
Fanazavana: ny Filoha Trump, paoma sy penina tao amin'ny Fetiben'ny Ranomandry tao Sapporo. Pikantsary avy amin'ny ANN News fantsona YouTube ofisialy.
Manamarika ny iray amin'ireo hetsika lehibe indrindra amin'ny ririnina ao Japana ny volana Febroary: ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo . Efa ho tapa-bolana izay, nampiantrano sary sokitra goavana vita amin'ny ranomandry ary ahitana fialamboly amin'ny andro ririnina ihany koa ny toerana roa ao Sapporo, anisan'izany ny faritra lehibe iray fialamboly ao afovoan-tanàna .
Sapporo no tanàna lehibe indrindra any amin'ny nosy avaratra ao Hokkaido. Olona roa tapitrisa raha kely indrindra no mitsidika ny fetibe isan-taona, mba haka sary ho alefa ao amin'ny media sosialy.
Matetika maneho ny kolontsaina pop ankafizina fatratra ny sary sokitra vita amin'ny ranomandry izay manasongadina ny fetibe , ary tahaka izany ny tamin'ity taona ity . Samy maneho imbetsaka ny Filoha Amerikana Donald Trump sy “PPAP” (Pen-Pineapple-Apple-Pen) na (Penina-Mananasy-Paoma-Penina ) tao amin'ny fetibe tamin'ity taona ity ny lahatsary mampihomehy iray nalaza be nataon'ny mpanao hatsikana Japoney PIKOTARO , araka ny mpisera Twitter iray :
how are there three pen pineapple apple pen sculptures pic.twitter.com/wOiBhQXRFn
— evan (@enjoievan) February 6, 2017
Nahoana no misy sary sokitra penina mananasy paoma penina telo
Niseho tao amin'ny toerana roa ny fetibe, Boulevard ao Sapporo ny iray amin'ireo, izay tonga hatrany afovoan-tanàna.
【MC SODA 出演情報】
2/6 (月)13:30~14:00
第68回さっぽろ雪まつりにMC MADの客演でMC SODAが出演致します。 pic.twitter.com/c8hqiWwEH3— panorama011.info (@panorama011info) January 31, 2017
February 6, 1:30 PM to 2 PM
The live broadcast of the 68th annual Sapporo Snow Festival begins.
6 Febroary , 1:30 ka hatramin'ny 2 atoandro .
Manomboka ny fampitàna mivantana ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo faha 68 izay fanao isan-taona .
Goavana amin'ny ankapobeny ireo sary sokitra sy ny fialamboly, ary maharitra herinandro na roa eo ambanin'ny maripana latsaky ny aotra .
さっぽろ雪まつり、つどーむ会場でスタート…大通・すすきのは2月6日からhttps://t.co/hFB1rFA6Qp#モータースポーツ #motorsport #すすきの #む会場 pic.twitter.com/tl0JQRdbRw
— レスポンス (@responsejp) February 1, 2017
Tsy ho ela dia hanomboka ao amin'ny Lohalambon'ny Fiarahamonina ao Sapporo ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo.
Raha i Donald Trump no foto-kevitra selfie tena tian'ny olona, dia misy ihany koa ny sary sokitra isan-karazany hafa azo jerena ao:
「世界の架け橋(トランプPPAP)」と題された雪像を背にパシャリ 6日開幕のさっぽろ雪まつり https://t.co/xcbIXDPSSG pic.twitter.com/tenVJWKxdS
— 産経ニュース (@Sankei_news) February 5, 2017
“Fiampitan-Kolontsaina manerana izao tontolo izao” (Trump sy ny PPAP) ary ny feon'ny pikantsary selfies. Manomboka ny 6 Febroary ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo .
さっぽろ雪まつりも見てきました。 pic.twitter.com/8qeUfGmgQ6
— 小黒祐一郎 (@animesama) February 6, 2017
Hitako tany amin'ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo io.
Manasongadina ny fahafahana manandrana ny tsiron-tsakafon'i Sapporo manokana ao an-toerana ihany koa ny fetibe , anisan'izany ny ondry natsatsika antsoina hoe “Genghis Khan.”
(´-`).。oO(…きこえますか…きこえますか… 今…さっぽろ #雪まつり で…大雪像を見上げてる…貴方の心に…直接呼びかけています…大通6丁目「北海道 食の広場」では…焼きたての…ジンギスカンが…貴方をお待ちしております…是非…お越しください…)#飯テロ #松尾ジンギスカン pic.twitter.com/R4bYeAIy1y
— 松尾ジンギスカン【公式】 (@matsuo1956) February 6, 2017
( ‘-`) ..oO Efa henonareo ve? Manomboka androany ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo. Sady misy sary sokitra marobe vita amin'ny ranomandry ao no misy fandrosoana sakafo “Genghis Khan” natsatsika vao mafana. Tongava ary ankafizo!
Ny sary sokitra ranomandry no tena sary fototry ny fetibe, ahitana lohahevitra Star Wars mihitsy aza ny sasany tamin'izany tamin'ity taona ity:
pic dump 1 pic.twitter.com/0zPULwrXKF
— evan (@enjoievan) February 6, 2017
Nampian'ny Tafi-Piarovantena Japoney (JSDF) izay manana toby maro lehibe ao Hokkaido ny ankamaroan'ny asa izay nilaina fametrahana ranomandry goavana kokoa . Fifankazarana kely amin'ny fifandraisana amin'ny vahoaka ho an'ny JDSF ny mandray anjara amin'ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo ary zava-misy tsy takona afenina izany:
「なんで、さっぽろ雪まつりに自衛隊が協力しているんですか?」
「協力なんてしてないっす! アレは訓練っす!」
「訓練?」
「野戦築城訓練!」
「え?」
「野戦築城訓練!」
「……」 pic.twitter.com/mTZllfjEft— ベタ藤原 (@betafujihara) February 6, 2017
A: Nahoana no mandray anjara ao amin'ny Fetiben'ny Ranomandry ao Sapporo ny Tafika Miaro Tena Japoney ?
B: Tsy mandray anjara izahay! Manao fanazarantena izahay!
A: Fanarazantena?
B: Manazatra tena amin'ny fanorenana manda izahay !
A: Inona ??
B: Manazatra tena amin'ny fanorenana manda izahay!
A: Ah ….
Mitana anjara toerana lehibe ihany koa ny JDSF amin'ny fanampiana fandravana ny fanorenana ranomandry rehefa mifarana ny fetibe isan-taona.
さっぽろ雪まつりが明日から開催されますが、雪まつりは1日〜12日の期間中ではなく、自衛隊の皆さんが一生懸命製作した雪像を破壊する13日に観に行くのが1番エモーショナルです。 pic.twitter.com/aoetNzYxNN
— #松竹梅蔵のテレパシー (@umezo_hilite) January 31, 2017
Raha manomboka rahampitso (1 Febroary 2017) ny Ranomandry Matsuri ao Sapporo, dia tsy hifarana amin'ny 12 Febroary ilay fety; ny 13 Febroary angamba no tena mampientanentana indrindra rehefa handrava ny zava-drehetra ny Tafi-Piarovantena Japoney .
Azo jerena ato ny antsipiriany bebe kokoa momba ny fetibe isan-taona. Hita amin'ny alalan'ny fikarohana ao amin'ny Twitter sy any amin'ny sehatra media sosialy maro ny sary bebe kokoa amin'ny alalan'ny fampiasana ny tenirohy さっぽろ雪まつり.