- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tampoka teo Dia Tadiavin'ny Mpanivana ao Rosia Ho Fantatra Bebe Kokoa ny Momba ireo Fantsona Telegram

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
[1]

Fanasàna amim-pitiavana hiera-mipetrapetraka miaraka amin'i “Roskomnadzor-chan,” anime sary famantarana tsy ofisialy ho an'ny mpanivana federaly ao Rosia. Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Niaraka tamin'ny fanampian'ny hetsika politika iray natombok'i Poutine, nanao fivoriana nikatom-baravarana niaraka tamin'ireo mpanoratra marobe avy amin'ireo fantsona Telegram ilay mpanivana federaly ao Rosia, Roskomnadzor, hoy ny tranonkala TJournal [2], ary tsy mazava izay resaka nifanaovan'izy ireo tao.

Voalaza fa i Yulia Zagitova no tomponandraikitra tamin'ilay fivoriana tsy ara-potoana. Yulia Zagitova dia filohan'ny fifandraisana amin'ny media ao amin'ny All-Russia People's Front (Mandatehezan'ny Vahoaka manerana an'i Rosia), hetsika iray natsangan'i Vladimir Poutine tamin'ny 2011 mba hamenoana sy hanitsiana tsindraindray ny asan'ny Rosia Mitambatra, ilay antoko politika mibahan-toerana be ao amin'ny firenena.

Iray amin'ireo olona voalohany nizara ny antsipirihany avy amin'ilay fivoriana ny bilaogera sady manampahaizana manokana amin'ny IT, Vladislav Zdolnikov, mpanakiana fantadaza ny Roskomnadzor. Tao amin'ny fantsona Telegram [3]  azy manokana, nanoratra i Zdolnikov  hoe mba hahitàna votoaty vaovao horaràna, mba ho entina fotsiny hanamarinana ny antom-pisian'ilay masoivohon-dry zareo dia ezahan'ireo mpitàna birao “mpanararaotra” ny hahafantatra bebe kokoa momba ilay tolotra.

“Tsy hitsahatra velively ny hampahatsiahy ny vahoaka aho hoe fikambanana tsy misy ilàna azy sy tsy misy dikany ny Roskomnadzor, tsy manana na inona na inona afa-tsy ny lavabodiny,” hoy i Zdolnikov nanazava azy tsara.

Araka ny TJournal, nasain'i Zagitova koa hanatrika ilay fihaonan'ireo mpanivana sy ireo mpanoratra ao amin'ny fantsona Telegram ireo mpitatitra vaovao avy aminà trano marobe mpampita vaovao mpomba an'i Kremlin. Araka ny lazain'i Vadim Ampelonsky, mpitondra tenin'ny Roskomnadzor, mba “hisorohana ny fandranitana.mahery vaika” dia tsy nampahafantarina ny anaran'ireo mpanoratra ao amin'ny fantsona Telegram nanatrika ilay fihaonana,

Ho an'ny taona lasa, nitodika betsaka tany amin'ireo fantsona Telegram ry zareo Rosiana bilaogera, ny Telegram izay tolotra fandefasana hafatra eo noho eo, ary noforonin'i Pavel Durov, ilay lehilahy nanomboka ny Vkontakte, tambajotra sosialy Rosiana malaza indrindra ao Rosia.

Ireo “fantsona” Telegram dia ahafahan'ireo mpampiasa azy mizara hafatra amin'ireo mpanjohy azy anatinà tosaka iray mandeha amin'ny zotra tokana izay mampivady ny fomba fanaovana bilaogy fahiny aminà fanangonana ho azy faran'izay tsotra ireo faham-baovao maro (RSS) nisoratana anarana.

Herintaona lasa izay, niverenan'ny RuNet Echo nodinihana ny fitombon'io fitaovana iray vaovao io ary ny toerana vao mipongatra tànany ao anatin'ny kolontsain'ny aterineto Rosiana.

Vakio: Miverina Indray Ny Fanoratana Bilaogy Any Rosia Noho Ilay Lehilahy Nanampy Tamin'ny Famonoana Azy [4]