- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky Ny Hanesorana Ny Sary Sokitra Eo Alohan'ny Fitsarana Tampony Ao Bangladesh Ireo Vondrona Islamista

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
[1]

Ny Fitsarana Tampony ao Bangladesh miorina ao Dhaka renivohitra. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA 4.0

Any Bangladesh, mangataka ny fanesorana ny sary sokitran-dRamatoa Fahamarinana misalotra sari eo alohan'ny Fitsarana Tampony ireo vondrom-pinoana avy amin'ny elatra havanana. Efa nandrahoana [2] hetsika manerana ny firenena ho amin'ny 24 Febroary izy ireo raha toa ka tsy voavalin'ny manampahefana ny fangatahan'izy ireo.

Namboarin'ilay artista malaza Mrinal Hoque [3] avy tamina vy mangalahala tsy leon'ny harafesenina ilay sokitra, ary nokasaina ho tokanana amin'ny fomba ofisialy amin'ny volana Aprily amin'ity taona ity. Efa mipetraka eo ivelan'ny Fitsarana amin'izao fotoana izao ilay sary sokitra fa mbola haingoana foana.

Hefazat-e-Islam [4]  sy ireo antoko politika Islamista hafa toy ny Islami Oikya Jote [5] dia milaza fa mitovy amin'ny andriamanitra Grika Themis ilay sary sokitr'i Ramatoa Fahamarinana ary manafintohina ny fihetsehampo ara-pinoan'ny [6] firenena izay ny ankamaroany dia Miozolomanina. Nandrisika ny fanjakana koa izy ireo hanova ny rafi-pitsarana ao amin'ny firenena.

Hoy ny jeneraly Mufti Foyzullah, mpitantsoratry ny Hefazat-E-Islam tamin'ireo mpanao gazety: [2] “Io [sarivongana io] dia narendrika tanaty sari ary natolotra tamin'ny fomba mivantambantana tsy misy hajany.”

Niditra am-pamirapiratana i Hefazat-e-Islam Bangladesh tamin'ny 2013 nandritra ny #hetsi-panoherana #Shahbag [7] rehefa nangataka ny fandraràna ny fampifangaroana malalaka ny vavy sy ny lahy ary ny fanamelohana ho faty ireo ”tsy mino an'andriamanitra sy bilaogera mpanompa ny fivavahana”. Nampiditra ireo hevitra 13 avy amin-dry zareo tamin'ny 6 Aprily 2013 izy ireo tany Dhaka. Ankoatra ny fanamelohana ho faty ho an'ny fanompàna fivavahana, nangataka ny fanerena ny hampianarana fivavahana silamo ary fandraràna ny fitomboan'ireo sary sokitra manerana ny firenena.

Maro ny olona toa i Noor Hossain [8] no nanohana ilay fangatahana mba hanalàna ilay sarivongana vaovao:

গ্রিকপুরাণের কল্পিত দেবী থেমিস রোমানদের কাছে ন্যায়ের প্রতীক হতে পারে, কিন্তু সংখ্যাগরিষ্ঠ মুসলিম স্বাধীন দেশের নাগরিক হিসেবে আমরা তাদের ইতিহাস ও ঐতিহ্য থেকে ধার করে কেন হীন ঔপনিবেশিক ধ্যানধারণা লালন করবো? [..]

আমাদের প্রতিবেশী হিন্দু অধ্যুষিত ভারতের সুপ্রিমকোর্ট-প্রাঙ্গণে কোনো ধরনের মূর্তি স্থাপনের নজির নেই। [..] তাহলে আমাদের হাইকোর্টের সামনে কেন গ্রিক দেবীর মূর্তি স্থাপন করা হবে?

Mety ho mariky ny fahamarinana ny andriamanitra Themis ho an'ny Grika araka ny anganony. Fa nahoana izahay no tokony, amin'ny maha firenena mahaleotena Miozolomanina, hindrana avy any amin'ny tantara sy lova Grika miaraka amin'ny toetsainy tia manjanaka? [..]

Tsy misy sary sokitra tahaka ireo ao amin'ny Fitsarana Tampony ireo ao India namantsika. [..] Koa nahoana no tokony hisy sary sokitranà andriamanitra Grika eo alohan'ny Fitsarana Tampontsika?

