- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanadihadiana iray Miresaka Ny Fiainan'ireo Adolantsento efa Reny ao Bolgaria

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina

Sary an'ny fanadihadiana “Fa iza ireny reny ireny” nataon'i Irena Daskalova.

Ny Fikambanana Bolgara momba ny fandrindràna fiainam-pianakaviana (BFPA), fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana, mikarakara ny fahasalamàna sy ny fanabeazana, no namoaka tao amin'ny Youtube ny fanadihadiana iray nahazo fankasitrahana, nampitondrainy ny lohateny hoe “Fa iza ireny reny ireny [1]“, momba ny fiainan'ireo vehivavy dimy izay efa niteraka zaza iray fony izy ireo mbola tsy ampy taona.

Sarimihetsika novokarina tamin'ny 2011 ary maharitra telopolo minitra, amin'ny fiteny bolgara arahana teny anglisy mandady ery ambany mba hahafahana mandòna olona bebe kokoa. Izany eo ihany, fa olana manerantany [2] ny fitondran'ireo adolantsento vohoka aloha loatra sy ny fampanambadiana ny ankizy.

Nambaran'ny [3] BFPA fa tamim-pitiavana tokoa no nanoloran'ireo mpanatontosa azy ireo ilay lahatsary fanadihadiana mba ho afaka apetraka ao amin'ny Youtube. Ity ny famariparitana [4]:

G. is 15 years old. She is pregnant in the fourth month… with her second child. She gave birth to her first son when she was only fourteen. She is one of the approximately 5,000 girls every year in Bulgaria who “marry” and bear children between age 13 and 18. Regardless of their reasoning, these are all “children-mothers”, who are raising their own children. Often, they are given no chance of making their life choice themselves and they are left in the closed loop of illiteracy, un-employment, and poverty. And their children and their children’s children will most probably re-enact the same model for they couldn’t know that life would offer other opportunities. Who are those mothers?

Eo amin'ny dimy ambinifolo taona eo i G.. EFatra volana eo ho eo izao ny kibony… zanany faharoa no hoteraka eo. Vao efatra ambinifolo taona izy raha niteraka ny zanany lahy voalohany. Iray amin'ireo tovovavy dimy arivo eo ho eo i G. izay “mandeha manambady” isantaona ao Bolgaria, ary miteraka ny zanany eo anelanelan'ny faha-telo ambinifolo sy faha-valo ambinifolo taonany. Na inona na inona antony, “reny-zaza” daholo izy rehetra ireny, izay izy ireo ihany no mitaiza ny zanaka naterany. Mazàna, tsy omena fahafahana mihitsy ry zareo mba hisafidy izay fiainany ary tavela ao anaty faribolana vetavetan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny tsy fananana asa ary ny fahantràna. Ary dia mety hanohy hamokatra lasitra mitovy amin'izany ireo zanany sy ny zanaky ny zanany, noho ny tsy fahafantarany fa afaka manome azy ireo fahafahàna hafa ny fiainana. Fa iza ireny reny ireny?

Io fanadihadiana io dia nahazo loka nandritry ny fetibe fahadimin'ireo sarimihetsika fanadihadiana “Roma Life-Central European Documentary Festival” tamin'ny Martsa 2012, ary nalefan'n [5]y Tahirimbolan'ny Firenena Mikambana ho an'ny mponina (UNFPA) [6] rehefa misy hetsika ataony.

Nanomboka teo ny mpamokatra azy, Irena Daskalova, [7] dia namokatra sarimihetsika marobe, ary ny BFPA [8] kosa manohy ireo hetsika fanabeazana momba ny fahasalamnana ara-pananahana sy ny zo amin'ny fiterahana.