- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manaiky ny Fanamby amin'ny Famoronana Meme (Sary-sy-Soratra) Hanampy amin'ny Famelomana ny Teny Wiradjuri

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Mother language meme challenge #MemeML #wiradjuri [1]

A post shared by geoffanderson (@geoffando_) on

Mandray anjara amin'ny Fanamby Sary-sy-Soratra amin'ny Tenindrazana i Geoff Anderson amin'ny famoronana sary-sy-soratra amin'ny teny Wiradjuri [2], teny velona indray ao Aostralia

Amin'ny maha Talen'ny Teny ao an-tanànan'i Parkes [3] ao Afovoany Andrefan'i Nouvelle-Galles Atsimo, Aostralia, manampy amin'ny fandrindrana ny teny Wirdjuri sy ny fandaharana kolontsaina izay manome lesona ho an'ireo mpianatra miisa 1200 isan-kerinandro, izay mandrafitra ny 10% ny mponina ao an-tanàna ihany koa i Geoff. Nasongadina tamin'ity lahatsarin'ny ABC Open [4] izany fandaharana izany. Manaramaso ny haino aman-jery ao min'ny First Languages Australia [5] ihany koa izy. Azo henoina amin'ity tantara am-peo [6] ity ny tantara maro momba an'i Geoff.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny Rising Voices, niresaka momba ny asany ara-piarahamonina mizara ny teny i Geoff, sy ny fandraisany anjara amin'ny Fanamby Sary-sy-Soratra amin'ny Fitenindrazana izay hizarany ny sary-sy-sorany ao amin'ny kaotiny Twitter @AndersonGeoff [7]  sy kaonty Instagram (@geoffando_ [8]).

Rising Voices (RV): Manao ahoana ny toetry ny teninareo ankehitriny amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto?

Geoff Anderson (GA): Many people have been working hard to use and revive Wiradjuri for a long time. The work of Uncle Stan Grant [9] has been important in bringing the community together around language revival.

Now days, we are finding that young people are keen to take up the challenge to learn and use Wiradjuri. Our Wiradjuri app [10] has been popular and community members have been developing online tools such as Wiradjuri kids [11].

And more and more we are seeing people using language in their social media. The Parkes Wiradjuri Language Group [12] on Facebook has been a good tool for bringing people together and encouraging the use of language at home and on social media. We have 1,700 people in the group.

Geoff Anderson (GA): Maro ireo olona niasa mafy mba hampiasa sy hamelona indray ny teny Wiradjuri mandritra ny fotoana ela. Zava-dehibe ny asan'ny Dadatoa Stan Grant [9] amin'ny famoriana ny fiarahamonina hamohazana indray ny teny.

Ankehitriny, mahita isika fa maniry fatratra handray anjara amin'ny fanamby mba hianatra sy hampiasa ny teny Wiradjuri ny tanora. Malaza ny fampiharana Wiradjuri [10] ary nanangana fitaovana antserasera tahaka ny Wiradjuri kids  [11]ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamoninay.

Manampy izany, mahita isika fa miha-betsaka ny olona mampiasa ilay teny ao amin'ny media sosialy. Fitaovana tsara hamoriana ny olona sy mandrisika ny fampiasana ny teny any an-trano sy ao amin'ny media sosialy ny Parkes Wiradjuri Language Group [12] (Vondroteny Wiradjuri Parkes) ao amin'ny Facebook. Manana mpikambana 1.700 izahay ao amin'ny vondrona.

RV: Nahoana ianao no nanapa-kevitra handray anjara amin'ny Fanamby Sary-sy-Soratra ho an'ny Tenindrazana?

GA: For the past two years we were keen participants in the “Tweet in your Mother Tongue [13]” campaign for International Mother Language Day. So collaborating on the #MemeML challenge was a natural next step.

As Media Director for First Languages Australia, I felt it was my duty to get involved, but I have been loving doing a few memes. It is heaps of fun!

The #MemeML challenge is nice and easy. If you make a meme and put in on your Instagram account you can automatically share it to Facebook and Twitter. So just one post gets to three audiences.

I have been involved with the International Mother Language Day social media activities for three years now and see them as a great way of increasing the visibility of Wiradjuri within our community and to the world.

GA: Nandritra ny roa taona farany, mpandray anjara mavitrika tamin'ny hetsika “Manao sioka amin'ny TenindRazanao [13]” izahay tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenindrazana. Ka dingana manaraka mandeha ho azy ny fiarahamiasa amin'ny fanamby #MemeML.

Amin'ny maha Talen'ny Median'ny Teny Voalohany Aostralia ahy, dia tsapako fa adidiko ny mirotsaka an-tsehatra, saingy tiako ny manao sary-sy-soratra mampihomehy vitsivitsy. Tena mahafinaritra izany!

Mahafinaritra sy tsotra ny fanamby #MemeML. Raha manao sary sy soratra mahatsikaiky ianao ary mametraka izany ao amin'ny kaontinao Instagram, afaka mizara izany avy hatrany ao amin'ny Facebook sy Twitter ianao. Ka votoaty iray monja dia ahazoana mpijery telo.

Nandray anjara tamin'ny hetsika media sosialy ho an'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Tenindrazana aho nandritra izay telo taona izay, ary mahita azy ireo ho fomba tsara hampitomboana ny fahitana ny teny Wiradjuri ao anatin'ny fiarahamoninay sy manerana izao tontolo izao.

RV: Iza no tianao hanaovana fanamby mba hamorona sary-sy-soratra amin'izany teny izany?

GA: I would like to see each of the First Languages Australia’s committee members get involved with the project for their languages and language centres.

And I challenge our Wiradjuri Young Champion, Jason O’Neil [14], to share a few #MemeML this month. It would be wonderful to see the Parks Wiradjuri Language Group on Facebook come alive with #Wiradjuri #MemeML over the next few weeks.

GA: Te hahita ireo mpikambana tsirairay ao amin'ny komitin'ny Teny Voalohany Aostralia mandray anjara amin'ny tetikasa ho an'ny tenin'izy ireo sy ny foiben'ny teny aho.

Ary manao fanamby amin'ny Tanorantsika Tompon-dakan'ny Wiradjuri, Jason O’Neil [14] aho mba hizara  #MemeML vitsy amin'ity volana ity. Mahafinaritra ihany koa ny mahita ny Vondron-teny Parks Wiradjuri ao amin'ny Facebook mamelona ny #Wiradjuri #MemeML mandritra ny herinandro vitsivitsy manaraka.

Jereo ireo sary-sy-soratra marobe avy amin'ny Mother Language Meme Challenge amin'ny fiteny isan-karazany manerantany amin'ny alalan'ny fijerena ny tenirohy #MemeML ao amin'ny Instagram [15], Twitter [16], sy Facebook [17]. Misy ihany koa ny vondrona Facebook [18] hanaovana Fanamby ahitana ny fandraisana anjaran'ny rehetra manerana izao tontolo izao.