy maintsy mahita ny zanako vavy aho.

Niakatra tao anaty fiarakaretsaka ho any an-tranony no nahitana an'i María Fernanda farany rehefa avy any an-tranon'ny zaobaviny teo aloha izy izay heverina ho voarohirohy tao anatin'ny fanjavonany, sy ny anadahin'ity farany ihany koa, izay sipan'ilay niharam-boina teo aloha. Miandry ity tovovavy 22 taona ity ny zananivavy kely sy ny havany. Miampanga ny tsy fahombiazan'ny manampahefana ireto farany izay tsy nahitana  fandrosoana tamin'ny fanadihadiana. Dimy volana taorian'ny fanjavonan'i María Fernanda, nanoratra [5] ny reniny hoe:

Aujourd'hui, cela fait cinq mois que je n'ai pas entendu ta voix. (…) Aujourd'hui, cela fait 5 mois que l'indifférence a fait en sorte que je ne te retrouve pas.

Efa dimy volana androany izao no tsy nandrenesako ny feonao. (…) Ankehitriny, efa 5 volana izao no tsy nahitako anao noho ny tsy firaharahian[‘ny manampahefana].

“Aza alaina an-keriny aho ,  mpampianatra aho”

Tamin'ny 2 Oktobra 2013 no nahitana farany an'i Daniel Ramos Alfaro. Mpampianatra any ambanivohitra i Ramos , mpiara-miasa amin'ny CONAFE (Filankevitra Nasionaly ho an'ny Fampandrosoana ny Fanabeazana ) [6] any Uruapan, ao Michoacán. Nitranga volana vitsivitsy talohan'ny fangalana an-keriny ny mpianatra miisa 43 tao Ayotzinapa [7] ny fangalana azy an-keriny tanaty herisetra. Notantaraina tao anatin'ny lahatsary nozaraina tao amin'ny pejy natokana ho an'ny raharaha ny tantarany. An-dalana hody tany amin'ny kaominina ambanivohitra any Betania sy tao an-tanànakelin'i San Martín Nuevo, ao Michoacán i Daniel tamin'ny andron'ny nitrangan'ny loza, mba hampianatra ny fanabeazana fototra, toy ny nataony efa ho 4 taona izay. Tamin'ny 2 Oktobra, tsy tonga tany an-toerana izy, kanefa fantatra ny lalana nalehany tamin'io andro io. Nifanandrify tamin'ny paikady nataon'ny tafika Meksikana mba handringanana ny marijuana tao amin'ny faritra ny daty sy ny toerana nanjavonany.

Captura de pantalla de la página de Facebook "Todos juntos por Daniel Ramos Alfaro".

Pikantsary tao amin'ny pejy Facebook “Todos juntos por Daniel Ramos Alfaro [8]“. (“Isika rehetra ho an'i Daniel Ramos Alfaro”)

“Ry zanako vavy, aza mitombo intsony”

Niezaka ny hampiseho tamin'ny fahatsoram-po tanteraka ny fahorian'ny havany ny hafatra samihafa nalefa tao amin'ny pejy Facebook maro, anisan'izany ny renim-pianakaviana izay, na dia teo aza ireo taona maro lasa , dia tsy miala hatrany sy tsy mitsahatra mandefa ireo filazana ao amin'ny pejy izay nosokafan'izy ireo .

Imagen tomada de Facebook.com/Pormajo

Pikantsary tao amin'ny pejy Buscando a María José Monroy Enciso tao amin'ny Facebook.

Toy izany no nitranga tamin'i Buscando a María José Monroy Enciso [9] ( “Eo am-pitadiavana an'i José María Monroy Enciso”), nisy naka an-keriny tamin'ny taona 2010 teo amin'ny faha-11 volany tao amin'ny Fanjakana Mexico. Nikendry ny hamono ny reniny ny tompon'andraikitra tamin'izany, kanefa mbola velon'aina izy. Na dia voasambotra aza ilay olona, dia tsy nilaza mihitsy ny momba ny toerana nitazomana ilay zazavavy kely. Mitantara ny tantarany amin'ny antsipiriany ao amin'ny pejy Facebook ilay reniny mbola velona , amin'ny fanantenana fa hahazo vaovao momba ny toerana misy ny zanany, izay efa 7 taona ankehitriny .

Un bébé de 11 mois, qui prenait des médicaments pour des convulsions, un bébé innocent et dépendant, une petite fille innocente, incapable de comprendre le danger qui l'entoure. Elle a maintenant 7 ans et vit dans une famille qui n'est pas la sienne, sous une fausse identité, un nom acheté avec de l'argent sali par la douleur et l'injustice. Elle est arrivée dans la maison de ses ravisseurs début octobre 2010, ils ont dû la baptiser, modifier son âge en lui donnant peut-être un mois de plus ou un de moins. Elle est née le 14 octobre. Aujourd'hui, elle doit fêter son anniversaire un autre jour…”

Zazakely 11 volana, izay mihinana fanafody noho ny aretina androbe, zaza tsy manan-tsiny sy tsy mahaleontena,  zazavavy kely tsy manan-tsiny, tsy afaka ahatakatra ny loza izay manodidina azy. 7 taona izy ankehitriny, ary mipetraka any amin'ny fianakaviana izay tsy azy, eo ambanin'ny mari-panondroana diso, anarana novidim-bola maloto tamin'ny fahoriana sy ny tsy rariny. Tonga tao an-tranon'ny mpaka an-keriny azy izy tany amin'ny fiatombohan'ny volana Oktobra 2010, tsy maintsy nataon'izy ireo batisa izy, novainy ny taonany , angamba nampitomboiny volana iray na latsaka. Teraka tamin'ny 14 Oktobra izy. Ankehitriny , mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany amin'ny andro hafa izy… “

Mampiseho ny tarehimarika ofisialy [10] tany Meksika fa olona miisa 27 659 no tsy hita teo anelanelan'ny taona 2007 sy ny 31 Desambra 2015, kanefa nilaza ny fikambanana FUNDEM (Fuerzas Unidas Por Nuestros Desaparecidos de México – Hery Mitambatra Ho an'ireo Olona Tsy Hita Tao Meksika) fa nahatratra  300 000 ny isan'ny olona [11] very tamin'ny taona 2016.

Mandritra izany, nanamarika ny Fundación de Investigaciones Nacional de Niños Desaparecidos Y Robados (Orina Mpanasoa Nasionaly misahana ny Fikarohana ny Zaza Nangalarina sy Very ) fa teo anelanelan'ny taona 2013 sy ny tapaky ny taona 2014,  zaza  tsy ampy taona miisa 45.000 no tsy hita [12], nalaina an-keriny noho ny fitrandrahana mamoafady na asa na fanondranana taova an-tsokosoko.