Tantara tamin'ny 24 Febroary 2017
Mitaky Ny Hanesorana Ny Sary Sokitra Eo Alohan'ny Fitsarana Tampony Ao Bangladesh Ireo Vondrona Islamista
Latsaky ny herinandro no ananan'ireo manampahefana mba hamaliana ny fangatahana izay lazain'ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny mpampiasa tambajotra sosialy ho toy ny adaladala.
Fampielezankevitra Miresaka ‘Fianjerana Fiaramanidina’, Miteraka Adihevitra be Momba Ny Fifidianana Filoham-pirenena Serba
''Tsy mbola nisy olona tao anatin'ny tantara politika nanao [doka fampielezankevitra] mampiseho fa vonona ny hitondra ny vahoaka amin'ny fahafatesan'izy ireo izy raha toa ka tsy manatanteraka ny baikony ry zareo.''
Anisan'Ireo Endrika Sary Sokitra Vita Amin'ny Ranomandry Nasongadina Tao Amin'ny Fetiben'ny Ranomandry Ao Sapporo I Trump Sy Ny Pen-Pineapple-Apple-Pen
Olona roa tapitrisa raha kely indrindra no mitsidika ny fetibe isan-taona, mba haka sary ho alefa ao amin'ny media sosialy.
Tantara Foronina Iray ao Palestina Voarara fa ‘Mandrahona ny Fitsipi-pitondrantena sy ny Fahamendreham-bahoaka”
Maro ireo nanohitra ny fanapahan-kevitry ny Fahefana Palestiniana handràra tantara foronina iray voalaza fa manitsakitsaka ny maoralim-bahoaka.
Tafasaraka ity Fianakaviana Mpitsoa-ponenana Syriana ity Noho Ny Fanapahan-kevitr'i Trump
Monina ao California i Gasem al-Hamad sy ny fianakaviany, nandositra ny ady tao Syria, saingy tafahitsoka ao Jordania kosa ny rahalahiny noho ny fanapahan-kevitr'i Trump momba ny mpitsoa-ponenana. Tsy fantatra hoe rahoviana vao ho tafahaona ny fianakaviana.
Sary-sy-Soratra Hiarovana Ny Fitenim-paritra Berrichon-Bourbonnais
Mandray anjara amin'ny Fanamby sary-sy-soratra amin'ny fitenindrazana i Pierre-Marie Cheuvreux ary namorona sary-sy-soratra amin'ny teny berrichon.
Lalao Fanao An-databatra Makedoniana Nahazo Laza Iraisampirenena noho ny “Tsipaipaika Ifarimbonana”
Ahoana no nanatanterahan'ireo vondrona tanora Makedoniana ny nofin'izy ireo tamin'ny famokarana lalao fanao an-databatra teo amin'ny sehatra iraisampirenena.
Mikatona Indray ny Aterineton'i Iràka ho Fisorohana ny Hosoka amin'ny Fanadinana
Lasa mahazatra ao Iraka ankehitriny ny fanakatonana ny Aterineto mba hisorohana ny fraody amin'ny fanadinana