Nanilika [9] ireo fangatahana toy ny tsy misy fandinihana sy tsy misy fototra mazava ny Lehiben'ny Fampanoavana, Mahbubey Alam. Ilay sary sokitra (Justitia), dia endrika maneho ny tsy fitanilàn'ny rafi-pitsarana ary hita any amin'ny firenena maro erantany, anisan'izany ny firenena Silamo toa an'i Iràna, hoy izy.

Nanoratra teo amin'ny Facebook i Rafi Chowdhury [10]:

হেফাজত মূর্তি আর ভাস্কর্য এর অর্থ বোঝার মতো যথেষ্ট শিক্ষিত নয়।
মূর্তি অপসারণ হলে হেফাজত নিষিদ্ধ করার দাবি তুলবো।
এদেশ এদের কথায় চলবে না, চলবে ৭১ এর চার মূল নীতির উপর ।গনতন্র- সমাজতন্ত্র- ধর্মনিরপক্ষেতা-বাংগালী জাতিয়তার ভিত্তিতে ।

Tsy dia nahita fianarana loatra i Hefazat mba ahafahana mahatakatra ny fahasamihafàna misy eo amin'ny andriamanitra sy ny sarivongana. Raha hotsoahina ilay sarivongana, hanomboka ny hitaky ny fandraràna an'i Hefazat aho. Tsy tokony hotantanin'ny fangatahan'izy ireo ny firenena, tokony hanaja ireo fitsipika nanorenana ny firenentsika isika; demokrasia, sosialisma, laika sy nasionalisma Bengali.

Nisy ireo fanehoankevitra sasantsasany tezitra tao amin'ny Twitter:

Hefazat ao Bangladesh, efa nanendry mpandraharaha & mpiantoka asa ireo mpivarotra mpamitaka mba hiarovany ny Islam; toy ny hoe fananan'ny rainy

 ireo Islamista ao #Bangladesh, isan'izany ny Hefazat e-Islam, samy hangataka indray andro any ny hanovàna ny anaran'ny firenena sy ny tenim-pirenena. #Islam [13]

Sarivongana tokana ao amin'ny Fitsarana Tampon'i Dhaka dia efa ampy ho an'ny Hefazat-Islam ahazoana famoahana fanerena & fandrahonana = jadona #Bangladesh [12] https://t.co/EZUeFr3W8i [15]

Nanoratra teo amin'ny Ishtishon bilaogy [17] i Abdur Rahim Rana:

আজ হেফাজত বলছে ইসলামে মূর্তি হারাম তাই সুপ্রিম কোর্টের মূর্তিটি সরিয়ে ফেলতে হবে।
কিছু দিন পর বলা শুরু করবে, ইসলামে নারী নেতৃত্ব হারাম! শেখ হাসিনা গদি ছাড়। এই তো শুধু বলার বাকি।।। [..]

সাধুগন সাবধান, হেফাজতী আগ্রাসন না ঠেকাইলে অস্তিত্য খুজিয়া পাইবে না।

Ankehitriny i Hefazat dia miteny fa ny Sarivongana dia haram amin'ny silamo noho izany ilay sary sokitra eo alohan'ny Fitsarana Tampony dia tokony ho tsoahina. Hiteny ry zareo ao aorian'ny andro vitsivitsy fa ny vehivavy mitondra firenena dia haram, noho izany tokony hiala ny (Praiminisitra) Sheick Hasina. Izany sisa no andrasana holazaina. [..]

Iangaviana ianao mba hitandrina, raha toa ka tsy manisy lanja an'izany herisetra ataon'i Hefazati izany ianao, indray andro any ho voarahona ny fisianao.

Nitsikera [18] ihany koa ny fangatahan'i Hefazat ny minisitry ny kolontsaina, Asaduzzaman Noor:

হেফাজত এমনভাবে বলছে মনে হয় এটি গণপ্রজাতন্ত্রী বাংলাদেশ নয়, যেন ইসলামি প্রজাতন্ত্র বাংলাদেশ।

Miresaka toy ny hoe tsy ny Repoblikan'i Bangladesh-n'ny Vahoaka izany ny eto, toy ny hoe repoblika Islamikan'i Bangladesh.

Mbola ho hitantsika eo ihany raha hisy vokany ny filazan'i [19] Hefazat fa [19] olona an'arivony no vonona hidina an-dalambe handrava ilay sary sokitra raha toa ka tsy horavan'ny manampahefana izany.