- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

An'arivony no Nandray Anjara Tamin'ny Diabe Fanoherana ny Famonoana Olona Ivelan'ny Fitsarana ao Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Naharitra efatra ora ny  ‘Walk for Life’ (Diabe hiarovana ny aina) tao amin'ny Zaridaina Luneta ao Manila. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny CBCP News

Filipiana an'arivony no nanatevin-daharana ny hetsika ‘Walk for Life’ (Diabe hiarovana ny Aina) izay nokarakarain'ny [2] Eglizy Katolika ho fanoherana ny firongatry ny ‘kolontsainan'ny herisetra’ ao amin'ny firenena.

Mikendry ny hanoherana ny famelomana indray ny volavolan-dalànan'ny fanamelohana ho faty ny hetsika, sy ny fampiharana ny lalànan'ny Fananahana Ara-pahasalama, ny soso-kevitra hampidinana ny taona kely indrindra maha-tompon'andraikitra ny tenany manoloana ny fanamelohana heloka bevava, ary ny mbola famonoana tsy misy fitsarana amin'ny raharaha mifandraika amin'ny zava-mahadomelina.

Ny mponina Katolika no tena maro ao Filipina. Manana fahefana matanjaka eo amin'ny fitondrana ara-politika ao amin'ny firenena ireo Eveka Katolika ao.

Mahita ireo mpandinika maro fa ny ‘Diabe Hiarovana ny Aina’ no fanoherana lehibe voalohany amin'ny ady mandatsa-drà amin'ny zava-mahadomelina ataon'ny governemanta. Tamin'ny fotoana nanoratana ity, olona miisa 7.000 no namoy ny ainy tao anatin'ny fito volana farany rehefa  nanomboka [3] ny fanentanana maherisetra miady amin'ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna ny governemantan'ny Filoha Rodrigo Duterte. Voampanga ho manao famonoana tsy misy fitsarana any amin'ireo vondrom-piarahamonina mahantra ao an-drenivohitra ireo polisy sy ny tafi-panjakana hafa.

Araka ny mpikarakara, olona maherin'ny 20.000 no nanatevin-daharana [4] ny ‘Diabe Hiarovana ny Aina’ tao amin'ny firenena ao amin'ny zaridainam-pirenena lehibe indrindra ao Manila. Avy amin'ny diosezy katolika fara fahakeliny miisa 21 ao Luzon  sy avy any amin'ny fiangonana kristianina hafa ireo vahoaka ireo. Nilaza ny polisy fa tokony ho 10.000 eo ho eo no nandray anjara tamin'ny hetsika. Kanefa mety ho ambony kokoa [5] io isa io raha isaina ihany koa ny hetsika ‘Diabe Hiarovana ny Aina’ any amin'ny faritany [6] hafa.

Nandrisika [7] ny mpino hanohana ny aina ny Kardinaly Luis Antonio Tagle ao Manila, izay nanatevin-daharana ny hetsika, :

Let’s not stop walking for life. We should do it everyday. Nothing will happen if we will not walk for life everyday.

Non-violence does not mean it is passive. Active. But we believe that we cannot stop violence also by violence. If the response to violence is also violence, we double the violence. We shouldn’t be doubling or propagating violence. We should match it with non-violence.

Aoka isika tsy hitsahatra hanao diabe hiarovana ny aina. Tokony hanao izany isan'andro isika. Tsy misy na inona na inona miova raha toa ka tsy manao diabe hiarovana ny aina isika isan'andro.

Tsy hoe tsy misy dikany izany raha atao am-pilaminana. Kanefa mino isika fa tsy afaka mampitsahatra ny herisetra amin'ny alàlan'ny herisetra ihany koa . Raha herisetra ihany no valin'ny herisetra , dia lasa nakarintsika ho avo roa heny ny herisetra. Tsy tokony hanosoka na hanely ny herisetra isika. Tokony ampiarahantsika amin'ny tsy fanaovana herisetra izany.

Ireto ambany ireto ny sary sasany avy amin'ny famoriam-bahoaka naharitra adiny efatra, izay nanomboka tamin'ny 4 ora maraina

Pikantsarin'ireo vahoaka tao amin'ny Kianja Quirino raha niposaka ny masoandro.

Fanadiovana, fanavaozana ary fampiharana ny làlana.

[15]

Anisan'ireo mpandray anjara tao amin'ny famoriam-bahoaka ireo havan'ny niharam-boina tamin'ny famonoana mifandraika amin'ny zava-mahadomelina tsy misy fitsarana . Sary natolotr'i Kathy Yamzon

[16]

Ireo mpiaro ny Zon'ny ankizy ihany koa nanatevin-daharana ny  ‘Walk for Life’ mba hanoherana ny tolo-kevitry ny governemanta amin'ny fampihenana ny taonan'ny fanamelohana heloka bevava. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Alan Lacon

Manohitra ny famonoan'olona tsy misy fitsarana isika, ​​ny fametrahana indray ny fanamelohana ho faty, ny fanavakavahana ara-pananahana, ny fampidinana ny MACR, ny kolikoly araka ny rafitra DU30

Arahaba avy amin'ny #WalkForLifePH [12]! ❤ pic.twitter.com/r4ILmIuUUu [19]

‘Huwag kang papatay’ banner is Filipino phrase for ‘Don't Kill’

Ny teny faneva hoe ‘Huwag kang papatay’ dia midika hoe  ‘Aza mamono olona’ amin'ny teny Filipino .