Fampielezankevitra Miresaka ‘Fianjerana Fiaramanidina’, Miteraka Adihevitra be Momba Ny Fifidianana Filoham-pirenena Serba

Sary avy amin'ny lahatsary mampiroborobo ny firotsahany hofidiana nataon'i Aleksandar Vučić ho an'ny filohan'i Serbia.

Hanao fifidianana filoham-pirenena i Serbia amin'io volana Aprily io, ary tamin'ity volana ity, nanambara ny firotsahany ho filoha ny Praiminisitra amin'izao fotoana izao Aleksandar Vučić. Andro vitsivitsy taty aoriana, nozarain'ny fampielezan-keviny ny lahatsary doka iray mampitaha ny firenena amin'ny fiaramanidina atahorana hianjera, izay mazava ho azy niteraka adihevitra tao amin'ny haino aman-jery sosialy.

Miresaka mikasika ny tantarana fiaramanidina iray nopetahana ny marika ”Serbia 2017” ilay lahatsary. Manana mpanamory roa ilay fiaramanidina, maneho an'ohatra ny praiminisitra sy ny filoha izay mizara ny andraikitra amin'ny fitantanana ny firenena. Miady hevitra momba ny lalan-kizoran'ny fiaramanidina ireo ‘mpanamory’, manozongozona azy ankavia ankavanana, mahatonga ny mpandeha ho raiki-tahotra.

Na izany aza, manambara ny lahatsary fa mandeha tsara ny fiaramanidina ”Serbia 2017”. Nofy ratsin'ny iray tamin'ireo mpandeha ny fisafotofotoana, ny Praiminisitra Vučić izay manahy mikasika ny ho avy.

Milaza izy:

Ovo bi mogla da bude najgora noćna mora. Naša zemlja je kao i ovaj avion, poverena na upravljanje dvojici ljudi. Predsedniku i premijeru. I ako ta dva čoveka vode državu u različitim pravcima, nećemo moći da očuvamo stabilan kurs koji trenutno imamo.

Mety ho io no nofy ratsy indrindra nataontsika. Nankinina tamin'olona roany fitantanana ny tanindrazantsika, toy ity fiaramanidina ity fotsiny. Ny Filoha sy ny Praiminisitra. Raha samy mitarika ny firenena amina làlana samihafa ireo lehilahy roa ireo, tsy ho afaka ny hihazona ny fandehanantsika milamina ankehitriny toy izao isika.

Any amin'ny faran'ilay doka, ireo olona roa mpilalao ny toeran'ny mpanamory, izay nivoaka avy tany amin'ny cockpit mba hihaino azy, dia niombon-kevitra tamin'ny fihetsehampony: ”Voalazanao!”

Farany, dia niverina tany amin'ny cockpit tsy nisy mpanamory izy ireo ary nipoitra teo amin'ny efijery ireo soratra amin'ny fampielezankevitr'i Vučić  ”Haingana kokoa, Mafy kokoa, Tsara kokoa, Serbia”.

Hihazakazaka sa tsy hihazakazaka

Mahabe resaka ilay fanapahankevitra nataon'i Vučić taty aoriana momba ny manodidina ilay fanambaràna teo aloha nataony izay toa hita ho nandroaka azy ivelan'ny hazakazaka hirotsaka hofidiana.

Araka ny voarakitry ny tranonkala fampandraisana andraikitra ara-politika Istionmer (fandrefesana-ny-marina), nanome fanambaràna fito fara fahakeliny izy nandritra ny taona 2016 izay nilazàny mazava tsara fa tsy ho kandidà amin'ny fifidianana filohampirenena ho avy atsy ho atsy izy.

Na izany aza, tamin'ny volana Desambra dia nanomboka nihemotra izy ary niteny fa haka fanapahankevitra farany amin'ny volana Janoary na Febroary.

Ny firotsahan'i Vučić hofidiana, nambara tao anatinà tafatafa niarahany tamin'ny RTS, ilay Radiom-Panjakàna Serba, dia niteraka fanehoankevitra maneso tao amin'ny Twitter sy tamin'ny tambajotra sosialy hafa.

Fa maninona ry zareo no tsy manafoana fotsiny ny asan'ny Filohan'i Serbia? Tsy misy ilana an'izany, ary izany aza miteraka ady sy olana mihitsy.

Ilay doka momba ny  ‘fiaramanidina’ dia nanampy solika ho an'ireo fifanasàna vangy hoe kajikajy ara-politika fotsiny ny fisalasalany mialoha hirotsaka:

Mazava izany, raha manao ny kajy matematika isika, fa ny famokarana ny lahatsarina fiaramanidin'i Vučić [doka] dia fara-fahakeliny naharitra 20 andro. Noho izany afaka mahita ianao raha tena nanana eritreritra faharoa hafa izy mandra-pahatongan'ny fotoana farany.

Tsy mbola nisy olona tao anatin'ny tantara politika nanao [doka fampielezankevitra] mampiseho fa vonona ny handray ny vahoaka amin'ny fahafatesan'izy ireo izy raha toa ka tsy manatanteraka ny baikony ry zareo.

Nanamarika ny mpampiasa Twitter Jovana Gligorijević fa misy lahatsary tena mitovy amin'io nampiasaina antoko politika tany Okraina. Naneho hevitra am-panesoana izy, ”Oops, ilay planina Okraniana,” maneso fehezanteny iray  efa fantatra nampiasain'ny mpanao fampielezankevitra mpomba ny Rosiana mba hampitandremana amin'ny politika fiarahan-dàlana naroson'ny mpanohana ny Tandrefana teo amin'ilay firenena Kaominista taloha.

Nampifandray izany tamin'ny anjaran'i Vesna Vulović ny mpampiasa Twitter iray hafa, mpiasa fiaramanidina izay nalaza ho hany tokana tafavoaka velona tamin'ny lozam-piaramanidina tamin'ny 1972.

Hafatra mazava ho an'ireo vahoaka ity
Maneho ny fanjakana ilay fiaramanidina, noho izany raha tsy mivadika ho Vesna Vulović ianao, tsaratsara kokoa ho anao ny mifindra any Kanada.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.